Spark13: Forum Manerantany Momba ny “Telecentre”

Faly mampahafantatra ny Rising Voices fa izy no ho media mpanohana ny Forum Iraisam-pirenena faha-4 momba ny Telecentre izay hatao ao Granada, Espaina amin'ny 28-29 Mey 2013. Ity fivoriana antsoina hoe Spark13 ity dia hifantoka amina lohahevitra telo lehibe: ny olona, ny zava-baovao, ary ny faharetana. Ireo mpandray anjara ao amin'ny Tambajotra Global Telecentre, izay ahitana “telecentre” eo amin'ny 500.000 eo sy miasa ho an'ireo mpiserasera 1 miliara manerantany dia afaka mandray anjara amina fivoriana vondrona madinika, atrikasa sy zavatra hafa azo handraisana anjara handinihana ireo lohahevitra.

Araka ny filazan'ny Telecentre.org:

Toerana natokana ho an'ny daholobe ny telecentre izay hahafahana mahita vaovao, mamorona, mianatra, ary mifandray amin'ny hafa rehefa mampivelatra ny fahaizana ara-dizitaly amin'ny alalan'ny fahazoam-baovao sy ny teknolojiam-pifandraisana.

Karakarain'ny Fikambanana Telecentre.org, Telecentres Eorope, Consorcio Fernando de los Rios-Red Guadalinfo, sy ny Sampam-pahalalaham-baovao nasionaly ao Korea, mpandray anjara 1300 manerantany no andrasana amin'ny Spark13.

 

Spark Logo 1

Ho lazaina mandritra ny Spark13 ihany koa ireo mpandresy amin'ny Loka Voalohany amin'ny Global Telecentre. Amin'ireto sokajy manaraka ireto no hanomezana ny loka: Ahitana sokajy 6 lehibe ny loka: Telecentre, Fitantanana ny Telecentre, Tambajotra Telecentre, Fisantaran'andraikitra Telecentre, Telecentre Zava-baovao, sy Foibe Fahazoam-baovao.

Liana tanteraka ny Rising Voices satria loharanom-baovao lehibe ho an'ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny firenena ny sehatra hita maso, tahaka ny telecentre, ny trano famakiam-boky, sy ny laboratoara piraty izay fomba hanentanana ny fandraisan'anjaran'ireo olo-tsotra amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana media dizitaly. Eny, dingana lehibe ny fidirana amin'ny aterineto, saingy maro amin'ireo sehatra ireo no manome fanofanana goavana sy fampianarana ho an'ireo mpiserasera.

Tamin'ny volana Aogositra 2012, niaraka tamin'ny Fikambanana Tetikady Vaovao sy Fifanakalozana momba ny Media Sosialy (New Tactics and Social Media Exchange) ny Rising Voices ary niara-nikarakara tafatafa an-tserasera antsoina hoe “Sehatra hita maso ho toy ny mpitari-dalana amin'ny fandraisan'anjara goavana ho an'ny olom-pirenena (Physical spaces as catalysts for greater digital citizen participation)”. Nandritra izany tafatafa virtoaly izany no namondronanay ireo manam-pahaizana sy za-draharaha hizara ny traikefany, ny fanambiny ary ny tantaram-pahombiazany:

Manerana izao tontolo izao, mirongatra ireo sehatra hita maso izay miasa ho toy ny mpitari-dalana ho amin'ny fandraisan'anjara goavana ho an'ny olom-pirenena mampiasa teknolojia nomerika. Nandinika indray ny andraikiny mahazatra taloha ny fikambanan'ny trano famakiam-boky, ary maro ankehitriny ireo manome tolotra fidirana amin'ny aterineto ho an'ireo mpanjifany ho fanomezana azy ireo sehatra hiresahana momba ny olana ao amin'ny firenena mba hahafahan'izy ireo mitera-bokatra, fa tsy mihanoka fotsiny amin'ny fanjifam-baovao ihany. Mandeha lavitra kokoa amin'ny fanomezana tolotra fampiasana solosaina ho an'ireo vondrom-piarahamonina ny Telecentre, satria sady mikarakara atrikasa hanofanana ireo olo-tsotra mikasika ny fomba fampiasàna ny teknolojia nomerika araka ny tokony izy ho fampiroboroboana ny fiovàna. Manolotra sehatra hita maso ho an'ireo mpikatroka sy mpampiasa teknolojia ny Hacklabs mba hahafahan'izy ireo mivondrona hikaroka vahaolana vaovao amin'ireo olana ao amin'ny firenena. Ohatra vitsy fotsiny momba ny fampiasana ny sehatra hita maso hanentanana sy handrisihana ny fandraisan'anjara goavana ara-nomerika misimisy kokoa ho an'ny olo-tsotra ireo!

Taloha, mandritra sy taorian'ny Spark13, loha-laharana ny Rising Voices amin'ny fampahafantarana ny sasany amin'ireo Telecentre sy ny zava-baovaony izay mitàna andraikitra lehibe amin'ny fanampiana ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ny firenena amin'ny fidirana sy fampiasàna ny media nomerika mba hitantaran'izy ireo ny tantarany manokana na mandray anjara feno amin'ny fampiasana aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.