Doka Tatinjaza Ho ‘Fanolanana’ Ny Tantaran'i Philippines

Nibaiko ny hampitsaharana amin'ny fahitalavitra ny doka iray maka tahaka sady maneso ny zava-nitranga raha namono ilay portiogey mpamakilay Ferdinand Magellan tamin'ny 1521 nandritra ny Fifanandrinan'i Mactan i after A Philippine diaper manufacturer has been ordered to stop airing a TV advertisement that parodies the scene when Datu Lapu-Lapu ny orinasa iray mpamokatra tatinjaza rehefa nitsikera io doka io noho ny “fanolanany tantara” sy “fanompana ny vahoaka Filipino.”

Nanaisotra ny dokambarotry ny mpanao tatinjaza EQ “fanadiovan-drivotra” ny Sampan-draharahan'i Philippines misahana ny dokambarotra sy ny Filankevitry ny Fenitra Fanaovan-dokambarotra ho setrin'ny “baiko fampitsaharana sy fialàna” navoakan'ny Vaomiera Nasionaly Misahana ny Tantara nivoaka tamin'ny 19 avrily 13.

Talohan'izany, nisy fanangona-tsonia an-tserasera nitsikera ny dokambarotra amin'ny fahitalavitra navoakan'ny orinasa EQ mpanao tatinjaza ho mampiely fahatsapana diso momba ilay maherifo Filipino Lapu-Lapu. Nitabataba ilay dokambarotra ho tsy misy fanajana ny herimpon'i Lapu-Lapu ihany koa ny fiadidiana ny tanànan'i Lapu-Lapu.

fTUBmcqaJyZTvaI-556x313-noPad

Pikantsarin'ilay dokambarotra tatinjaza mampiady hevitra

Ao anatin'ny doka maharitra 30 segondra i Magellan nanolotra boatin-tatinjaza iray ho an'i Lapu-Lapu sy ny vadiny. Saingy lasa nifotitra izany hetsi-pinamanana izany rehefa hitan'i Lapu-Lapu fa ratsy karazana ireo tatinjaza ka nihaika an'i Magellan izy hiady izay nitarika ho amin'ny fahafatesany.

Nahazo mpanohana 323 ilay fanangona-tsonia tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra (teny anglisy) ity. Indreto ny sasantsasany amin'ny hevitr'ireo nanao sonia an-tserasera:

Sheila Berame: Tokony hanaja ny tantarantsika sy ny vahoaka ao aminy isika. Maherifon'ny firenena i Lapu-Lapu, ny voalohany nanohitra ny imperialisma.

Jim Rosales: tiako ny taranaka tanora hahatsiaro ny maherifontsika amin'ny maha-vahoaka maty noho ny tolona nataony tao anatin'ny fahamendrehana. Fa tsy maty tamin'ny fametrahana tatinjaza.

Ahmed Cuizon: Manao tsinontsinona ny fotoana mampirehareha tao amin'ny tantaran'i Philippine ilay doka. Tsy tokony ataontsika kilalao ny fotoana manandanja izay namaritra sy nanome sariohatra ny fitiavan-tanindrazana Filipino.

Luz Hernandez: Tokony hotandrovina ao anatin'ny zava-nitranga marina ny Tantara, sns. fa tsy tokony handiso lalana ny fahafantaran'ny olona amin'ny ankapobeny indrindra ireo tsy ampy taona izay tsy manana ny fanoroan-dalan'ny olon-dehibe rehefa mijery io dokambarotra io. Ny departemantn'ny fampianarana no voalohany tokony nanao sivana iny dokambarotra iny nialoha ny nampisehoana azy tamin'ny fahitalavitra.

Andrew Neil Retuya: Mariky ny tantarantsika iny, tsy tokony hisy orinasa hanova azy.

Ny mpisera YouTube iloveoldschoolanime no mampahatsiahy ireo mpitsikera fa tsy tokony horaisina ho zava-matotra ny zava-mivoaka amin'ny dokambarotra:

DOKAMBAROTRA ho an'ny TATINJAZA fotsiny iny. Nahoana no mandray azy ho zava-tena matotra? tahaka ny hoe tsy mbola nisy nisandoka mihitsy i Lapu Lapu sy i Magellan amin'ireny Bubble Gang (hatsikana amin'ny fahitalavitra) sy ny mitovy karazana aminy ireny. Tokony tsy haka lagy loatra ny sasany. Aleo mifantoka amin'ny tena olana mahazo ny firenena ohatra!

itsumo kokomo mieritreritra fa te-hitodihana ny politisiana:

Mba te-hotodihanareo sy te-hisariaka aminareo fotsiny ny politisiana efa fako.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.