Chile : Velona Indray Ny Hetsiky Ny Mpianatra

(Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy)

Niverina tanaty hery tamin'ny alalan'ny fidinana teny an-dalambe nanerana ny firenena Shiliana ny hetsiky ny mpianatra mitaky ny fanabeazana maimaipoana sy tsara.

Nifamotoana tany amin'ny foibe sosialin'ny tanàndehibe maro nanerana ny firenena ny mpianatra izay niahiakiaka hatrany ny hoe “Hianjera, hianjera, ny fanabeazan'i Pinochet… sy an'i Bachelet”, mba ahafana mitaky indray amin'ny governemanta ny tena vahaolana hiadiana amin'ny tsy fitoviana sy ny fitadiavan-tombontsoa ao amin'ny fanabeazana. Araka ny mpanomana, eo ho eo amin'ny 120 000 ka hatramin'ny 150 000 ireo nanao filaharambe tao Santiago, mametraka ity fihetsiketsehana ity ho anisan'ny be mpanaraka tao anatin'ny volana vitsivitsy.

Miantso i Karol Cariola (@Karolcariola), filoha teo alohan'ny FEC (Federasionan'ny Mpianatra Oniversite ao an-tanànan'i Concepción) sy ny mpitarika ny tanora komonista :

@Karolcariola: Mañana a las 11 hrs. En Plaza Italia marchamos por la educación pública gratuita y de calidad!! Chile se lo merece, la paciencia se acabó.

@Karolcariola: Rahampitso amin'ny 11 ora. Kianjan'i Italia no hanaovantsika filaharambe hitakiana fanabeazana maimaipoana sy tsara !! Mendrika izany i Chile, tapitra ny faharetana.

Manohana ity fiantsoana vaovao ity ny mpiantsehatra Benjamín Vicuña (@benjaminvicunaMORI) sy ireo mpiserasera hafa maro amin'ny fampiasana ny paingo-teny #NosVemosel11

@benjaminvicunaMORI: Porque la única manera de cambiar el orden de las cosas, es desde una educación digna y gratuita #NosVemosEl11

@benjaminvicunaMORI : Satria tsy afa-manova ny fandehan-javatra raha tsy amin'ny alalan'ny fanabeazana mendrika sy maimaipoana #NosVemosEl11

Ny sosiology Alberto Mayol manazava ao amin'ny bilaoginy ny niandohan'ny hetsiky ny mpianatra tamin'ny 2011.

Estudiantes en la marcha del 11 de abril de 2013 en Santiago, Chile. Foto del usuario Flickr Nicolás Roblez Fritz. CC BY-NC-SA 2.0

Mpianatra nandritra ny filaharambe tamin'ny 11 avrily 2013 tao Santiago, Chile. Sarin'ny mpisera Flickr Nicolás Roblez Fritz. CC BY-NC-SA 2.0

El movimiento estudiantil de 2011 tiene como uno de sus pilares las injusticias del modelo educativo, pero añade a ello un diagnóstico sobre la sociedad y un cuestionamiento de la estructura en que se han articulado lo público y lo privado, siendo esa tensión la que está en el trasfondo.

Iray amin'ny andry nahatonga ny hetsiky ny mpianatra tamin'ny 2011 ny maodelim-pampianarana miangatra, izay mbola ampian'ny famantaran'aretina ho an'ny fiarahamonina sy ny fanontaniana momba ny bikabika amariparitana ny rafitra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, io fifanenjanana io no sehatra ao ambadika.

Mpiserasera maro tahaka an'i La Anti Psicóloga (@janetnoseda) fa mbola mavitrika hatrany ny hetsika.

