Ireo Mpijirika Any Amin'ny Tanàna Arabo : Aterineto Miadam-pandeha Sy Girl Power Any Alzeria

Mpanao gazety i Sabina ary mpaka sary sy mpanao video kosa i Ophelia : samy  nokolokoloina avy tao amin'ny tranonkalan'ny OWNI ( iray amin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices)  izy roa ireo  ary nanao fanadihadiana momba  “Les hackers dans la cité arabe (Ireo mpijirika any amin'ny tanàna arabo) ” mikasika ny teknolojia, ny fampiharana, ny start-ups, ny hack labs ary ny makers spaces, izay miroborobo any Magreba sy Afovoany Atsinanana amin'izao fotoana izao. Androany, amin'ny lahatsoratra faharoa ao anatin'ity andiany ity, no anehoan'izy roa ireo ampahany amin'ny lahatsoratra nosoratany  momba ireo  zatovo alzeriana informatisiana, izay nifanena taminy tany amin'ny Sekoly Ambony Fampianarana Informatika any Alger ( lahatsoratra Sabine Blanc, sary Ophélia Noor, lahatsoratra nofantenana sy navoakan'i Claire Ulrich).

 

 Yazid : start-up iray ao anatin'ny 54 ora  ?

20 taona i Yazid , tamin'ny feo vahobahotra, no nilazany ny faniriany lehibe hanangana ny start-up-ny. Efa  eo am-pamolavolàna tetikasa  miaraka aminà mpianatra efatra amin'ny taona famaranana  izy : vovonana iray mampifandray ireo olona manana tolotrasa sy  ireo izay mety ho mpanjifa. Hazavainy ny fientanam-pony hamorona asa.

Mbola azo trandrahana tsara ny aterineto, manana 5 ka hatramin'ny 10 taona aho hananganako ny start-up-ko.

Mba hanazavany ny heviny sy ireo zava-tsarotra andrasana, dia nolazainy anay fa mandoa 12 euros isam-bolana  ny ray aman-dreniny mba hidirana aterineto aminà hafainganam-pandeha 256kb. 30 euro isam-bolana ny  fidirana amin'ny triple play tafakatra hatramin'ny 10mb any Frantsa. Voasokajy any amin'ny farany indrindra i Alzeria raha mikasika ny hafainganam-pandehan'ny aterineto : laharana faha 176 amin'ny 176 tamin'ny taona lasa. Mangalatra mampiasa ny fidiran'ny mpifanila efitra aminy amin'ny aterineto izy mba hahazahoany aterineto ao amin'ny efitranony natao ho an'ny mpianatra any Alger.

 

  Rindrina irain'ny Klioban'ny mpanao siansa  ESI  any Alger. Sary Ophelia Noor, navoaka rehefa nahazoana alàlana

Raha mihataka kely amin'ny fanolorana ny tetikasany, dia mbola nahita zavatra iray izay mampiavaka ny aterineto alzeriana ihany koa izahay : tsy misy ny e-commerce (varotra atao amin'ny aterineto). Mifototra amin'ny rafitra atao hoe kaontin'ny mpampiasa (compte utilisateur) izay vatsiana amin'ny ‘mandat-poste’ miaraka amin'ny rafitra fanomezana isa ry zareo mba handoavana ny karama : mba ahafahana mifandray dia tsy maintsy mividy isa ianao. Tsy ilaina intsnony ny hilazana fa mitaty fanakianana mivaivay ity zavatra efa lany andro ity :

Misy fanerena mafy ataon'ny lehibenà orinasa mba hanovàna io rafitra io.

