Mahalasa Adala An'i Sina Ny Volamena Mora Vidy

Nolanian'ireo mpizahatany avy any Sina, voasariky ny vidin'ny volamena izay nitontongana, ny volamena tany amin'ireo banky sy fivarotana firavaka any Hong Kong nandritra ny faran'ny herinandro natao ho an'ny metaly lafovidy.

Noho ny vidin'ny volamena nihena 15 isan-jato tamin'ny 2013 rehefa tsy nitsaha-nitombo nandritra ny 12 taona, ka nidina 1,321.95 $ be izao ny grama tamin'ny 16 Aprily 2013, nirongatra ny fividianana ilay metaly any Sina, ary nahatelina volamena maherin'ny 300 taonina [zh] nandritra ny 10 andro araka ireo tatitra avy any an-toerana.

Be loatra ny tinady ka nihoatran'ny izay efa hita ny fanakalozana volamena tamin'ny Tsenan'ny Fanakalozam-Bolamena tany Shanghai, nanakalozana volamena 43 taonina tanaty andro iray monja tamin'ny 22 Aprily.

Araka ilay mpanakalo metaly any London, Andrew Maguire, volamena 1000 taonina sahady no nalefa tany Shanghai tamin'ity taona 2013 ity. Tamin'ny 2011, 431,2 taonina ny fitambaran'ny fanafarana volamena ary tamin'ny 2012 dia 834,5 taonina izany.

Izany hazakazaka izany dia nitroka ny ankabeazan'ny volamena tany an-tanànan'i Hong Kong, araka ny blaogy Hong Wrong. Indro ny tatitry ny Apple Daily amin'ny teny Anglisy momba izany tranga izany, navoaka tao amin'ny YouTube:

Song Hongbin, mpanoratra ilay andiam-boky malaza “Adim-bola” (貨幣戰爭) any Shina, dia nanasongadina ny tahan'ny 10 andro mahagaga tao amin'ny vohikala fitoraham-bilaogy kiritika Sina Weibo:

业内人士透露:黄金412暴跌以来短短10天内,仅中国内地的投资人就鲸吞了实物黄金300吨,约占全球黄金年产量的10%!

Namboraka ny mpisehatra iray avy amin'ny sehatry ny fampiasam-bola fa hatramin'ny fitontonganan'ny vidin'ny volamena tamin'ny 12 Aprily, maherin'ny 300 taonina ny volamena notrohan'ireo shinoa mpampiasa vola tanatin'ny folo andro, izay manakaiky ny 10 isanjaton'ny famokarana volamena maneran-tany!
Weibo User Anson Feng was in Hong Kong buying gold last weekend and she what she saw in a jewelry shop in her micro-blogs.

Anson Feng, mpampiasa Weibo dia tany Hong Kong nividy volamena  tamin'ny faran'ny herinandro ary namoaka ny sarin'ny toe-draharaha tany anaty aterineto izy.

Niteraka adihevitra be ny fanambaràna nataony, ka ny sasany dia mandray izany hazakazaka izany ho mariky ny fikorontanana anatiny na rafitra hisintonana vola any ivelan'ny Shina.

Ao amin'ny sehatra fanehoan-kevitr'i Song, mampiasa fahendrena Shinoa nentin-drazana i “Ha Lou” (徽土豆) mba hanazavàna izany tranga izany:

盛世藏古董,乱世抢黄金。

Mividy izao karazana tahirin'ny ela rehetra izao ny olona rehefa manankarena, ary mifandrombaka ho an'ny volamena rehefa mahatsinjo loza.

