Hetsiky Ny Mponin'i Shanghai Hanohitra Ny Fananganana Orinasa Manao Bateria Mety Hiteraka Fandotoana

Mponina an-jatony ny mponina no nirotsaka an-dalambe nanavatsava ny moron-tanànan'i Shanghai tamin'ny 11 May 2013 hanoherana orinasam-panaovana bateria lithium, izay manamarika ny fihetsiketseha-panoherana faharoa ao anatin'ny herinandro miresaka amin'izay mety ho fandotoana ny tontolo iainana hitranga.

Tamin'ny fanombohan'ny herinandro ny nitateran'ny [mg] Global Voices hetsika mitovitovy amin'ity tany an-tanànan'i Kunming (andrefana), izay nahitana olona an'arivony nifamory hanoherana ny fananganana fanadiovan'akora shimika izay kasain'ny fitondrana ao an-toerana atsangana.

An'arivony kilometatra any atsinanana miala avy eo, ao amin'ny distrikan'i Songjiang any amin'ny fihaonan-dalana ara-bolan'i Shina ao Shanghai,  nirotsaka ivelan'ny trano miaraka amin'ny sora-baventy eny an-tanana tamin'ny faran'ny herinandro ny mpanao fihetsiketsehana tezitra, ka tanjona iray ihany no ao an-tsaina—hanaisotra izay tetikasam-pananganana orinasa izay mety hamotika ny fiainany

Matahotra ny mponina fa mety hiteraka fandotoan-drivotra amin'ny metaly mavesatra ao amin'ny faritra mpanome rano hosotroina ao an-tanànan'ny 200 tapitrisa ilay orinasa mpamokatra lithium. Residents worry the lithium plant would cause heavy metal pollution in an area that provides much of the drinking water to the city of 20 million.

Ny sary mivezivezy amin'ny tranonkala mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo ny fisian'ny polisy manao fanamiana sy mpanao fihetsiketsehana maro manangana ambony ny totohondriny sy mihiaka teny filamatra.

Residents marched along a street on the outskirts of Shanghai on May11, 2013 to oppose plans for a lithium battery plant. (Image from Sina Weibo)

Mponina manavatsava ny lalana manamorina an'i Shanghai tamin'ny 11 Mey 2013 hanohitra ny fananganana orinasa mpamokatra mpiteraka angovon'aratra vita amin'ny lithium . (sary avy amin'ny Sina Weibo)

Nialoha ny fihetsiektseha-panoherana tamin'ny asabotsy tao Shanghai, dia efa nikofokofoka hatramin'ny faran'ny volana teo ireo mpikatroka an-tserasera, izay efa niteraka hetsika mitsipitipitika tao an-tanàna. Nisy lahatsary Youtube lazaina fa nalaina tamin'ny 1 Mey  2013 nampiseho firohotan'ny polisy maro miezaka ny hanaparitaka ny olona mivory eny an-dalambe. Mpiandraikitra polisy iray mihiaka amin'ny fanamafisam-peo fa “tsy ara-dalàna ny manao fihetsiketsehana”.

Nahasoa ny saranga antonony mihabetsaka ao Shina ny hazakazaka arahin-tosiky ny fisongan'ny harin-karena ao aminy saingy mitsontsorika kosa ny fahasalamam-bahoaka. Nisy fanadihadian'ny Ivotoerana Momba Fiantraikan'ny Fahasalamana sy ireo fikambanana mpiara-miasa maro, izay ahitana ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana (OMS), namoaka fa 1,2 tapitrisa ny fahafatesana lasa aloha tao Shina tamin'ny 2010 mifandraika amin'ny fandotoan-drivotra.

Eo amin'ny olana ara-tontolo iainana izay miharatsy dia ratsy eo amin'ny firena monja, dia miha-avo feo momba ny fandotoana eo amin'ny manodidina azy noho ny firoborobon'ny tambajotra an-tserasera izay ilazany ny alahelony, na dia miverimberina matetika aza ny sivana, ny fahamaroan'ny saranga antonony mahay mikirakira tsara ny aterineto ao Shina.

Midika izany fa indraindray tsy afa-mijery zavatra hafa ny governemanta eo anoloan'ny fanerena mihamahery avy amin'ny vahoaka.

