Kambodza : Sarintany Mampiseho Ireo Faritra Tratran'ny Fahatapahan'ny Herinaratra

Nanao sarintany mampiseho ireo toerana iharan'ny fahatapahan'ny herinaratra izay nanjary mateti-pitranga any amin'ny tanàna sy ny manodidina an'i Kambodza ny Urban Voice, tranonkala maka vaovao avy eny ifotony ary miorina ao Phnom Penh. Nahazo tatitra maherin'ny 110 mikasika fahatapahanà herinaratra ny Urban Voice tao anatin'ny roa volana, izay indraindray maharitra adiny folo ny any amin'ny distrika sasany.

Nampiditra an'i Phnom Penh tao anatin'ny haizin-kitroka ilay fahatapahan'ny herinaratra tany atsimon'i Vietnam tamin'ny 22 May teo. Avy any Vietnam mantsy ny 40%-n'ny herinaratra any Kambodza. Nahatonga tselatr'afo tamin'ny aterineto io fahatapahan'ny herinaratra ankapobeny io ka nahatonga adihevitra momba ny fipetraky ny herinaratra ao amin'ny firenena. Mangataka fanazavana momba ny fiverimberenan'ny fahatapahan-jiro tato anatin'ny volana vitsy lasa ny vahoaka.

Na dia tafaverina aza ny jiro teo ho eo amin'ny 8 alina teo , dia mbola tsy faly foana ny mponin'i Phnom Penh. Nitohy taminà fahatapahan-jiro naharitra iray volana teo an-tanàna ka nahatonga vesatra be teo amin'ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karena noho ny tsy fisian'ny fampilazàna mialoha io fahatapahana ankapobeny io.

Blackout mapping in Cambodia. Image from Urban Voice

Sarintany mampiseho ny fahatapahan'ny herinaratra tany Phnom Penh, Kambodza. Sary avy amin'ny Urban Voice….

Nanolotra ny sarintanin'ny Electricité du Cambodge mpamatsy herinaratra  ny firenena i My Sovann, ao amin'ny Urban Voice:

Tsy ny fahatapahan'ny herinaratra no olana  fa ny tsy filazana azy. Ny tsy fahalalàna hoe rahoviana, aiza, ary hafiriana no hahatapahan'ny herinaratra no miteraka ireo vesatra  ara-tsosialy sy ara-toekarena eo amin'ireo mpandraharaha, fikambanana ary ny tsirairay. Azo nialàna mora foana izany raha toa ka nahafantatra mialoha ny fahatapahan'ny herinaratra mba hitadiavany zavatra hafa hasolo azy ny mponin'i Phnom Penh.

Teren'ny  Urban Voice ny orinasa mba hilaza mialoha ny ora hahatapahan'ny herinaratra:

Izao no hafatray amin'ny Electricité du Cambodge (EDC): Ampahafantaro ny fahatapahana herinaratra, na omeo fanazavàna mendrika kokoa mikasika ny antony ” tsy maha mety ny” filazàna mialoha ny ora izahay.

Image from Urban Voice

Sary avy amin'ny Urban Voice

Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy tao amin'ny Twitter momba ny fahatapahan'ny herinaratra any Kambodza :

@CarrieJeanneJ Fahatapahan-jiro lava indrindra niainako teto Kambodza. Mipetraka any amin'ny lavarangana ambonin'ny tafonay aho mba haka rivotra (kely), sady mihaino ireo geckos (karazana androngo) mi-” geck-o” (maneno) sy ireo valala manao kri-kri.

@C_Panhavion ary avy ny orana, avelao izy ho latsaka mba hampangatsiatsiaka ny tany. Tena henjana ny hafanana nandritra izay fahatapahan'ny herinaratra izay.

@Sokly543 Tapaka ny jiro. Tsy afaka manao na inona na inona aho izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.