Nampisinda Vetivety ny Tsy Fitovian-kevitra Ara-politika Ao Pakistan Ny Ratra Nahazo An'i Imran Khan

Mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amin'ny kibay) manana ny lazany, niofo ho mpanao politika i Imran Khan, nahasarika tanora marobe sy mpifidy avy ao andrenivohitra ny fampielezan-keviny mampanantena “Pakistana Vaovao” tamin'ny famoriam-bahoaka nokarakarainy ho entina hiatrehana ireo fifidianana ankapobeny ao amin'ny firenena, saingy fotoana fohy alohan'ny hanaovany kabary, nianjera 15 metatra avy eny amiin'ny kalesy mpampakatra izy ka tapaka telo ny vanin-taolany sy ny taolan-tehezany .

Nentina haingana tany amin'ny hopitaly Shaukat Khanum Memorial i Khan, izay tonga nanatrika ny famoriam-bahoaka tao an-tanànan'i Lahore. Ora fohy taorian'ny nampidirana azy hopitaly, nahatsiaro tena izy ary afaka nanao kabary politika mahery vaika tamin'ireo mpanao gazety tonga nitsidika azy.

Andro vitsy taorian'ny fifidianana nampifanditra vao haingana tao amin'ny firenena tamin'ny 11 Mey 2013, nitranga izao loza nahazo an'i Khan izao tamin'ny ora farany amin'ny fampielezan-kevitra. Izy no lehiben'ny antoko Pakistan Tehreek-e-Insaf (PTI, Hetsiky ny Pakistan ho an'ny Fahamarinana), antoko vaovao izay ho mpifanandrina matotra ho an'ny vahoaka mandritra ireo fifidianana hoavy.

Saingy ny tena mahaliana dia nampisinda ny olana ara-politika mahery vaika mampizarazara ao amin'ny firenena ity loza ity, satria nanadino ny tsy fitovizan-kevitra ireo mpifanandrina politika, tsikera, sy mpanohitra ary nirary fahasalamana ho an'i Khan.

 

the incident

Imran Khan nianjera teo amin'ny lampihazo.
Sary avy amin'ny PTI UK pejy Facebook

Nosoloina ity loza ity avokoa ireo lohatenim-baovao hafa tamin'ny fahitalavitra ary tsy niandry ela ihany koa ny tao amin'ny media sosialy nampahafantatra ny tranga. Nandray fitenenana ho firarian-tsoa sy fahasalamana ho an'i Imran Khan ireo olona avy amin'ny firehana ara-politika isan-karazany, manomboka amin'ireo mpifanandrina goavana aminy, Nawaz Sharif sy Shahbaz Sharif, hatramin'ireo olo-malaza manerantany tahaka an'i Brin Lara.

Mpilalao “cricket” Brian Lara (@BrianLara) nisioka tamin'ny kaontiny tamin'ny 8 Mey 2013:

@BrianLara: Naratra nandritra ny famoriam-bahoaka i Imran Khan, nianjera teny amin'ny lampihazo izy… Tsy dia atahorana ny toe-pahasalamany Misaotra an'Andriamanitra!! Mirary fahasalamana haingana ho anao ry lehilahy mahery fo. Tohizo ny tolona amin'izay tianao ahatongavana.

Lehiben'ny Ligy Miozolomana Pakistaney Nawaz (PML-N) i Shahbaz Sharif nanoratra tao amin'ny pejy facebook-ny:

Vao avy nitsidika an'i Imran Khan tany amin'ny hopitaly ary nampita azy ireo firariantsoa avy amin'i Mian Nawaz Sharif… Alhumdulillah, mirary fahasalamana mashaaAllah… Vavaka ho azy sy ny fianakaviany!!!

Naneho fihetseham-po tahaka izany ihany koa i Maryam Nawaz Sharif (@MaryamNSharif), zanaka vavin'ny lehiben'ny PML-N, Nawaz Sharif:

@MaryamNSharif: Nandre ny vaovao mampalahelo nandritra ny fampielezan-kevitra. Vavaka sy firarian-tsoa ary fahasalamana ho an'i Imran Khan Sahib.

