Hong Kong : Lehilahy Iray Nosamborina Noho ny Fanompana Ny Filohan'i Shina Tamin'ny Graffiti

Tafintohina tamin'ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy ny mpiserasera tao Hong Kong tamin'ny fisamborana lehilahy iray 46 taona noho ny fanoratana tao an-dalantsaran-tohatry ny trano fanorenana lehibe iray ao amin'ny distrikan'i Ma On Shan ao Hong Kong  “Mandehana any amin'ny Afobe, Xi Jinping” (習近平去死). Xi Jinping no filohan'i Shina. Araka ny tati-baovao tao an-toerana, nandefa polisy avy ao amin'ny Vondrona Misahana ny Heloka Bevavan'ny Faritra ny kaomisariàn'ny polisy ao Sha Tin. Vondrona izay raha ny mahazatra dia misahana heloka bevava ratsiratsy kokoa, nalefa hanao famotorana momba ny graffiti (Soratra maka endrika eny amin'ny rindrina), izay nipoitra intelo misesy tamin'ny trano fanorenana iray ihany tanelanelan'ny 7 ka hatramin'ny 17 Avrily 2013. Nanara-maso ny “toerana nisian'ny heloka bevava” ny polisy nandritra ny alina ka nahatratra lehilahy nitondra penina tamin'ny valo marainan'ny 18 Avrily 2013.

Graffiti by Tsang Tsou Choi. Photo by Flickr User: William_Lau CC: BY-NC.

Graffiti avy amin'i Tsang Tsou Choi. Saripikan'i William Lau (CC: BY-NC)

Maro ny mponin'i Hong Kong no mihevitra fa endrika fanenjehana ara-politika hampitahorana ny olom-pirenena izao raharaha izao. Tsy dia fanaon'ny polisin'i Hong Kong ny manao famotorana raharaha madinika tahaka ny graffiti izany. Kay Lam, mpisera Facebook iray, no nahatsiaro [zh] vahoakan'i Tsang Tsou Choi, lehilahy izay niantso ny tenany ho “Mpanjakan'i Kowloon” izay nalaza tamin'ny fanomezana endrika graffiti isan-karazany nandritra ny androm-piainany, izay nanoratra fehezanteny tahaka ny hoe “Miala ny Mpanjakavavin'i Angletera!” fa tsy nosamborina mihitsy i Tsang. Ho setrin'ny fisamboran'ny polisy, maro ireo naneho ny fahasorenany amin'ny fihasimban'ny fahalalahana ao Hong Kong eo amin'ny faritra natokana hanehoana hevitra amin'ny lahatsoratr'i Kay Lam:

Nelson Ho 曾灶才如果在生,重唔畀人告謀反? Green-man Lam 香港公安不如話塗鴉行為系煽動顛覆國家政權呀! Simon Man Ho Wong放個屁都會被告恐怖襲擊!

Nelson Ho: raha mbola velona i Tsang Tsou Choi, tsy nampangaina ho manao fanakorontanana ve? Green-man Lam: Afa-milaza io graffiti io ho asam-panakorontanana ny fahefam-panjakana soa aman-tsara ny polisin'i Hong Kong. Simon Man Ho Wong: Mety ho lasa fampihorohoroana ny mangetotra eto  an!

Ao amin'ny HKGolden, iray amin'ny sehatra fiadian-kevitra (dinika) anisan'ny malaza indrindra an-tserasera ao Hong Kong, misy mpisera sasantsasany nanasongadina [zh] ny fifantenan'hetsika ataon'ny polisy sy ny tolo-kevitra hitatitra amin'ny polisy raha misy olona mahita graffiti eny ankalamanjàna na any an-tranon'olona manokana. Ohatra, Ha Ding Kei (下頂機) izao niteny [zh] (19 Avrily 3:58 p.m.):

由而家開始, 一發現任何牆壁, 燈柱等等之類有任何塗鴉, 後加文字(包括原子筆), 即刻報警, 要求重案組徹查。 公廁好多字 做個好巿民, 人人有責, 有人報警, 警察一定要開file嫁。

Manomboka izao, isak'izay mahita graffiti na soratra amin'ny rindrina, na andrin-jiro, sns isika dia tokony hitatitra amin'ny polisy izany ary hangataka ny Vondrona Misahana ny Heloka Bevava hanao famotorana. Aoka ho olom-pirenena mendrika isika ary hanao ny adidintsika. Tokony hanokatra dosia ny polisy raha vao mitoroka any amin'izy ireo ianao.

Misy ireo mpiserasera hafa ao amin'ny HK golden maneho hevitra amin'ilay vaovao amin'ny alalan'ny famerimberenana ny fehezanteny, “Mandehana any amin'ny Afobe, Xi Jinping” ary mihaika ny polisy hisambotra azy ireo. “Mihomehy mandra-pahafatiko” (笑能死人的) namoaka (19 Avrily 4:59 p.m.) sarimihodin'ny “Mandehana any amin'ny Afobe, Xi Jinping” ao amin'ny habaka fiadian-kevitra:

The curse, "Go to hell Xi Jinping", keeps reappearing in the gif file. By HKGolden user "Laugh till I die".

Ilay ompa, “Mandehana any amin'ny Afobe Xi Jinping” atao tsingeringerina. Avy amin'ny mpisera HKGolden  “Mihomehy mandra-pahafatiko”.

Christina Walter ihany koa nanoratra ny anaran'i Xi Jinping ao amin'ny “Death Note” (naotim-pahafatesana), andia-tsary manga japoney iray miresaka momba ny famonoana olona iray amin'ny alalan'ny fanoratana ny anaran'ilay olona ao amin'ny boky majika iray. Nozarainy tao amin'ny Facebook izany ary nanasa ny Vondron'ny Heloka Bevava izy hisambotra azy:

Christina Walter wrote Xi Jinping's name in "Death Note".

Christina Walter nanoratra ny anaran'i Xi Jinping ao amin'ny “Death Note” (naotim-pahafatesana).

“Tapitra Macau”(馬交完鳥)avy ao amin'ny HK Golden no naneho hevitra (20 Avrily 12:19 a.m.) [zh] tamin'esoeso fa:

原本冇人乜留意既幾隻字,相信好快全香港四周圍都係,香港政府可能就係想借呢次“小事大行動”將“習近平去死”呢幾隻字攪到周圍都係

Misy teny vitsy izay mety ho tsy voamariky ny rehetra miely manerana an'i Hong kong amin'izao fotoana izao. Na izay no mety ho tena tanjon'ny governemantan'i Hong Kong – mba hahatonga ho raharaha goavana ny zavatra tsy misy dikany tahaka ny hafatra mielin'ny “Mandehana any amin'ny Afobe, Xi Jinping”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.