“TrashOut”: Sarintany Ifandrimbonan'ny RuNet Hanoroana Toera-Pako Tsy Ara-dalàna

Nisy fampihatra am-pinday vaovao mpandala ny tontolo iainana navoaka [ru] tao Rosia. Fifandrimbonana an-tsarintany ahafahan'ny mpisera manamarika toerana tsy ara-dalàna ahitana fako ao amin'ny sarintany iray ny “TrashOut“.

Ity app (fampihatra) maimaipoana ho an'ny iOS sy ny Android, izay efa vita amin'ny fiteny hafa maro, dia vonona amin'ny fiteny Rosiana noho ny fiaraha-miasa eo amin'ny TrashOut sy ny fisantarana andraikitra ara-tontolo iainana Emerald Planet [ru] . Tamin'ny alalan'io fiaraha-miasa io i Rosia no miditra amin'ny fisantarana andraikitra ara-tontolo iainana ara-boajanahary manerantany.

Manazava i Elena Sharoykina, mpandala ny tontolo iainana  araèboajanahary sady mpanorina ny Emerald Planet [ru]:

Интерфейс приложения TrashOut

TrashOut – более чем актуальное приложение для России, ведь в нашей стране ситуация с твердыми бытовыми отходами (ТБО) катастрофическая: более 90% мусора вывозится на свалки, по оценкам Росприроднадзора, их на сегодняшний день более 35 000, абсолютное большинство из них являются несанкционированными. Все это наносит непоправимый ущерб окружающей среде и здоровью россиян. С помощью приложения TrashOut и активных россиян мы узнаем о реальных местах расположения как крупных, так и небольших несанкционированных свалок. А самое главное — наглядно продемонстрируем властям и всем россиянам масштабы проблемы и потребуем экстренных мер для устранения конкретных свалок. Символично, что это приложение стало доступно россиянам в Год охраны окружающей среды.

Tsy tonga tao anatin'ny fotoana tsaratsara kokoa ho an'i Rosia ny TrashOut. Miatrika toe-draharaha mampahonena ny firenentsika raha hiresaka momba ny venti-javatra arian'ny tokantrano: Rosprirodnadzor [sampan-draharaha federaly misahana ny fiarovana ny tontolo iainana] manombana fa mihoatra ny 90%n'ny fako avy amin'ny tokantrano dia lasa any amin'ny toera-panariana, izay mihoatra  ny 35.000 amin'izao fotoana izao manerana ny firenena — ary ny ankamaroan'izy ireo dia tsy nahazoana alalana. Miteraka fahasimbana tsy azo avotana ho an'ny tontolo iainana ara-boajanahary izany sy amin'ny fahasalaman'ny Rosiana. Amin'ny alalan'ny fampihatra TrashOut sy amin'ny alalan'ireo vitsy mavitrika ao amin'ny fiaraha-monina isika no hahita ny toerana fanariam-pako tsy ara-dalàna, na midadasika izany na bitika. Ary ny tena zava-dehibe indrindra amin'izany rehetra izany dia hoporofoinay amin'ny manampahefana sy ny vahoaka Rosiana ny habe fenon'ity olana ity, ka hotakiantsika ny fepetra vonjimaika hanadiovana toera-panariana voatonona manokana. Saimbolika ny nanolorana ho an'ny Rosiana ny fampihatra ao anatin'ny Taonan'ny Tontolo Iainana (ara-boajanahary).

Ny lohataona ny fotoana nenti-pahazaran'i Rosia manao ny subbotniks [fanolora-tena amin'ny andro-panadiovana] sy iarahan'ny daholobe ao amin'ny fiaraha-monina manadio [manango-pako]. Miantso ireo mpandray anajra amin'ireny hetsika ireny ny fisantaran'andraikitra mpiaro ny tontolo iainana “Emerald Planet”, sy amin'ny Rosiana amin'ny ankapobeny, mba hanamarika ny fisian'ny fako ao amin'ny sarintanin'i Rosia amin'ny alalan'ny fampiasana ny TrashOut.

Raha te-handray anjara amin'ny fandrafetana ny toerana fanariam-pako tsy ara-dalàba eo amin'ny sarintanin'izao tontolo izao dia mila:

  1. Mampiditra ny fampiasa ao amin'ny findainao. Afa-miasa amin'ny rafitra fiasana Android sy iPhone ny TrashOut.
  2. Manamarika ny toerana fanariam-pako eo amin'ny sarintany. Raha mahita toera-pako tsy nahazoana alalana ianao dia raiso sary izany amin'ny fampihatra TrashOut, safidio ny habeny sy ny zavatra betsaka indrindra amin'ilay nariana, ary dia hisy fanoroana vaovao hivoaka eo amin'ny sarintanin'ny fako. Hamaritra avy hatrany ny toerana misy ny fako ny fampihatra.

Trohy ny fampihatra:

Ny ango-kevitra azy avy amin'ny sarintany nifandrimbonnaa dia azo ampiasaina handrafetana lalana sy hanesorana ny fako, ao anatin'ny fandaharan'asa iantraiketan'ny sampan-draharaham-panjakna sy ny fikambanana miaro ny tontolo iainana ara-boajanahary.

Ny fampiasa TrashOut dia novolavolain'ny tanora mpandala ny voajanahary avy any Slovakia izay nanapa-kevitra ny hanangana fitaovana mahomby hamantarana, handraisana an-tsary ary hanomezam-baovao farany momba ny toerana fanaraiam-pako tsy ara-dalàna ao amin'ny sarintany amin'ny alalan'ny finday. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2013 ny app (fampihatra) TrashOut dia nisongadina tamin'ireo niady ny famaranana amin'ny fampihatra amin'ny finday tsara indrindra amin'ny Amboara Eoropeana (European AppCup).

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i [ru] Yekaterian Izmestyeva. Ny loharanon-dahatsoratra [ru] dia azo jerena ao amin'ny habaky ny teknolojia sosialy Teplitsa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.