Adihevitra Saodiana Momba ny Fefy Atsangana Manaraka amin'ny Sisintany 1000 Maily Ifanakalozana amin'i Yemen

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nitatitra ny BBC fa eo am-pananganana fefy 1000 maily amin'ny sisintany ifanakalozany amin'i Yemen i Arabia Saodita. Zara fa lazaina ao amin'ny gazety nasionaly Saodiana io vaovao io raha miely sy voatsikera fatratra any amin'ny gazety Yemenita.

Niadian-kevitra fatratra ny fivelarany tao amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana. Ny mpanohana milaza ny tsy maintsy hanaovana izany ho fiarovana ny fitondram-panjaka raha milaza io ho fanerena mafimafy kokoa ny fahirano atao amin'ny vahoaka Yemenita ny mpanohitra.

Ny Fefy manaraka ny sisintany ifanoloran'i Etazonia sy Meksika no ohatra iray noraisin'ny mpanohana. Hoy ny siokan'i Fahad al-Rsheed [ar]:

من حق أي دولة حماية نفسها من عصابات المخدرات وتهريب السلاح والمتسللين ،وأمريكا على سبيل المثال أقامت سياجاً مع المكسيك

@fahadccx: Zon'ny firenena tsirairay ny miaro tena amin'ny fanondranan'ny jiolahy rongony sy fitaovam-piadiana. I Amerika, ohatra, nanangana fefy amin'ny sisintany ifanolorany amin'i Meksika.

Etsy ankilany, milaza ny mpanohitra sasany fa tokony holaniana amin'ny zavatra tsara kokoa ny vola. Nisioka ny mpisolovava sady mpikatroka Abdullah al-Nasri:

بتكلفة هذا السياج لنوظف العاطلين في الجنوب وعلى الحدود في حراسة الحدود ولندعم كل أعمال التنمية في اليمن لتعزيز الأخوة .

@alnasri1: Amin'io fandaniana io, afa-nampiasa ny any amin'ny faritra Atsimo [Saodiana] isika hiambina ny sisintany, ary afa-manampy tetikasam-pampandrosoana any Yemen hanamafisana ny firahalahiana.

Ny Hafa mampisongadina ny firaisankina ao amin'ny firenena Arabo. Nisioka i Abu Faisal:

سيكون مصيره كمصير”جدار برلين” إحفظوها جيدًا والأيام بيننا.!!

@Abuufaisal_1: Hiafara toy ny Rindrin'i Berlin ihany io. Tsarovy izay!

Ny hafa manana fomba fijery mahaolona:

بهذا الفعل سنتجرّد من بقايا انسانيتنا.

@Mnor_: Amin'ny fanaovana an'io isika dia mandao ny sisa ambin'ny mahaolombelona antsika.

هذا الفعل يعطي انطباع عن العقلية والمعالجة الأمنية البحتة لقضايا ذات عمق اجتماعي واقتصادي ألا يوجد مفكرين غيرالأمني ؟

@__Husam__: izao no ohatry ny fisainana polisy miatrika lohahevitra miteraka fiantraikany ara-piarahamonina sy ara-toekarena. Mba manana fisainana tsy polisy ve isika?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.