‘Tsunami Malayziana’ Manohitra Ireo Tsi-Fetezan'ny Fifidianana

An'aliny ireo olona tao Malaizia no nifamory tao amin'ny kianjaben'i Kelana Jaya izay akaikin'ny renivohi-pirenena tamin'ny 8 mey 2013 hanohitra ny vokatra navoaka farany nandritra ny fifidianana ankapobe faha-13. Nahazo ny 51 isan-jaton'ny vatom-bahoaka ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Pakatan Rakyat saingy toerana 89 ihany no azony raha nahazo toerana 133 kosa ny fiaraha-mientan'ireo efa eo amin'ny fitantanana Barisan Nasional (BN).

Noho ny fandreseny, ny BN amin'izao fotoana izao no ‘mandatehezana voafidim-bahoaka ela nitondrana indrindra manerantany’ izay tonga teo amin'ny fitondrana hatramin'ny taompolon'ny 1950. Saingy, nizaka ny faharesena ratsy indrindra izy hatramin'ny 1969.

Ny tati-baovao no manombana fa tokotokony ho anelanelan'ny 50.000 ka hatramin'ny 60.000 eo ho eo ny tongoron'olona tao anatin'ny kianjaben'i Kelana Jaya. Saingy nitatitra ny Malaysiakini fa mihoatra ny 120.000 ny olona nitanjozotra ho any amin'ilay hetsi-panoherana, raha isaina ihany koa ireo olona tsy tafiditra tao amin'ny kianjabe:

Including those caught in traffic jams all around Petaling Jaya, the crowd is estimated at 120,000 – making it one of the biggest rallies in recent times

Despite the drizzle, the crowd is still trickling into the stadium. Cars have been parked as far as 2km away and the party doesn't seem to end anytime soon for supporters.

Raha ampidirina ireo tratran'ny fitohanan'ny fifamoivoizana nanodidina ny Petaling Jaya, dia tombanana ho 120.000 ny isan'ireo olona nitangorona – mametraka azy ho anisan'ny fihetsiektsehana be olona indrindra tao ho ao

Na teo aza ny erikerika, mbola nikoriana [nitanjozotra] nankany amin'ny kianajbe hatrany ny olona. Natoby hatrany amin'ny 2km manodidina ny fiara ary tahaka ny tsy hifarana izany mihitsy ny fotoana ho an'ireo mpanohana tonga.

Tens of thousands gather in Malaysia to protest the results of the General Elections. Photo by Ramon Fadli, Copyright @Demotix (5/8/2013)

Olona an'aliny tafavory tao Malaizia hanohitra ny voka-pifidianana ankapobeny. Saripikan'i Ramon Fadli, Copyright @Demotix (5/8/2013)

Izao no hitan'i Genevieve Nunis tao amin'ny hetsika:

The stadium was filled with Malaysians who disagreed with the results on the 13th General Election, and they made sure the leaders understood them by shouting ‘Reformasi’ (reformation) and ‘Ubah’ (change). The crowd, all dressed in black rallied for a free and fair elections

This is truly the act of patriotism. These are Malaysians who do in fact love their country and yearn for a brighter future in Malaysia. Could it be an overwhelming feeling? It just might, but the beautiful part about it all is that everyone is putting their differences aside, and fighting together for their country as one.

Hipok'ireo Malaiziana tsy manaiky ny voka-pifidianana ankapobeny faha-13 ny kianjabe, ary nataon'izy ireo izay hahafantaran'ny mpitarika izany tamin'ny alalan'ny fiantsoantsoana hoe ‘Reformasi’ (fihavaozana) sy ‘Ubah’ (fiovana). Nifamory hisian'ny fifidianana malalaka sy ara-drariny ireo tangoron'olona izay miakanjo mainty avokoa

Tena fitiavan-tanindrazana tokoa izao. Misy tokoa ny Malaiziana tia ny fireneny ary maniry hoavy mamirapiratra ao Malaizia. Mety ho fanatsapana mahahenika ny rehetra ve izany? mety ho izay, saingy ny zavatra mahafinaritra dia manadino ny tsy fitovia-keviny ny rehetra, ka miara-mitolona ho an'ny fireneny tahaka ny olona iray.