 

Izy dia miantehitra amin'ny fanampian'ny cyberparc-n'ny fanjakana, izay nipoapoaka tokoa ny anarany tany amin'ny taona 80-90 tany. Monina any amin'ny tanàna vaovaon'i Sidi-Abdellah 30 km avy ao Alger izy ary vavolombelon'ny fahalinan'ny governemanta amin'ny resaka TIC. Mandray karazana hetsika ihany koa io toerana io, toy ny Algeria 2.0 izay tamin'ny taona lasa no nanaovana ny hetsika voalohany ary havaozina amin'ny volana Aprily ho avy izao. Nisy « start-up faran'ny herinandro » nokarakaraina tamin'izany ary mbola hisy izany amin'ny lohataona ho avy izao. Isan'ny mpanohana amin'izany ireo orinasa matanjaka efa mahazatra : Google sy Microsoft.

Saingy rehefa mandre ny resak'ireo tanorantsika mikasika ny olana ara-pitantànana sedraina rehefa hamorona orinasa, dia mampanontany tena hoe vazivazin'ny governemanta mikorotan-tsaina ve ny fiventesana ny « manangana  start-up iray ao anatin'ny 54 ora ». Ho hita eo raha ho firariantsoa fanao rehefa fiandohan'ny taona fotsiny ny fampanantenany  hanamora ny fiainan'ny mpandraharaha.

Yasmine Bouchène : “izany no girl power !” (herin-jazavavy)

Efa nahaforona webzines (solon'ny gazetiboky ety anaty aterineto) anankiroa sahady i Yasmine Bouchène  na dia vao 22 taona aza, ny Jam Mag, momba   « ny kolontsaina geek sy ireo  teknolojia vaovao » sy ny Vinyculture, « webzine ara-kolontsaina». Ary te-hanangana ny rafitra azy manokana eo amin'ny resaka haivarotra sy fifandraisana izy ankehitriny. Fa ho azy dia efa zary lasa fanatanjahan-tena isan'andro sy fikajiana ny fahasalamana ny eso tafahoatra.

 

Yasmine Bouchène, Alger, desambra 2012, sary: Ophelia Noor, fampiasàna nahazoana alàlana

 Mandiso fanantenana azy ny toerana misy ny niomerika alzeriana amin'izao fotoana ary efa sempontsempotra sahady izy momba ny làlana hombany amin'ny fananganany ny orinasany vaovao :

Tsy nahomby ny e-Algeria 2013, fandaharan'asa hametrahana ny niomerika ho an'ny firenena natao dimy taona lasa izay. Efa 5 taona lasa izay no nilazany ny momba ny 3G. Tsy voasoratra ao anatin'ny lisitra fampiasa amin'ny fitantànana ny hoe web (tranonkala) !

Andro vitsy aorian'izay dia hamoaka  lahatsoratra fohy momba ny fidiran'ny 3G any Somalia izy, amin'ny famelezana ny governemanta alzeriana dieny eny amin'ny andalana voalohany :

Tsy notsinontsinoavin'i Somalia ny fampiroboroboana ny sehatry ny toekareny , ary natombony taminà fifandraisan-davitra izay sehatra misy mpanjifa an-tapitrisa izany, na dia tao anatin'ny ady an-trano nandritra ny folo taona aza izy.

 

Une participante à l'atelier JerryCan à l'ESI d'Alger

Mpandray anjara iray tamin'ny fifanakalozan-kevitra JerryCan tao amin'ny ESI any Alger. Sary Ophelia Noor, navoaka rehefa nahazo alàlana