“Zhangnansen 1975″ (盗梦空间里的人) sy “rano mahafinaritra any amin'ny Farihy Andrefana” (西湖水美) dia mino fa mifandraika amin'ny tsifahombiazan'ny tsenam-bola vahiny izany:

盗梦空间里的人:石建勋认为:中国股票市场没有投资价值,已经沦为利益阶层和权贵集团骗钱、圈钱的合法场所,老百姓已经被股市骗了多次了,心有余悸。目前老百姓手里有钱但缺乏投资渠道和品种,现在金价下跌,抢金子就成了老百姓必然的选择。

“Zhangnansen 1975″: Shi Jianxun [mpampianatra momba ny toekarena] dia mino fa tsy misy vidiny ny tsenam-bola vahinin'ny Shina satria navadik'ireo ambony saranga ho kianja filalaovany izany mba hisintonam-bola ka mbola matahotra hatrany ireo olon-tsotra izay efa nofitahana im-betsaka. Ankehitriny am-pelatananan'ny olona ny vola nefa tsy hitany izay ampiasàna azy. Rehefa mitontongana ny vidin'ny volamena, mazava ho azy fa hifandrombaka amin'ny volamena ry zareo.

西湖水美:想想07年股市6124跌倒5000点以下时,大家疯狂抄底,结果一直跌到1664.

“Rano Mahafinaritra any amin'ny Farihy Andrefana”: Tadidio tamin'ny 2007 rehefa nihena ho 5000 ny tsenam-bola vahiny raha  6124 taloha, nahalasa adala ny olona ny fividianana amin'ny vidiny mora. Na izany aza, taorian'izany, nihena ho 1664 ny salan'isan'ny tsenam-bola vahiny.

“Lihua” (lihua088) sy “Liu Jihan” (刘济寒) dia mino fa ampy hery tsara handresy ny tsena iraisam-pirenena ny toekarena Shinoa :

lihua088:中国人 牛啊!

“Lihua”: Mahazendana tahaka ny omby mpitoto ny vahoaka Shinoa!

刘济寒:一吨黄金约2.8亿人民币,300吨黄金约840亿人民币。大陆居民储蓄超过18万亿。

“Liu Jihan”: Manodidina ny 280 tapitrisa yuan (manodidina ny 45 tapitrisa $) ny vidin'ny volamena iray taonina. manodidina ny 84 arivo lavitrisa yuan ( 13,5 arivo lavitrisa $ eo ho eo) ny vidin'ny volamena 300 taonina. Maherin'ny 18 arivo lavitrisa yuan (2,9137 arivo lavitrisa) ny fitambaran'ny tahirim-bolan'ny mponina shinoa avy any amin'ny Tanibe any amin'ny banky.

“Future Silver — Xiao Chen” (银在未来-小陈) sy “Fivoriana Kely” (小团圆92457) dia naminavina fa mety ho ireo mpampiasa vola any Etazonia no hivoaka ho mpandresy:

银在未来-小陈:美国政府和投行有意做空黄金白银,月初奥巴马和美联储官员见面,后来美联储把会议纪要提前发给一些机构和银行,高盛就开始唱空黄金,接下来黄金暴跌,这都是阴谋。黄金的定价钱是由美国控制的,改不了十年牛市转变熊市的格局,黄金将会再一次探底!

“Future Silver — Xiao Chen”: Mikasa ny hivarotra volamena sy volafotsy ny governemanta amerikana sy ireo banky mpampiasa vola. Nihaona tamin'ireo manampahefana avy amin'ny Tahiry Federaly i Obama tamin'ny voalohandohan'ity volana ity. Namboraka ireo andinindinin'ny fivoriana tamina andrim-panjakàna sy banky sasany ny Tahiry Federaly, ka avy eo dia nanomboka naminavina i Goldman Sachs fa hihena ny vidin'ny volamena, ary dia nihena izany. Fandrika izany. Etazonia no mifehy ny vidin'ny volamena ary tsy afaka hanova ny fivoaran-draharaha isika fa manomboka izao ka mandritra ny folo taona manaraka dia hivadika ho tsena mora ny tsena lafovidin'ny volamena ary tsy hitsahatra ny hihena ny vidin'ny volamena.

小团圆92457:历史上,散户赢过华尔街的大鳄们么? 黄金已经不可能成为货币了。只是商品。

“Fivoriana Kely”: Oviana isika no nahita mpampiasa vola madinika nandresy ireo Voaiben'ny Wall Street [ireo banky goavana mpampiasa vola] teo amin'ny tantara? Tsy herim-bola intsony ny volamena, fa entam-barotra sisa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.