Famoronan-Tantara Ao Erbil

Tamin'ny volana lasa, namoaka lahatsoratra teny fampidirana momba ny Storymaker izahay, fampiharana finday eo an-dalam-pandrafetana. Natokana ho an'ireo mpanao gazety manerantany hanatsarany ny fahaizany mitantara (storytelling) amin'ny aterineto ny tetikasa izay tohanan'ny Global Voices, Free Press Unlimited(Foibe Iraisam-pirenena ho an'ny asa fanaovan-gazety) International Center for Journalism ary ny Guardian Project. Halefa miandalana eny ihany ny vaovao momba ny fivoaran'ny tetikasa.

 

603612_439418989478743_1388094957_n

Aminà firenena antitra sy momba ny tantarany manokana, maro ireo tantara tsara fantarina. Tonga tao Erbil, ao Kiordistana avaratr'i Iràka ireo ekipan'ny Storymaker mba hiara-hiasa amin'ireo mpanao gazety 20 sy olo-tsotra mpanao gazety ao Iraka. Samy manana fitaovana finday vaovao sy fampiharana farany avokoa ny tsirairay, niady hevitra momba ny fenitra amin'ny asa fanaovan-gazety sy ny fanaovana tantara manodidina sy momba an'i Erbil ireo mpandray anjara nandritra ny dimy andro.

Miorina ao avaratr'i Iràka, tanàna iray ela niorenana indrindra manerantany mbola azo onenana tsara i Erbil. Foibe ara-barotra goavana indrindra izy araka ny tantara, ary mifandray amin'i Baghdad sy Mosul. Tanàna lehibe indrindra ao amin'ny faritra mizaka tena Kiorda sy fehezin'ny governemantam-paritra Kiorda i Erbil, mankao avaratra ireo Irakiana mba hidifiana amin'ny hafanan'ny fahavaratra sy ny herisetra ara-pivavahana mateti-pitranga ho fiarovany ny ainy sy hitady filaminana.

Tsy mora ny miasa ao amin'ity faritra ity, noho ny fihisaran'ny aterineto sy ny toe-draharaha mafana ao amin'ny faritra. Amin'ny fanantenana ho tafala amin'izany olana izany, ny tanjon'ny fanofanana dia ny hanangana mpiserasera marobe afa-mamokatra fitantarana sy manome fanehoan-kevitra amin'ireo lahatsoratra navoaka amin'ny alalan'ny Storymaker. Ny Foibe Media Tsy miankina ao Kiordistana (Independant Media Centre of Kurdistan) (IMCK) no mifantina ireo mpandray anjara, ary anisan'izany ireo mpianatra sy mpanao gazety Arabo sy Kiorda. Tany an-toerana ny Rising Voices mba hanoro lalana sy hanolo-kevitra amin'izay tantara hosoratana.

 

12021_439418979478744_568258966_n

Mahakasika lohahevitra maro ny fanofanana, manosika ireo mpandray anjara mba handinika karazan-dahatsoratra vaovao tanteraka sy hanome lanja ny fiantraikan'ny fanoratana tantara vaovao ao amin'ny tontolon'ny nomerika. Kilasy hafa kosa miadihevitra momba ny fiantraikan'ny fampihaingona sary amin'ny tantara, ny hafa indray mampahafantatra ny antsipirihan'ny toro-lalana momba ny fomba fampiasàna ny fampiharana Storymaker, ny fomba fandefasana finday hifandray amina tora-jiro (projecteur) sy fampahafantarana ireo mpandray anjara ireo tolotra isan-karazany.

Natokana hanampiana ireo olo-tsotra mpanao gazety hanoratra tantara am-pahombiazana ho an'ireo mpamaky amin'ny aterineto ny fampiharana Storymaker, ary tafiditra amin'izany ireo lesona, modely sy fahaizana manoratra ifotony. Nampakarina tao amin'ny Youtube ireo tantara ary navoaka tao amin'ny Storymaker.cc. Mba hiarovana ny tsiambaratelo, afaka ampiasaina ny tambajotra serasera fiarovana Tor ho fiarovana ny mombamomba ny mpiserasera.

Nilaza i Ali, mpandray anjara avy ao Najaf fa hitany tena mahasoa ny fampiharana. “Ho ahy, tena ilaina izany raha misy zava-mitranga tampoka, kanefa tsy misy mpaka sary eo,”. “afa-mijery ireo mpijery antsika mampiasa izany aho sy mandefa horonantsari-mihetsika holalaovina amin'ny fahitalavitra.”

Satria fanandramana voalohany ny fampiharana ity, maro ireo olana mety hiseho, anisan'izany ny fiteny sy ireo modely finday isan-karazany. Ohatra, misosa tsara ny fampiharana amin'ny Android, saingy satria maro ireo karazana finday, mety hisedra olana ny mpampiasa azy.

Mandritra izany, nikarakara fanofanana ao Minya, adin'ny dimy miala ao atsimon'i Kairo ireo mpiara-miasa Storymaker ao Ejypta avy ao Sawt Hurr. Satria efa nampahafantarina ny tetikasa, maro ireo fanofanana mety hokarakaraina manerana izao tontolo izao. Dingana manaraka: Maraoka sy Tonizia.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.