Imran Khan has been injured after a fall at a political rally in Lahore. The aftermath of his accident attracted strong sympathy from around the world with hundreds of people gathering outside the Shaukat Khanum Hospital where he was being treated. Image by Saad Sarfraz Sheikh. Copyright Demotix (8/5/2013)

Olona an-jatony no tonga nitangorona tao ivelan'ny hopitaly Shaukat Khanum izay itsaboana an'i Imran Khan. Sary avy amin'i Saad Sarfraz Sheikh. Copyright Demotix (8/5/2013)

Hoy ny Dr. Tahirul-Qadri (@TahirulQadri), izay nitarika vahoaka marobe sesehena hanohitra ny governemanta ankehitriny ao amin'ny Antokom-bahoaka Pakistan (PPP) nilaza:

@TahirulQadri: Miray fo sy saina tanteraka ho an'ny filohan'ny PTI, Imran Khan mba ho sitrana haingana izy. Hivavaka ho an'ny fahasalamany aho.

Rehman Malik (@SenRehmanMalik), minisitry ny atitany teo aloha tamin'ny governemanta PPP ankehitriny, nisioka hoe:

@SenRehmanMalik: Hivavaka aho mba ho salama haingana i Imran Khan. Hitahy azy anie Allah mba ho salama haingana izy.

Tao Punjab, nifamaly tsy an-kitsitsy ara-politika tamin'ny Ligin'ny Miozolomana Pakistana (PML-N) ny antokon'i Khan. Na dia teo aza anefa izany, mbola naneho ny alahelony noho ny loza niseho ny lehiben'ny PML-N, Nawaz Sharif ary nanapa-kevitra tsy hanao fampielezan-kevitra iray andro, ho fanehoana firaisankina amin'i Khan.

Maro ireo nilaza fa nampiray ny firenena mizarazara ny loza nahazo an'i Khan. Nanoratra i Hammad Siddiqui (@hammads) fa mampiseho ny loza fa efa matotra ireo mpanao politika Pakistaney:

@hammads: Altaf Bhai no voalohany nampihemotra ny kabariny ary nivavaka ho an'i Imran Khan -Narahin'ny NS avy eo, mampiseho fahamatorana ara-politika izany #GetwellSoonIK

Niteraka firaisam-po sy fanohanana marobe ny antoko politikan'i Khan ny loza nahazo azy, maro ireo nilaza fa mety hivadika ho fitiavana sy fanohanana ny antokony ny loza niseho. Hassan Belal Zaidi (@mightyobvious_), mpanoro hevitra media, nanatontosa lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Nianjera ho Fitahiana (Fall to Grace)” tao amin'ny Pak Votes. Hoy i Zaidi nanoratra:

Ny marina dia, mety i Imran no handresy amin'ity indray mitoraka ity. Efa henoko sahady amin'ny halavirana an'arivony ny fandresen'ity mpilalao cricket ity. Angamba fandresena mafonja, fa tsy faharesena, ho an'ny antoko vao manomboka, tena fandresena mihitsy no ho azony. Mino fotsiny aho fa (ialàna tsiny ny kilalaon-teny) antso fanaraina ilain'ny maro eto amin'ny firenentsika ny dòna nahazo no lohany. Tsy manohana ny antokony Pakistan Tehreek-e-Insaaf aho, na hifidy azy. Saingy mirary ny antokony sy ny lehibeny aho mba hahomby amin'izay ataony.

Raha maro ireo mitsikera ny firehana ankavanana ataon'i Imran Khan, nanasongadina indray ny fianjerany fa nanetsi-po ara-politika ny firenena i Khan, indrindra ny tanora. Na inona na inona nolazaina sy efa vita, fanovana tsara amin'ny fisokafan'ny demokrasia ny fanentanana tahaka izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.