Voatsoka Tao Amin'ny Sina Weibo Ilay Shinoa Mpanoratra Bilaogibitika Malaza

Nofafana tsy ho eo amin'ny tranonkala ny kaonty Sina Weibo an'i Murong Xuecun, iray amin'ny mpanoratra ao Shina anisan'ny malaza indrindra ao amin'ny firenena eo amin'ny fitsikerana ny fanaovana sivana, ka izany famafana izany dia ahiana ho ezaky ny governemanta hanenjika ny siosion-dresaka an-tserasera amin'ny fanaovana ho lasibatra ireo mpiserasera manana ny lazany.

Nesorina tsy ho ao amin'ny rohin'ny (twitter) ny kaontin'i Murong izay manana mpanaraka mihoatra ny 1,1 tapitrisa, tamin'ny 11 mey 2013. Miresaka momba ny olana ara-tsosialy any Shina amin'izao fotoana tahaka ny kolikoly sy ny fanaovana sivana ny media ny lahatsoratra sy ny adi-hevitra ataony amin'ny bolongana bitika.

Maro ireo manombatombana fa ity famonoana kaonty ity dia misy ifandraisana amin'ny tetipanoron'ny governemanta vao haingana hanery lalana ireo kaonty Voamarina sy manana mpanaraka an-tapitrisany ao amin'ilay vohikala-pamahanam-bolongana bitika, tetipanorona fantatra amin'ny anarana hoe “V Be”. Ny antony anenjehana ireo mpisera ireo dia ny faniriana ny hamelezana ny tsaho an-tserasera, araka ny nambaran'ny Sampan-draharaham-panjakana Misahana ny Fampitam-baovaon'ny aterineto tamin'ny 2 Mey 2013, noho ny fihetsiketsehana farany [mg] teo tany Beijing.

Niteraka fanafintohinana teo amin'ny mpanaraka an'i Murong izany fihetsika izany. Maro ireo nanova ny anaran'ny kaontiny ho “Taranaka faharoan'i Murong Xuecun” na “Taranaka fahatelon'i Murong Xuecun” ho fanehoa-panohanana. Nisy vondrona mpankasitraka an'i Murong Xuecun nisongadina ny andron'ny namafàna ny kaontiny ihany, izay nanolotra ny vaovao farany momba an'i Murong. Hoy ilay vondrona mpankasitraka nanoratra [zh]:

Murong Xuecun meets his fans. (A screenshot from youku)

Miresaka momba ny fanapenam-bava efa niainany tany Dalian tamin'ny Jolay 2012 tsy misy ifandraisany tamin'ity tao amin'ny Shina Weibo i Murong Xuecun . (Pikantsary avy amin'ny youku)

禁了一个慕容雪村,会出现千千万万个“慕容雪村”,这就是自由的力量。慕容新号“平原东方朔”。

Tampeno ny Murong Xuecun iray, dia hisy “Murong Xuecun” an'arivony hipoitra. Izany no tanjaky ny Fahafahana. Ny kaonty vaovaon'i Murong dia “Pingyuan Dongfangshuo”.

Nizara ny hafatra taloha efa nalefan'i Murong tamin'ny mpiseran'i Weibo ao amin'ny freeWeibo ny lehiben'ny Google Shina telo aloha Kai-Fu Lee. Ny freeWeibo dia bilaogy iray mitsikaraka mitady ireo votoaty voasivana ao amin'ny Sina Weibo:

李开复:遗体在墙外

Ao ivelan'ny tamboho ny (vatana mangatsiakany).

Wang Yiqing, mpanao gazety iray avy ao amin'ny Hainan Isan'andro, nanome vaovao farany [zh] ny satan'i Murong ao amin'ny Weibo:

刚刚和@慕容雪村 通了个电 话,他声调一如既往平稳,说他在三大门户网站开的微博都被永久封号。好在没有人身危险,也没有放弃抗争。

Vao tafaresaka tam-pinday tamin'i @Murong Xuecun aho. Milamina toy ny mahazatra ny filantom-peony. Nilaza izy fa tena voasakana tokoa ny kaontiny telo ao amin'ny tranonkalam-pamahanam-bolongana bitika telo lehibe nisy azy. Mba tsy voakitikitika aloha izy, tsy mitsahatra ny manohitra izy.