Tahaka ny efa miezaka ny fanjakana Alzeriana mandray an-tànana ny fanatsaràna ny tontolon'ny fifandraisan-davitra, amin'ny fomba henjana, amin'ny alàlan'ila mpamatsy fifandraisan-davitra Algeria Telecom (AT) an'ny fanjakàna. Tsy tahaka izany hatrany teny aloha. Manana ny azy ihany koa ny firenena raha Free  sy Eepad. Ny taona 1999, nanomboka nitrandraka ny tsena ilay hany tokana mpamatsy ny fifandraisan-davitra tsy miankina, tamin'ny fotoana nivelaran'ny tontolon'ny fifandraisan-davitra ho amin'ny fifaninanana. Nanomboka nanao ny tolotra ADSL izy tamin'ny 2003. Avy eo, ny Freebox sy ny Assilabox.
Nanapaka ny fahafaha-mifandrain'ny mpifaninana taminy ny AT tamin'ny taona 2009 ary navelany hihahaka tamin'izao ireo mpanjifa 36.000.  Noho ny tsy nandoavan'ilay FAI tsy miankina ara-potoana ny trosa 4 lavitrisa dinara izany. Ny fijerin'ny sasany azy io dia fomba famerenana ny ampihimambam-panjakana amin'ny alàlan'ny fidirana ao amin'ny renivolan'ny AT. Farany, herintaona lasa izay dia nambaran'ny PDG-ny ny fiverenan'ny orinasa indray rehefa tsy hita nandritra ny 27 volana.

Manasa antsika i Yasmine handinika amim-pahamalinana ireo tarehimarika momba ny isan'ny mpanjifan'ny aterineto natolotry ny governemanta alzeriana. « Tsy maintsy maka ohatra amin'ireo tarehimarika omen'ny UIT » (Fiombonan'ny fifandraisanndavitra iraisam-pirenena). Izany hoe 14%-n'ny Alzeriana no nampiasa ny aterineto tamin'ny 2011.

Miakatra kely ny herin-tsaina rehefa resahana ny toe-draharaha momba ireo vehivavy. Nihomehy izy nahita ny fahagaganay nanoloana ny fahitànay ireto ankizivavy betsaka tao amin'ny ESI :

  Izany ny Girl power, tena mahafinaritra ! Tena nanampy betsaka anay ny taona 90 : niakatra an-tsehatra ireo manaiky ny foto-kevitra fitovian'ny lahy sy ny vavy ary nisy ireo hevitra fototra tafajanona tamin'izany. Manaiky io foto-kevitra io ny minisitry ny Kolontsaina Khalida Toumi, folo taona nitazonana io toerana io.

 

Vao haingana, hoy izy, dia nisy ny vesatra tsy maintsy navotsotra : « tsy manan-tsafidy izy ireo ». Nisy ohatra ny fametraham-pialan'ny minisitry ny Fampianarana, Boubekeur Benbouzid tamin'ny Septambra, mpikambana 19 taona tao amin'ny governemanta, 10 taona tamin'ny Fampianarana. Nisy hetsika  #BenBouzidDégage natao tao amin'ny Twitter izay noheverin'i Yasmine fa navesa-danja.
Efa an-dàlana izao ny fanokafana ny haino aman-jery miaraka amin'ny didy ho amin'ny tapaky ny 2013, hoy izy faly. […] Iverenan'i Yasmine ihany koa ireo olana sedraina raha hikarakara fivoriana. Ampiharina indray ny lalàna n° 91-19 tamin'ny 1991 izay ahafahana mivory am-pilaminana rehefa nofoanana ny lalàna amin'ny tay misy sahotaka. Lalàna tena henjana, araka ny nilazan'i Franck La Rue,mpitondra teny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zo amin'ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra, tao anatin'ny tatitry ny iraka nataony ary navoaka tamin'ny volana jona lasa teo. Fa nohamafisin'i Yasmine :

Ny fihisatry ny hafainganam-pandehan'ny aterineto no tena sivana. Nisy andrana sivana roa nandritra ny fiokoana : tsy misy zava-dehibe ho sivanina anefa. Nampiasa hafainganam-pandeha  512 ko ry zalahy…. saingy izany no nampiseho fa natahotra izy ireo.

 

Ampahany amin'ny lahatsoratra voalohany navoakan'i  tamin'ny bilaogy “Les hackers dans la cité arabe”ny 28 janoary 2013. Vakio ihany koa ny lahatsoratra teo aloha  amin'ity andiany ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.