@janetnoseda: apuesta del GOB al descarte del mov. Estudiantil falló pq #NoEstánSolos. Chile entero quiere otra educación! @el_dinamo @elquintopoder

@janetnoseda : resy tamin'ny filokana nataony hoe hampitsahatra ny hetsika ataony ny mpianatra ny governemanta. Chile iray manontolo no mitaky fampianarana hafa ! @el_dinamo @elquintopoder

Saingy misy ny mpikambana ny governemanta ankehitriny, tahaka ny minisitry ny fiarovana Rodrigo Hintzpeter (@rhinzpeter) no mitsipaka ity fihetsiketsehana vaovao ity.

@rhinzpeter: Voceros del movimiento estudiantil hablan bajo mismo formato de 2011. No son capaces de reconocer nada de lo hecho en 2 años. Es un Dejavu.

@rhinzpeter: Mbola ny kabary tamin'ny 2011 ihany no kabarian'ny hetsiky ny mpianatra. Tsy hain-dry zareo ny manaiky ny vita tao anatin'ny roa taona. “déjà vu”.

Luis Pachecho namoaka tao amin'ny El Quinto Poder lahatsoratra iray antsoina hoe “Ny tsy azo idifiana : ny hoavin'ny fiovana” izay miresaka momba ny hetsik'olompirenena isan-karazany izay nihetsika vao haingana tao Chile faramparany teo, ka anatin'izany ny hetsiky ny mpianatra. Mampahatsiahy ny tahotra manoloana ny “revolisiona” aterak'ireny hetsika ireny.

Hay miedo y casi terror en los sectores más conservadores, de que se produzcan cambios que terminen con esta supuesta sociedad equilibrada y se vuelva a viejos escenarios de la política chilena.
Quienes así piensan, se equivocan en la forma y en el fondo. […] Ciertamente cualquier cambio de estructura significa una revolución en la sociedad, que no tiene porque ser ni violenta ni traumática. […]

Matahotra, eny mihorohoro amin'ny mety hisian'ny fiovana  izay mety mahafarana ity fiarahamonina lazaina fa mifandanja ity ka mampiverina any amin'ny toetoetra politika shiliana taloha nysokajin'asa tena mpitahiry ny nentin-drazana.
Diso hevitra sy fijery izay mihevitra tahaka izany. […] Marina fa midika hoe revolisiona ao amin'ny fiarahamonina ny fanovan-drafitra, saingy tsy voatery ho mahery setra na hampangovitra izany. […]

Ny azo itokisana aloha dia nitranga nialoha ny fifidianana ity fahaveloman'ny hetsiky ny mpianatra ity indray ary maro ny mieritreritra raha hisy fiantraikany amin'ny valim-pifidianana na tsia izany. Etsy andaniny, niendaka tamin'izay rehetra fifandraisana amin'antoko na kandidà ny mpianatra. Efa nasehon-dry zareo mazava ihany koa ny fomba fitantanan'ny filoha teo aloha sy kandidà filoha amin'izao fotoana – Michelle Bachelet [fr] eo amin'ny sehatry ny fanabeazana na eo amin'ny toromariky ny fihetsiketsehana izany na amin'ny aterineto. Manamafy izany ny mpianatra bioshimia, Sebastián R. Serey (@sebaserey) :

@sebaserey: Qué sentirá Bachelet al ver el descontento ciudadano q existe en Chile hoy en día? De verdad piensa que alguien le cree? #nosvemosel11

@sebaserey : Ahoana ny fahatsapan'i Bachelet mahita ny tsy fahafalian'ny olompirenena Shiliana amin'izao fotoana ? Mieritreritra tokoa ve izy fa misy ny mino azy ? #nosvemosel11

Manontany raha misy fiantraikany na amin'inona na inona ny fihetsiketsehana ny sasany tahaka an'i Lucas Alonso (@lucasxalonso) :

@lucasxalonso: Cuántas marchas faltan para que de verdad la clase política tome en serio al pueblo? #NosVemosEl11#YoMarcho

@lucasxalonso : Mbola mila fihetsiketsehana firy ny mpanao politika vao hihevitra ny vahoaka ho matotra ? #NosVemosEl11#YoMarcho

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.