Murong tenany dia mampiasa kaonty Weibo hafa “Pingyuan Dongfangshuo” tsy misy “V” milaza hoe Voamarina hanehoany fankasitrahana ireo mpanaraka azy:

我时常批评那些恶劣的习惯、丑陋的风俗,但这片土地和其上的人们依然可爱,我还没来得及为他们做点什么的,就已经有无数人为我挺身而出。感谢每一位仗义声援的朋友,感谢你们为我所冒的风险、所受的侮辱,无论大V还是小V。那些依然在嘲讽的,我没有理由记恨; 那些伸出热情之手的,我将铭记在心。

Mitsikera matetika ny fahazaran-dratsy sy ny mbola mamohehatra aho, saingy mbola maha-te-ho-tia hatrany ity tany ity sy ny mponina ao aminy. Tsy mbola nanam-potoana hanaovan-javatra ho azy ireo aho dia efa nijoro hiaro ahy ry zareo. Ankasitrahana ireo efa naneho fanohanana, mankatelina anareo amin'ny fahasahiana raisinareo ho ahy sy ny ompa iaretanareo noho ny amiko, tsy maninona na V kely ianareo na V be. Ho an'ireo manesoeso ahy, tsy manana antony hitazona lolompò aminareo aho. Ho an'ireo izay namelatra ny tanany hanampy ahy, horaiketiko ao am-poko ianareo.

Ny mpisera Weibo “Qiji Jianshen Yuqian” nanoratra [zh] fa fahavoazam-be ho an'ny habaka ny famafana ny kaontin'i Murong:

今天有些恍惚,上微博时赫然发现,慕容雪村已被销号。我看过慕容的大多数书籍,对他的微博几乎从不遗漏。在国内,良心和冷静并存的作家并不多,懂法且愿意身体力行的作家就更少了。再见,慕容,我也会离开微博一段时间了,因为,这个世界恍惚了。今夜,请将我遗忘.

Taitra aho androany raha nahita fa nofafana ny kaontin'i Murong Xuecun. Efa namaky ny ankamaroan'ny bokiny aho ary tsy niala tamin'ny bilaoginy bitika mihitsy. Tsy maro ny mpanoratra sady mahatsapa tena no milamina eto amin'ity firenena ity, eny fa na dia amin'ireo manana fahalalana momba ny lalàna aza ka mivonona ny hampihatra azy. Veloma, Murong, handao ny famahanam-bolongana bitika ao anatin'ny fotoana maharitra aho, satria tsy mbola niposahan'ny  mazava ity tontolo ity. Adinoy aho rahalina azafady.

Nilaza ny heviny [zh] eo amin'ny fiantraikany goavana amin'ny fanapenam-bava an'i Murong ity ny mpikaroka mpanampy tao amin'ny New York Times taloha Bao Beibei :

普利策写过,如果将国家比喻成一艘船,记者就是船上的暸望者,可以及时预警前面的急流险滩。不光是记者,我觉得时评员和写社会题材的作家都可以归为暸望者一类。撤下一个暸望者,并不会减少船撞上礁石的可能,只会削弱船上其他人对礁石的警惕性和反应能力。致@慕容雪村

Nanoratra i Pulitzer fa raha ampitoviana amin'ny sambo ny firenena, ny mpanangom-baovao dia ireo mpijery lavitra izay mampitandrina eo noho eo ny zavatra hitany mialoha ny isian'ny zava-tsy ampoizina. Tsy ny mpanangom-baovao ihany, mieritreritra aho fa azo ampidirina ao amin'ity sokajy ity ireo mpanoratra sy mpilaza hevitra eo amin'ny resaka sosialy. Tsy hampihena ny herijika mety hidonan'ny sambo amin'ny sakana mpamaky sambo tsy akory ny fanesorana mpitazan-davitra iray, fa mety hampihena ny andrimaso sy ny fahafaha-misoroka ireo sakana mpamaky sambo ho an'ireo anaty sambo. Ho an'i @Murong Xuecun

“LiWu-Mingri Hulianwang” naneho [zh] ny fahadisoam-panantenany amin'ny bilaogy bitika tsy hahitana an'i Murong:

LiWu-明日互联网: @慕容雪村 阵亡。意味着微博上有真知灼见的博主已经全军覆没,微博对于我个人的价值将大幅降低,而指望微博推进社会进步已经越来越式微。

“Novonoina” i @Murongxuecun, izay midika hoe nohosihosena ny bilaogera manana faharanita-tsaina. Nihena be dia be ny lanjan'ny bilaogy bitika eo anatrehako. Ny nantenaina tamin'ny bilaogy bitika ho fomba hampiroboroboana ny sosialy no nohalefahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.