LAHATSARY: Famoretan'ny Polisy Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tamin'ny 1 Mey

Olo-tsotra 25 sy polisy 22 no naratra nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy Tiorka sy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 1 Mey tao Istanbul, lehilahy iray no voalaza fa jamba ny masony ilany satria tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ary tovovavy iray 17 taona kosa naratra teo amin'ny lohany ka nahatonga azy tsy nahatsiaro tena nandritra ny fotoana maharitra.

Vahoaka an'arivony no tonga nanao fihetsiketsehana tao an-tanàn-dehibe, kianjan'i Taksim tamin'ny 1 Mey 2013, toera-manatantara nitifiran'ireo lehilahy mitam-piadiana ireo vahoaka marobe nandritra ny Fihetsiketsehana 1 Mey tamin'ny taona 1977, izay namoizan'ain'olona 42. Tamin'ity taona ity, voaràran'ny governemanta izay fihetsiketsehana sy fankalazana ny Andro Irasaim-pirenena ho an'ny Mpiasa atao ao amin'ny kianja, ho fiarovana ny fanamboarana izay atao ao akaikin'ny faritra.

Nitifitra tafondro-drano sy baomba mandatsa-dranomaso ny polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana izay namaly tamin'ny alalan'ny tora-bato sy “cocktail Molotov”. Mpanao fihetsiketehana 62 no voasambotra tamin'izany.

Voatsikera mafy ny toe-draharaha. Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny lehiben'ny antoko mpanohitra Tiorka Gürsel Tekin fa tonga hatrany an-tranon'olona, hopitaly sy tany anaty fiara mpitondra marary (ambulance) ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso nataon'ny polisy.

Hürriyet, gazety Tiorka, namoaka lahatsary [tr] tao amin'ny habakany, izay ahitana ny herisetra ataon'ireo polisy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana:

Na dia izany aza, niampanga ireo mpanao fihetsiketsehana ny manampahefan'ny governemanta fa mpikambana amin'ny vondrona mpanakorontana izy ireo, izay nitora-bato sy “cocktail Molotov” tamin'ireo polisy, ka nahatonga ity farany nitifitra baomba mandatsa-dranomaso ho setrin'izany. Hurriyet [tr], gazety Tiorka nizara ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sasany nanafika ireo mpitandro ny filaminana :


Araka ny filazan'ny nationalturk.com, nizara be ihany ny hevitra momba ireo mpanao fihetsiketsehana, misy ny olona sasany tsy mankasitraka ny fanimban-javatra sy fanafihana ireo polisy, ary ny sasany nitabataba tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana hoe “miàla any, tsy mandray anareo izahay”.

Tao amin'ny Twitter, tezitra tamin'ireo mpanao fihetsihetsehana i Murathan Ceylan (@MurathanCyln):

@MurathanCyln Sizin amaciniz 1 Mayis ı mi kutlamak yoksa polise tas ve molotof atip dukkanlari yakip yikmak mi ?!

Inona no tanjonareo, ny hankalaza ny 1 Mey sa hitora-bato sy Molotov amin'ireo polisy sy magazay?

Mpanao gazety Serdar Arseven (@sarseven) nitsikera toy izao:

@sarseven Vay namussuzlar, can güvenliklerini sağlayan polisin canına kast ettiler!.. Vatan hainleri!..

Ianareo vahoaka tsy mendrika. Namono ireo polisy izay niezaka niaro azy izy ireo! Adala!

Voatifitry ny baomba mandatsa-dranomaso i Dilan Alp [tr], mpanao fihetsiketsehana 17 taona ary tsy nahatsiaro tena nandritra ny fotoana maharitra. Efa nifoha izy izao ary efa mihatsara ny toe-pahasalamany.

Na dia nilaza aza ny sampan'ny polisy [en] tamin'ny fanambarany fa nianjera tamin'ny tohatra no nahavoa ity tovovavy ity, ary antsoin'ny governoran'i Istanbul, Hüseyin Avni Mutlu, ho mpiara-dia sy mpikambana amin'ny vondrona “marzinaly” i Alp, tantara mifanohitra amin'izany kosa no asehon'ny lahatsary nandritra ny fifandonana. Ity lahatsary [tr] nandritra izany:

Ireo fihetseham-po tao amin'ny media sosialy manoloana ny ratra nahazo azy.

Mpisera Twitter Berxwedan Yaruk (@BerxwedanYARUK) nitsikera am-piesoesoana ny zava-nitranga:

@BerxwedanYARUK Lise öğrencisi Dilan Alp başından gaz bombası ile vurulmuş.Gerçi işçi değil o değil mi? Taksim'e de gitmek istemiş. Öldürülmesi çok normal.

Voatifitry ny baomba mandatsa-dranomaso i Dilan Alp, mpianatra amin'ny sekoly ambony. Eny, mpiasa izy sa tsia? Te hamonjy ny fihetsiketsehana tao Taksim fotsiny izy. Koa rariny raha voavono izy.

