LAHATSARY: Nanjary Nipariaka ilay Fahendrena Tsy Mihinan-kenan'ity Zazakely Breziliana

[Mitondra mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny Portiogezy ny rohy rehetra.]

Nanjary lasa lahatsary farany be mpijery indrindra eran-tany ny lahatsary YouTube ahitana an'i Luiz Antonio, zazakely vao telo taona monja manazava amin'ny reniny ny antony tsy itiavany mihinana orita atao sakafo.

Miaro ny heviny ity zazakely Breziliana ity hoe tsy tiany ny mihinana hena satria “rehefa hohanintsika ny biby, dia maty izy ireny,” ary satria tiany ny mahita biby, “mijoro, faly”, ary nazavainy fa tokony “hikarakara azy ireo” isika fa tsy hoe hihinana azy ireo akory.”

Nahitana topimaso hatramin'ny 1.500.000 tao anatin'ny tapa-bolana ny lahatsary voalohany amin'ny teny Portiogezy namahanana ny YouTube tamin'ny 15 May 2013. Tamin'ny 29 May no navoaka ny tamin'ny dikanteny Anglisy ary in-900.000 nisy nijery tao anatin'ny telo andro monja.

Niteraka adihevitra mafàna mikasika ny tsy fihinanan-kena tao amin'ny YouTube sy Facebook ity lahatsary nanjary nihanaka toy  areti-mifindra ity, tao aminà firenena izay tsy ahitana afa-tsy olom-bitsy nisafidy ny tsy hihinana afa-tsy zava-manir. Nanazava ny antony i Carlos Augusto Andrade:

O vídeo viralizou ontem no Facebook, daqueles que todo tipo de gente compartilha: sua mãe, sua tia, seus amigos descolados, os contatos da época do colégio… E apesar de alguns grupos no Facebook e no Youtube terem usado o vídeo para discutir o vegetarianismo, a gente entende que ele viralizou pelo que é, mesmo: um vídeo fofo de uma criança sendo curiosamente eloquente pra sua idade e refletindo sobre algo que nem todos nós nos damos ao trabalho de parar pra refletir.

Lasa nipariaka teo amin'ny Facebook omaly [May 29, 2013] ilany lahatsary, karazan'irony zavatra zarainao amin'ny olona karazany maro irony izy ity: mamanao, nenitoa, namana akaiky, mpiara-mianatra fahiny…Ary na teo aza ireo vondrona sasany eo amin'ny Facebook sy YouTube nampiasa ilay lahatsary hiresahana mikasika ny tsy fihinanan-kena, azontsika an-tsaina ihany hoe lasa nihanaka amin'izao maha-izy azy izao fotsny izy ity : lahatsarinà zaza mahafatifaty izay tena be fandaharan-kevitra raha amin'ny taonany ary mahatonga saina amin'ny zavatra izay tsy ny maro amintsika no hisahirana hijanona kely ka handinika izany.

Namoaka fanomezam-boninahitra ho an'ity “zazalahikely izay nahatohina ny fon'ny maro tamin'ny aterineto ity” i Flavio Giusti, lehibe ao amin'ny fandraisana olona ao amin'ny VegetariRANGOFandaharana YouTube mikasika ny “Fandrahoana zava-maniry tsy misy sorisory”eo amin'ny pejy Facebook-ny. Ity saina kely ity fotsiny aza dia efa nisy nizara maherin'ny in-1.145:

Frase de Luiz Antonio menino vegetariano

Filozofian'i Luiz Antonio: “Maty ny biby rehefa hohanintsika. Tsy tiako izany, tiako ny mahita azy ireo mijoro, sambatra. Tokony hikarakara azy ireo isika, fa tsy hoe hihinana azy.”

Nanapa-kevitra ny olona sasany, izay nahazo hevitra tamin'ny fahatsoran'ny fanehoan-kevitra nataon'ity zaza, ny hanaraka fiainana tsotra tsy mihinan-kena, toy ny ankamaroan'ny namana izay nizaran'ny mpitoraka bilaogy Viviane Zandonadi ny horonantsary. Mpanoratra sakafo izy, ary nanontany tena mikasika ny zavatra mety ho lazainy raha manomboka manontany azy zavatra toy izany ny zanany vavy:

Fico apreensiva. Quando chegar a minha vez, se a Cata questionar a lógica da cadeia alimentar, não faço ideia do que vou dizer. O Luiz Antonio derrubou meus argumentos.

Tena very hevitra. Rehefa ho avy ny anjarako, tsy hahita ho lazaina  aho raha manontany ahy mikasika ny dingana lalovan'ny sakafo i Cata. Tena notsofin'i Luiz Antonio ny fiarovan-kevitro.

Nangataka ny zanany hihinana ny vary sy ny ovy fotsiny ny renin'i Luiz Antonio tany amin'ny faran'ilay lahatsary, sady latsa-dranomaso. Nanantena i Guilherme Carvalho, manoratra ho an'ny bilaogy Acerto de Contas, fa hanomboka hanaja ny fahatongavan-tsain'ny zanany ny ray aman-dreny, ary hampiato ny fandaingana na hevitra tsotsorina mba hanerena ny ankizy hanova ny fomba fisainany:

Portanto, em pleno 2013, já é tempo de parar de enganar nossas crianças e abafar seu sentimento de compaixão quando demonstram inclinação para não comer animais. Respeitemos, e valorizemos, essa postura altruísta e compassiva. Ter um filho vegetariano não é um problema, e hoje há ampla literatura científica garantindo os potenciais benefícios desta opção à saúde. O vídeo de Luiz Antonio tem deixado muita gente emocionada — e esperançosa.

Noho izany, manomboka amin'ny 2013 no fotoana hanajonantsika ny fandisoana ny zanatsika ary fanalàna ny fahatsapan-tenany amin'ny fiarahana miombona aina rehefa maneho fahalainana tsy hihinana biby izy ireo. ‘Ndeha hajaina sy omena lanjany izany fitiavana ny hafa izany sy ny fotoanan'ny alahelo izany. Tsy olana mihitsy ny manana zanaka tsy mihinan-kena, ary ankehitriny efa misy betsaka ny literatiora maneho ny tombontsoan'ny fahasalamana azo avy amin'ity safidy ity. Namela olona maro hihetsika- sy ho be fanantenana ny lahatsarin'i Luiz Antonio.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.