Fampisehoan'i Ermia, Mpihira Iraniana, Ny Voaliny

Mpandray anjara amin'ny fampisehoana Talenta ara-mozika Iraniana (andiany fahatelo). Sary avy amin'ny Fahitalavitra Manoto, avy amin'ny pejy ofisialy Facebook-n'nyGoogoosh Music Academy

Notondrahan'ny Iraniana fanehoankevitra ny haino aman-jery sosialy tamin'ny faran'ny volana Martsa, rehefa nandrombaka ny fampisehoana talenta tany Londres- toerana iorenan'ny foibe fahitalavitra Manoto mampiasa fiteny Persiana, i Ermia, vehivavy tia mihira izay mipetraka any Alemana ary miakanjo misarom-boaly (hijab). Hitan'ny sasany hoe hafahafa taminy ny nanao fanahy iniana misalotra voaly tamin'ilay seho, raha toa kosa ny hafa nanohana ny fanapahan-keviny.

Fakan-tahaka ny fampisehoana hira Amerikana, American Idol ny fandaharana malaza Googoosh Music Academy (GMA).

http://www.youtube.com/watch?v=uo-XAcw3nyo

Tena nanana fihetseham-po hafa mihitsy nanoloana ny fandresen'i Ermia ireo Iraniana izay tsy maintsy niaina niaraka tamin'ny firakofam-boalin'ny vehivavy ao amin'ny fireneny  teo ambany fiadidin'ny Repoblika Silamo nandritra ny 34 taona farany teo:

Mibitsika mananihany i @Pooyamax, manakiana ny hijab-n'i Ermia:

Teraka tany Khomein i Ermia ary ny anaram-bositrany dia i Khomeini, ny tena marina niverina ho olona i Imam Khomeini ka lasa Ermia.

Nahita ilay fifandiran-kevitra ho toy ny voajanahary ao anatin'y vanim-potoana taorian'ny revolisiona Iraniana i Fatemeh, ao amin'ny bilaoginy:

Maninona kosa ary rehefa mpihira avy amin'ny firenen-kafa sahala amin'i Ejipta, no mihira miaraka amin'ny voaliny, [tsy maninona ny olona] fa rehefa vehivavy kely Iraniana no mandray anjara amin'ny fampisehoana talenta ka manarona ny volony dia miteraka sahotaka sy fitsipahana? […] ny olona izany tsy tokony hiandry mihitsy hoe hanao hetsika mora sy milamina ity fiaraha-monina ity, [ity fiaraha-monina misy antsika ity] izay eo ambany fanenjehana tsy misy fiafarana ataon'ny fanjakana mitsabaka amin'ny fomba tokony hitondràn'ny olona ny vatany na koa hisafidianany ny akanjony. […] ny fitondrana amin-kerisetra ireo vehivavy ary ny fanalana tsotra izao ny vehivavy laika any anatin'ny biraon'ny governemanta aloha ary koa ataon'ny fiaraha-monina avy eo, ny fitondrana mitanila atao amin'ireo zatovovavy ataon'ny mpanao fanadihadiana misarom-boaly ary manery azy ireo ao ambany voaly…. izany tahotra  rehetra izany sy ny alahelo no voizina ankehitriny atoraka ity zatovovavy amin'ny Googoosh Music Academy ity, izy izay tsara feo ary nisafidy ny  hijab. Zanaky ny famoretana sy ny fanenjehana ity fanomezan-tsiny sy alahelo ity fa tsy tonga nahamàngana akory. Alohan'ny hanakianana na koa hanalam-baraka ara-tsaina ny olona, dia tokony hiezaka ny hahazo ny antony mampikorontan azy ireo aloha ny tsirairay ary mitady ny fototry ny tahony.

Nijery ny trangan'i Ermia tamin'ny fomba fijery hafa ny mpitoraka bilaogy Iraniana hafa, izay manondro tena ho “ Tsy mpino nifidy an'i Ermia“:

Izaho manokana aloha tsy mitsipaka ny hijab mihitsy [ara-potokevitra] ny ananako olana dia eo amin'ny tovona “tsy maintsy”. Na izany aza, tsy hitako izay ezaka nataon'ity ramatoa ity [Ermia] handokafana izany. Raha ny hevitro manokana, hoatry ny manao hetsi-panoherana ny tsy hanao bakiraro miloko volomboasary ny fanoherana ny hijab na ny voaly! Ny fanontaniako dia hoe fa maninona isika no manambany tena mifandipatra amin'izay singan'akanjo tsy misy dikany. Ny tenako aza tsy resiko lahatra ny hankahala olona iray noho ny voaliny. Mety hoe nisy olona nolalaiko fatratra koa angamba nisafidy ny fitafy toy izao no mahatonga izany, nefa, ankoatry ny fankahalàko ny voaly mainty ho fitafim-behivavy, dia niezaka aho ny tsy hitsara ny olona amin'ny fomba fiakanjony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.