A protester holds up an "anonymous" mask during an opposition coalition rally. Photo by Hafzi Mohamed, Copyright @Demotix (5/8/2013)

Mpanao fihetsiketsehana iray mitazona sarontava “anonymous” nandritra ny fihaonamben'ny mpanohitra. Saripikan'i Hafzi Mohamed, Copyright @Demotix (5/8/2013)

Ny marika fifankafantarana Twitter #black505 sy #kelanajaya no nampiasaina hanangona-kevitra sy sy ifampizarana vaovao farany momba ny fihetsiketsehana. Indreto ny sioka nisongadina sasantsasany:

@JustinTWJ I may not be physically at Kelana Jaya stadium now but my heart and mind is there. #black505

@JustinTWJ mety hoe tsy any amin'ny kianjan'i Kelana Jaya ny vatako fa ny foko sy ny saiko kosa any. #black505

@AD___AM Look at all the irrelevant and ungrateful people who showed up at Kelana Jaya yesterday.

@AD___AM Jereo ireo olona diso toerana sy tsy mahay mankasitraka tonga tao Kelana Jaya omaly.

@critic4good The #black505 rally ended, but the spirit to fight for a better Malaysia still growing strong. You guys are awesome!

@critic4good Nifarana ny #black505, saingy mbola hihamatanjaka hatrany ny fahavononana hiady ho amin'i Malaizia tsara kokoa. Mahery ianareo ry zalahy!

@sueannajoe I see people of all races walking by wearing black in unison. I see unity, I see hope, I see love for the nation. #black505

@sueannajoe mahita ny olona avy amin'ny foko rehetra miakanjo mainty miray hina aho. Mahita fivondronana, mahita fanantenana, mahita fitiavana ho an'ny firenena aho. #black505

@Supernoves Was overwhelmed and proud of the turnout at #kelanajaya stadium last night. Our voice can never be silenced anymore. That's how it should be

@Supernoves dia heni-pifaliana sy afa-mirehareha tamin'ny fizotran'ny zava-nitranga tao #kelanajaya halina teo. Tsy azo ampanginina intsony ny feonay. Izany no tokony ho izy

Nampitandrina ny governemanta fa mety hampangaina ho manao fiokoana ny nandray fitenenana sasantsasany. Nanambara ny mpanohitra fa mbola hisy ny famoriam-bahoaka hafa.

ireto lahatsary nampiakarina tao amin'ny YouTube ireto mampiseho ireo olona tafavory tao amin'ny kianjabe:

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=clLlqgKKBtA

Nanonona ny herim-bahoaka tany Philippines tamin'ny 1986 i Terence Netto raha nidina an-dalambe ny Filipinos ka nioko ny miaramila ho fanoherana ny hala-bato nataon'ny fitondrana:

It is hoped there will be no need of the intervention of personnel in the uniformed units here to assist one side or the other in the dramas to come over the widespread suspicion that the results of GE13 are tainted beyond repair.

Antenaina fa tsy ilaina ny fidirana an-tsehatr'ireo mpanao fanamiana hanampy tosika ny andaniny na ny ankilany eto amin'ity fifampiahiahiana avy amin'ny voka-pifidianana ankapobeny faha-13 ity.

Tondroin'ny Praiminisitra Najib Razak ho avy amin'ny fanohanan'ny mpifidy Shinoa ny fiakaran'ny vato azon'ny mpanohitra. Nantsoiny ho “Tsunami shinoa” moa izany. nitsikera an'i Najib ny mpanoratra taratasy iray milaza ny tenany ho Olo-Pirenena Diso Fanantenana:

Our dear prime minister made a comment about the Chinese voting community which broke my heart…I felt that it was rather insensitive of him.

And now to refer to a portion of the people as a “tsunami” that may be dangerous for the nation simply because they voted for the opposition seems to me to be a rather petty and immature tactic.

Nilaza ny heviny momba ny safidim-baton'ny vondro-piarahamonina shinoa, izay namaky ny foko, ny praiminisitsika… Mahatsapa aho fa toy ny olona tsy mandeha rà ny nataony.

Ary ankehitriny mety hampidi-doza ho an'ny firenena ny fanondroana vondron'olona ho “tsunami” satria hoe nifidy ny mpanohitra izy ireo ary heveriko ho fahakelezan-tsaina sy tsy fahamatorana eo amin'ny teti-panorona.

Saingy marina ve ny fomba fanadihadian'i Najib? Misisika ny mpampianatra oniversite fa ny fahaverezam-baton'ny mpitondra dia avy amin'ny nifidianan'ny ankamaroan'ny tambonivohitra ny mpanohitra. Lazain'ny sasany ho ‘tsunami tambonivohitra’‘’ na ‘tsunami Malay’ izany.

Mandahatra ny lisitry ny fanavaozan-drafitra ilaina ho raisina andraikitra i Gertrude Pereira :

If it is serious about reconciliation and healing, then be magnanimous. Clean up the electoral roll, reform postal balloting, provide free and fair access to the media, clearly indicate that the next elections will be on a level playing field and call for GE14 earlier rather than later. And keep it clean.