Ho fampitoniana ny hatezeram-bahoaka, namoaka naoty tao amin'ny Weibo ofisialiny ny fiadidiana ny distrikan'i Songjiang tamin'ny 29 Avrily, milaza fa nanapa-kevitra ny hampijanona ny famokarana rehetra ataon'ilay orinasa izy, na dia eo aza ny fanambarana teo aloha fa tsy hokitihana ilay orinasa.

Mbola tsy matoky izany anefa ny mpiserasera maro. Ny sasany mihevitra izany ho tetikady ampiasain'ny governemanta.

“Wojiao Qinshou Buru” avy ao Shanghai nanoratra [zh] izao ao amin'ny Weibo:

 #国轩电池厂#什么叫取消生产环节?真当人傻阿?

#orinasa mpamokatra bateria Guoxuan# Inona ny dikan'izany hoe hanajanona ny famokarana? Heverinareo fa vendrana ve izahay?

“Mimi Dingdong”, izay nifindra nankao Shanghai dimy taona lasa izay, namoaka imasom-bahoaka [zh] ny fahasorenany amin'ny tsy firaharahian'ny governemanta:

 五年前我为了家庭梦来到这里–上海松江,印象里一直认为上海是个国际化城市,公开公正,只要 凭着自己的努力一定可以在这里开始属于自己的美好生活,我努力了,终于实现在上海买一套属于自己的房子,可是天意弄人,房子还没交,得知松江引进了国轩, 看着老老小小的民众奔走,政府却无动于衷,特失望!

Tonga teto aho dimy taona lasa izay noho ny nofinofin'ny fianakaviana — Songjiang eto Shanghai, eo amin'ny fijeriko i Shanghai dia tanàna iraisampirenena fantatra amin'ny fahitsiany sy ny rariny, sy ny vahoaka miasa mafy, ho tsara ny fiainan'izy ireo, niasa mafy aho, nividy efi-trano eto Shanghai aho, saingy mampalahelo izahay nahare momba ny tetikasa Guoxuan, na dia tsy mbola manana efitrano aza izahay. Antitra sy tanora eny an-dalambe, saingy amin'ny maso jamba no itodihan'ny governemanta, diso fanantenana tanteraka aho!

“C Zongzhuang Huoxing” nitantara [zh] izay mitranga eny an-kianjan'ny fihetsiketsehana:

 “国轩滚蛋,还我绿色松江”今天的松江中山路有数千人在呐喊。真不知道区政府和市政府的领导们听到有何感想。把这么一个毒的厂弄到上海,这是对上海千千万万人民于不顾。这要影响上海几代儿孙啊!

“Guoxuan miala eto, avereno amiko ny tontolo maitson'i Songjiang” hoy ny hiakan'ny olona an'arivony nanavatsava ny lalana Zhongshan ao Songjiang, tsy fantatro hoe ahoana ny havalin'ny fiadidiana ny distrika sy ny tanàna rehefa mahare izany ry zareo. Ny fananganana orinasa mitondra poizina eto Shanghai dia famelezana ny tombontsoan'ny vahoaka an-tapitrisa eto Shanghai. Mety hisy fiantraikany ho an'ny taranaky ny zafikelintsika izany!

“Gigi Xiaoxiniu” niantso [zh] fikatrohana maro kokoa avy amin'ny olo-pirenena ao Shanghai tsirairay:

大家转起来,国轩滚出上海,滚出松江!

Aelezo (zarao) azafady, ny rehetra, Guoxuan mialà eto Shanghai, mialà eto Songjiang!

“Nununi” nikasika [zh] ny tantaram-pianakaviana ho anton'ny hihetsehany ao amin'ny faritra :

这是我曾祖母和曾外婆小时候生长的地方,经历改朝换代历史冲刷,依旧宁静美丽。我要捍卫它,尽我的绵薄之力! 作为土生土长的松江人,大家团结起来,抵制污染,让任何有潜在污染的企业从这片净土上滚出去! ——回应今天看到的松江区关于国轩电池厂的新闻发布

Teto no nandanian'ny raibeko sy ny renibeko ny fahazazany, nandalo ny fotoana saingy mbola mitoetra hatrany ny hatsarany sy ny filaminany (fitoniany). Tsy maintsy manao izay tratry ny heriko aho hiarovana izany! Tahaka ny mponin'i Songjiang, mila miray hina isika, ary hanao fahirano ny fandotoana, tsy maintsy mandroaka ny orinasa mety ho mpandoto isika!—Valinteniko amin'ny vaovao tselatry ny orinasa mpamokatra bateria Guoxuan eto amin'ny distrikan'i Songjiang androany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.