Fipoahana Etona Fandrehitra Nahafatesana 19 Farafahakeliny tao Meksika

Nahafatesana olona 19 sy naharatrana olona 36 farafahakeliny ny fipoahana fitoerana gazy iray araka ny tatitra farany. Ny maraimben'ny 7 mey 2013 no nitrangan'izany fipoahana izany tao Ecatepec de Morelos County (Fanjakan'i Mexico).

Ao anatin'ny faritra midadasik'i Mexico i Ecatepec.

Ny gazety meksikana El Universal [es], ao amin'ny aterineto, no iray amin'ireo sehatra voalohany nilaza ny vaovao mafana:

Una pipa que al parecer transportaba gas explotó la madrugada de hoy en el perímetro de la comunidad de San Pedro Xalostoc, lo que provocó un número indeterminado de heridos y muertos así como el incendio de varios vehículos a la redonda, informó Protección Civil Municipal de Ecatepec.

El secretario de Seguridad Ciudadana del Estado de México, Salvador Neme Sastré, informó que hasta el momento el saldo (es) de 13 personas fallecidas y 13 lesionadas, así como 15 vehículos afectados y 20 domicilios que presentan diversos daños.

Kamiaobe iray mitondra izay heverina ho gazy no nipoaka tamin'ity maraina ity teo amin'ny manodidina ny vondro-piarahamonin'i San Pedro Xalostoc community, izay niteraka faharatrana sy fahafatesan'olona tsy voafaritra sy niteraka firehetana fiara maro, hoy ny tatitry ny fiarovana sivilin'ny vaki-paritr'i Ecatepec.

Nanambara ny Sekreteram-panjakana misahana ny fiarovana ny olo-pirenena, Salvador Neme Sastré, fa hatramin'izao dia oloa 13 no maty ary 13 ny maratra, ary 15 ny fiara sy 20 ny trano potika.

Milenio [es] ao amin'ny aterineto no mitatitra ny anton'ny loza:

Foto compartida por @NoticiasMVS en Twitter

Picture shared by @NoticiasMVS on Twitter

El incidente ocurrió debido a que uno de los tanques de gas de la pipa, que era de doble remolque, se desprendió del vehículo, lo que generó el estallido y después el incendio.

Bomberos de Ecatepec reportaron afectaciones en inmuebles aledaños por el fuego y la onda expansiva, además que de que se registraron al menos otras dos explosiones de tanques estacionarios de las casas que se incendiaron.

Nitranga ny loza satria indroa noho ny haben'ny remôrka ny haben'ilay fitoerana gazy; tafala tamin'ny toerany izany ka nipoaka, ary vokatr'izany dia niteraka afo.

Nilaza ny mpamonjy voinan'i Ecatepec fa ravan'ny afo sy ny onjan'ny fipoahana ny fanorenana lehibe teo amin'ny manodidina. Indroa ihany koa no nisy fipoahana avy tamin'ilay fitoerana gazy (entona fandrehitra) akaikin'ny trano maromaro.

Nampafantatra ihany koa ny bilaogy Sopitas [es] fa efa notazonin'ny manampahefana (vonjimaika) ilay tompon'andraikitra tamin'ity loza ity:

Ya han detenido al chofer de la pipa, está hospitalizado en el Hospital Magdalena de las Salinas, su nombre es Omar Díaz Olivares. La empresa de la pipa es Termo Gas. Ya se contabilizan 18 muertos, 40 heridos 23 domicilios afectados y 15 vehículos calcinados.

Voasambotra ny saoferan'ilay kamiao ary any amin'ny Hopitaly Magdalena de las Salinas izy. Omar Días Olivares ny anarany. Ny anaran'ny orinasa tompon'ny fantsona dia Termo Gas. Efa olona 18 no maty, 40 no naratra, 23 ny trano ary 15 ny fiara potika.

Ao amin'ny kaontiny Twitter ny Sekreteram-panjakana misahana ny fiarovana ny olo-pirenena, Salvador Neme (@NemeSSC) [es], no manome ny isa farany vokatry ny loza:

@NemeSSC: La cifra que se actualiza es de 18 personas fallecidas y 36 lesionados por la emergencia que se presentó en Ecatepec.

@NemeSSC: Ny tarehimarika amin'izao fotoana amin'izay nitranga tany Ecatepec dia 18 ny olona maty, 36 ny naratra.

Jenaro Villamil (@jenarovillamil) [es], bilaogera sady mpanao gazety, nanararaotra ny hampahatsiahy ny rehetra fa eny an-dalana ho any Vatikana ny governoram-panjakana, Eruviel Ávila:

@jenarovillamil: Fallecen 18 personas, 36 están heridas, 13 graves, ante la explosión en la carretera México-Pachuca, en Ecatepec. Y Eruviel en El Vaticano.

@jenarovillamil: olona 18 maty, 36 naratra, 13 tena voa mafy taorian'ny fipoahana teny amin'ny lalamben'i México-Pachuca, tany Ecatepec. Ary any Vatikana i Eruviel.

Nankasitraka voalohany ireo nanampy izay tsy afa-niantso vonjy ny mpisera AdryBird (@adyvalencya) [es]:

@adyvalencia: Mi reconocimiento a los paramédicos que rescataron, ayudaron y auxiliaron a los perros quemados en la explosión de Ecatepec

@adyvalencia: Mamelà ahy hankasitraka ireo mpitsabo mpanampy izany namonjy, nanampy ary nanadio ny ferin'ireo alika may tamin'ny fipoahana tao Ecatepec

Federico Muñoz J. (@fmunozj) [es] niteny izao manaraka izao:

@fmunozj: Terrible lo que pasó en Ecatepec. Las imágenes lo dicen todo.

@fmunozj: Mampihoronkoditra ny nitranta tany Ecatepec. Mahalaza azy manontolo ny sary.

Ary satria moa efa mahazatra ny Meksikana, dia misy ireo sasany miaingitraingitra ka manimbazimba ireo tratran'ny voina, tahaka an'i Ana (@AnaFloresJ) [es] izay nanondrotondro (araka ny fijeriny) ireo maty:

@AnaFloresJ: 13 muertos en Ecatepec:

-3 albañiles.

-4 chóferes de combi. [operadores de unidades de transporte público]

-2 boleros. [personas que asean el calzado]

-1 viene-viene [acomodadores de automóviles en vía pública]

-3 asaltantes

@AnaFloresJ: 13 ny olona maty tao Ecatepec:

- 3 mpandrafitra.

- 4 saofera fiara fitateram-bahoaka.

- 2 mpamafa kiraro

- 1 mpanampy ny mpiandry fiara miatsona

- 3 mpangalatra

Ecatepec dia miorina amin'ny tanàna be mponina izay tsy manana ny fikarakarana fototra ampy; San Pedro Xalostoc (izay nisy ny loza) dia iray amin'ireo tanàna valo izay mandrafitra ny vaki-paritra araka ny hita ao amin'ny Wikipedia, ahitana ireo olona maro very trano nandritra ny fihovitry ny tany tamin'ny taona 1985 io tanàna io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.