Raha tena hiditra amin'ny fampihavanana sy ny fifamelana, dia aoka hisoka-tsaina. Diovy ny lisitry ny mpifidy, havaozy ny fahafaha-mifidin'ireo ivelan'ny tanindrazana, avelao halalaka sy ho ara-drariny ny fahazoana miditra amin'ny media, tondroy mazava tsara fa eny amin'ny ambaratongan'ny kianja filalaovana no hanaovana ny fifidianana manaraka ary ataovy alohaloha kokoa fa tsy taratara ny fifidianana ankapobe faha-14. Ary tandrovy izany hadio.

Mandresy lahatra i Ramesh Rajaratnam fa ny fomba fifidianana no efa lany daty (hafahafa):

Without a concerted effort from our MPs to make our country fairer by insisting on equitable representation in Parliament, it will indeed be very difficult for Najib to ask for national reconciliation when the very premise of his assertion was fundamentally flawed.

If you don't know what's broken, how can you fix it?

Raha tsy misy ny fiaraha-miezaka ataon'ny depiotentsika hisian'ny rariny kokoa eto amin'ny firenentsika amin'ny alalan'ny fikirizana hisian'ny fisoloambava tsy miangatra ao amin'ny Antenimiera, dia tena ho sarotra dia sarotra ho an'i Najib ny mangataka fifampihavanana raha efa lany daty tanteraka ny fototra ifaharan'ny teniny.

Raha tsy fantatrao izay vaky, ahoana no ahaizanao mametaka manambatra azy?

Dr. Syed Muhd Khairudin Aljunied manambara ny fisandratan'ny taranaka vaovaon’ny mpifidy Malay:

GE13 has laid bare the end of money politics and made it plainly obvious that the days of old school racial politics are numbered. The new breed of Malays have their eyes now set on cosmopolitan leaders, regardless of which party they are from, leaders whose forebears have had Malay interests in mind and, above and beyond that, the interests of all Malaysians at heart.

Efa nametraka ny fetra faran'ny politikan'ny vola ny GE13 ary naharihariny fa efa voaisa ny sisa andron'ny sekoly antitry ny politikam-poko. Efa mitodika any amin'ireo mpitarika manana fijery misokatra amin'ny fifampikasokasohan'ny foko sy volonkoditra samihafa, tsy ijerena ny antoko politika niaviany, mpitarika mametraka ny tombontsoan'ny Malay, ary ambonin'izany rehetra izany ny tombontsoan'ny Malaiziana rehetra ao am-pony ireo taranaka Malay vaovao.

Manohitra ny fanapaha-kevitry ny mpanohitra hanao fihetsiketseha-panoherana i Just Read! :

Whether there were flaws or not during the just concluded 13th general election, it was a good start to a ‘clean and free’ election in the country; and with due respect Datuk Seri Anwar Ibrahim, please accept the decision of the voters!

Be a true gentleman, be a good Opposition Leader and take your team on the right and proper function as a constructive opposition rather than mocking at each and very policy the government introduced.

Na nisy hafahafa (lany andro) na tsia ny fifidianana ankapobe faha-13 vao vita teo, efa fiaingana tsara ho amin'ny fifidianana ‘madio sy malalaka’ eto amin'ny firenena iny; ary amin'ny fanajana an'i Datuk Seri Anwar Ibrahim, miangavy mba ekeo ny fanapaha-kevitry ny mpifidy!

Aoka mba tena ho lehilahy mana-kaja, manaova ho mpitarika tsaran'ny mpanohitra ary ento tsara hanao ny asa maha-mpanohitra sady mpanorina azy ny ekipanao fa tsy hifanivaiva amin'ny ankilany sy hifanditra ara-politika amin'ny governemanta nampidirina.

Mieritreritra toy izany ihany koa momba ny mpitarika ny mpanohitra i tunku :

He may not be good at winning elections, but Datuk Seri Anwar Ibrahim is very good at whipping up his crowds of supporters and trying to persuade the world that he is a victim of injustice

Mety ho tsy mahay mandresy izy amin'ny fifidianana, saingy hain'i Datuk Seri Anwar Ibrahim tsara ny manentana ny mpanohana azy sy mandresy lahatra an'izao tontolo izao fa lasibatry ny tsy rariny izy

Amin'ny alalan'ny teny fifankafantarana #mywant, ny Malaiziana sasany no miantso firaisampirenena  sy firindrana :

@jazlinhussin #mywant is for Malaysians to stop asking for re-election. It was fair so deal with it. Lets build a better Malaysia.

#tiako ho an'ny Malaiziana mampitsahatra ny fitakiana fifidianana indray. Tena marindanja tsara ka atreho. Andao hanangana Malaizia tsara kokoa

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.