Fihetsiketsehana Nandritra ny Fetin'ny Asa Tao Azia Atsimo-Atsinanana [An-Tsary]

Manao jery tamberina ny fihetsiketsehana nandritra ny andron'ny voalohany volana mey notontosaina tany Kambodza, Filipina, Indonezia ary Singapore ny Global Voice. Ny fivoriana izay nokarakaraina hampiako ny fitakiana isan-karazan'ny mpiasa sy ireo vondrona mpiaro (misolo vava ny mpiasa) dia nilamina ihany amin'ny ankapobeny nanerana ny renim-paritra.

Tany Kambodza, mpiasan'ny fanenoman-damba mihoatra ny 6000, ary nanatevin-daharana azy ireo ny mpianatra, ONG, ary ireo mponina mahantran'ny tanànan'i Phnom Penh no nanao filaharambe niainga avy eo amin'ny Kianjan'ny Fahafahana nizotra nankany amin'ny Antenimieram-Pirenena no niantsoantso hisian'ny karama azo ivelomana sy fanatsarana ny tontolon'ny asa.

Garment workers march in Phnom Penh, Cambodia. Photo from Licadho

Mpiasan'ny fanenoman-damba nanao filaharambe tao Phnom Penh, Kamnbodza. Sary avy amin'i Licadho

Cambodian protesters near the National Assembly

Mpanao fihetsiketsehana Kambodziana teo akaikin'ny Antenimieram-Pirenena. Sary avy amin'i Licadho

Voafintina ato amin'ity lahatsary navoakan'ny Foibem-Panabeazana Ara-Piaraha-Monina ity ny fitakiana lehibe tadiaviny sy ny toerana misy ny mpiasa Kambodziana:

Tao Indonezia, mpiasa an'arivony no nanao filaharambe manoloana ny Lapam-Panjakana tao Jakarta ho fanamarihana ny Fetin'ny Asa. Anisan'ny fitakian-dry zareo ny “fanajana ny karama farany ambany, fiantohana ara-pahasalamana sy ara-piarovana ho an'ny mpiasa, mbamin'ny tsy fanekena fakana olona avy any ivelany.”

Thousands of workers march in Jakarta. Photo by Ibnu Mardhani, Copyright @Demotix (5/1/2013)

Filaharamben'ny mpiasa an'arivony ao Jakarta. Sary nalain'i Ibnu Mardhani, Copyright @Demotix (5/1/2013)

Workers march in Jakarta during Labor Day. Photo by Ibnu Mardhani, Copyright @Demotix (5/1/2013)

Filaharamben'ny mpiasa tao Jakarta nandritra ny Fetin'ny Asa. Sary nalain'i Ibnu Mardhani, Copyright @Demotix (5/1/2013)

Tany Philippines, diso fanantenana tamin'ny politikan'ny governemanta momba ny asa ny vondron'ny mpiasa Kilusang Mayo Uno:

We mark the 127th International Workers’ Day and its 110th celebration in the Philippines with a nationwide protest condemning the rabidly anti-worker and pro-capitalist regime of Pres. Noynoy Aquino.

Aquino has again rejected workers’ calls for a significant wage hike, the junking of contractual employment and a stop to trade-union repression. He has bragged about non-wage benefits and his government’s efforts at creating jobs.

Manamarika ity Andro Iraisampirenen'ny Mpiasa laharana faha-127 sy ny fankalazana azy faha-110 izahay amin'ny alalan'ny fihetsiketsehana manerana ny firenena ka manameloka ny fitondrana manakaiky ny kapitalista sy mamely ny mpiasa ataon'ny prez. Noynoy Aquino.

Mbola notsipahin'i Aquino indray ny antson'ny mpiasa hampakarana ny karama, ny fanaovana tsinontsinona ny fifanarahan'asa ary ny fanenjehana ny sendikà. Aderaderany ny tombontsoa tsy misy ifandraisany amin'ny karama sy ny ezaky ny governemanta amin'ny famoronan'asa.

Filipino workers march near the presidential palace demanding higher wages and rollback of prices. Photo from Facebook of Tine Sabillo

Filaharan'ny mpiasa Filipino nanakaiky ny lapam-panjakana mitady ny hampisondrotana ny karama sy hampihenana ny vidin-javatra. Sary tao amin'ny Facebook navoakan'i Tine Sabillo

Labor Day rally in the Philippines. Photo from Facebook of Tine Sabillo

Fetin'ny Asa tao Philippines. Photo from Facebook of Tine Sabillo

Ny songadina nandritra ny Fetin'ny Asa tao Manila dia noavahana tato amin'ny lahatsary navoakan'i EJ Mijares ity:

Tao Singapore, Gilbert Goh avy ao amin'ny transitioning.org no nanoratra momba ny tantaran'ny fihetsiketsehana isaky ny Fetin'ny Asa tao Singapore:

We realised that we are also creating another piece of history in Singapore here as so far no one has managed to organise a labour day event from the ground up – ever and we are proud to be able to do so for the first time!

We may even contemplate doing an annual labour day protest from now on – like what many other countries have done for decades.

Tsapanay fa nanangana sombiny hafa amin'ny tantara eto Singapore izahay eto satria tsy mbola nisy ny nahavita nikarakara andron'ny mpiasa eny an-kianja hatramin'izay ary afa-mirehareha izahay afa-nanao izany voalohany!

Mety afa-mieritreritra ny hanao hetsika isaky ny fetin'ny asa aza isika manomboka izao – tahaka ny ataon'ny any amin'ny firenena maro ampolony taona maro izao.

Thousands of Singaporeans assembled in Hong Lim Park on Labor Day. Photo from Facebook of Lawrence Chong

Singaporeana anarivony mivory eo amin'ny Hong Lim Park nandritra ny Fetin'ny Asa. sary tao amin'ny Facebook avy amin'i Lawrence Chong

Singaporeans participate in historic Labor Day protest to air their views on the government's population policy paper. Photo from Facebook of Lawrence Chong

Singaporeana mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana manantantara mba hitenenan-dry zareo ny fijeriny momba ny politikam-panjakana. Sary tao amin'ny Facebook avy amin'i  Lawrence Chong

Ny Hetsika dia tohin'ny fihetsiketseham-panoherana ny vinam-politikam-panjakana nataon'ny Singaporeana an'arivony tamin'ny volana febroary. Ao amin'ity lahatsar ity ny Singaporeana nanazava ny antony nanomanany sy nanatevenan-daharany ity katroka ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.