Nitsidika an'i Alp tany amin'ny hopitaly i Sebahat Tuncel (@tuncelsebahat) ao amin'ny Antokon'ny Filaminana sy ny Demokrasia (BDP) kongresim-behivavy. Nilaza izy fa mpiasan'ny orinasa afakaba “Hey Textile” teo aloha ny rain'ity tovovavy ity, orinasa lehibe tsy nihodina intsony tamin'ity taona ity ary nanao fitokonana [tr] ireo mpiasa taloha tao:

@tuncelsebahat Gaz bombasiyla yaralanan Dilan'in kafa tasında ve çenesinde çoklu kırık var.Babasi hey tekstil direnişçisi.Babasi ile bayram kutlamaya gelmş

Nisy taolana tapaka tao amin'ny loha sy saokan'i Dilan, vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso nahavoa ny lohany. Mpiasa tao amin'ny ey Textile ny rainy. Tonga hankalaza ny fetin'ny mpiasa niaraka tamin'ny rainy izy.

Mpisera Twitter Hukukcu Themisler (@themisler) miampanga ny governemanta lasa miaro kokoa ny tetikasa eo am-pananganana fanorenana eo amin'ny kianja Taksim fa tsy ny vahoakany:

@themisler 40 bin polis ile Taksim'deki inşaat alanını koruyan devlet, işçi-emekçi insanlara copla gazla müdahalede bulundu:Dilan ALP ağır yaralandı..!

Ny Governemanta, amin'ny polisy 40.000, no miaro tsy hahavoakitikitika ny kianja Taksim, tamin'ny fanafihana ny mpiasa tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy kibay; naratra mafy i Dilan Alp.

Fa ho fanoherana ny hetsika manohitra ny nataon'ny polisy, namoaka sary naderadera ho Dilan Alp [tr] lazaina fa nitazona cocktail molotov teny an-tanany ny governoran'ny polisy. Nambarany fa tsy afa-tsiny ilay tovovavy ary naratra nandritra ny fotoana namelezany ny polisy.

Tsy i Alp ihany no naratra. Naratra mafy sy nampidirina hopitaly ny mpanao fihetsiketsehana Meral Dönmez, Zafer Yolcu, İbrahim Akal, ary Serdal Gül [tr].

Yolcu moa voan'ny kapoaka niaty baomba mandatsa-dranomaso, izay nahavaky ny lohany, araka ny tatitra maro. Very ny mason'i Akal iray ary ahiana koa ny tsy hahitan'ny masony iray hafa, araka ny fanambaran'ny rahalahiny Umut Akal [tr].

Ny mpisera Twitter Ali Fırat (@partizan72_) nizara ny sarin'i Yolcu tany amin'ny hopitaly:

@partizan72_ AKP hükümetinin taksim yasaklaması İstanbul emekçileri yıldırmadı. ZAFER YOLCU pic.twitter.com/TuYlGjgA72

Tsy afa-manakana ny mpiasan'i Istabul ny fandrarana ataon'ny antokon'ny mpitondra Rariny sy Fampandrosoana. ZAFER YOLCU pic.twitter.com/TuYlGjgA72

Nilaza ny fahatezerany manoloana ny faharatran'i Akal ny mpisera iray hafa Esra Aksu Gök (@ESRAAKSU12):

@ESRAAKSU12 Bunun bedeli ödenebilir mi? 1 Mayısta yaralanan İbrahim Akal gözünü kaybetti http://www.radikal.com.tr/turkiye/1_mayista_yaralanan_ibrahim_akal_gozunu_kaybetti-1131940 … @radikal aracılığıyla

Misy sandany ho amin'izany ve? Lasa tsy mahita ny mason'i İbrahim Akal tamin'ny 1 May.

Nitsikera tamin'ny tarehy ratsy ny tafiky ny fitondrana tamin'ny namelezana an'i Akal ny mpisolovava Efkan Bolaç (@efkanbolac):

@efkanbolac Gerçekten teşekkürü hakkediyorlar! İbrahim Akal atılan bombalar sebebiyle bir gözünü kaybetti. Hastane çıkışı ölmedim diye teşekküre gidecek

@efkanbolac Mendrika ny omena fisaorana tokoa ry zalahy! Jamba ny mason'i İbrahim Akal ilany noho ny baomba mandatsa-dranomaso. Lasa nisaotra  azy ireo izy rehefa nivoaka ny hopitaly!

Ny mpisera Twitter Dilan Alatas (@DilanAlatas), nanonona an'i Gül raha niantsanantsam-bava an'i Alp, ilay mpanao fihetsiketsehana 17 taona, noho izy tao amin'ny fihetsiketsehana nefa tsy mpiasa:

@DilanAlatas Dilan Alp'ten sonra,metal işçisi Serdal Gul kafasından aldığı darbe sonucu ameliyata alınmış.Yine de ‘ee işçi değilmiş yea’ diyecek misiniz?

@DilanAlatas Taorian'i Dilan Alp, nalefa tany amin'ny efi-pandidiana ny mpiasa Serdal Gül. hilaza ve ianao hoe “tsy mpiasa izy izany”?

Nanonona an'i Gül ihany koa ny mpisera Twitter Astrig Daghlian (@Keghetsi):

@Keghetsi Serdal Gul de komada, ailesi ‘Çocuğumuza hedef alınarak ateş açılmış başından yaralanmış’ http://www.gercekgundem.com/?p=542493

Tsy mahatsiaro tena ihany koa i Serdal Gül, hoy ny fianakaviany: “Tsara kinendry ny zanakay ary naratra hatreo amin'ny lohany”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.