Meksika: Feo Hafa Nampanginina [NOHAVAOZINA]

FANAVAOZAM-BAOVAO: Hita tao amin'ny Facebook sy Twitter indray Valor por Tamaulipas rehefa avy namoaka ny fanambarana etsy ambany. Vao maika nahabe ny siosion-dresaka momba ny fitokisana an'i VxT izany fiovana tampoka izany. Koa satria moa nokirakiraina tsy nitononana anarana ny kaonty, sarotra ny hamantarana izay mikirakira azy sy ny hoe niova tanana ve sa tsia ny mandrindra ireo kaonty ireo.
Tamin'ny 7 avrily lasa teo, nisy mpiserasera amin'ny media sosialy fantatra fotsiny amin'ny hoe Valor Por Tamaulipas nanambara ny fikasany [es] hanakatona ny kaonty Facebook sy Twitter izay lasa nalaza ho loharanom-baovao momba ny herisetran'ny [trafika-na] rongony any avaratr'i Meksika. Nampiasa ny Media sosialy i Valor por Tamaulipas (Herimpo ho an'ny Tamaulipas) ho fanangonany sy famoahany ny tatitra ataon'ny daholobe ao amin'ny fanjakan'i Tamaulipas, izay norotidrotehan'ny ady noho ny rongony sy ny kolikoly hatramin'ny taona 2006. Zavatra bitika ihany no fantatra momba ny mpandrindra ny kaontin'i Valor por Tamaulipas (VxT) — fa na dia mpampiasa ny mpisolo anarana [izaho] aza i VxT rehefa mandefa hafatra, dia azo heverina fa vondron'olona no mitantana an'i VxT an-tserasera.

Protest against narco-state violence. Photo by Jesus Villaseca Perez. (CC BY-NC-SA 2.0)

Fanoherana ny herisetran'ny fanjaka-drongony. Sary avy amin'i Jesus Villaseca Perez. (CC BY-NC-SA 2.0)

 

Ny sasany mpanaraka ny toe-draharaha dia mino fa loharanom-baovao azo itokisana miasa ho amin'ny fiarovana ny sivily izay mety ho maradratran'ny herisetra ao amin'ny faritra i VxT. Saingy noho ny fiafenan'i VxT araka izay tratra ato amin'ny aterineto sy ny fahabangan'ny vaovao azo itokisana momba ny herisetra misy ifandraisany amin'ny rongony ao Meksika, dia sarotra ihany koa ny manamarina azy.

Tamin'ny Febroary 2013, nisy fikambanan'ny mpivaro-drongony tsy fantatra iray nampandefa taratasim-pitsikerana manolotra MX$600.000 [pesos meksikana] ho an'ireo mampahafantatra ny mombamomba ny mpitantana ny kaontin'i VxT amin'ny media sosialy. Fotoana fohy taorian'izany, nanambara ny fikasany hampiato ny fitatera-baovaony i VxT; ny hany azontsika atao dia ny manombana fotsiny raha misy ifandraisany amin'ny fandrahonana izany. Nilaza ny fikasany tamin'ny mpamakiny [es] hanakatona ny kaontiny Twitter sy Facebook i VxT [es] tamin'ny herinandro.

Indreto eto ambany ny notsongaina avy amin'ny hafatra ofisialy nivoaka tao amin'ny Facebook [es]:
Lamento haber cerrado la página de forma intempestiva y sin hacer aclaraciones al respecto, la página sigue su curso para su cierre definitivo en menos de 9 dias, entré hoy para primero que nada deslindarme de cualquier otro esfuerzo que se genere de comunidades de apoyo a SDR en la que se indique o se infiera algún tipo de aprobación de mi parte.

Miala tsiny aho raha nanakatona tampoka tsy misy fanazavana ny pejy, mbola hitoetra eo ihany ny pejy mandra-pikatony farany izay tsy hihoatra ny 9 andro. Niditra eto aho androany hampahazava ny resaka fa tsy mandray anjara amin'ny  fanohanana ny SDR [situación de riesgo, toe-draharaha mahatonga tahotra] na zavatra mety mahatonga ahy ho tompon'andraikitra ahy aho.

[…]

Tienen que estar conscientes que hay muy pocas personas que podrían realmente estar interesados en hacer un apoyo como el que algunos usuarios realizamos en los que no tenemos ningún tipo de interes personal o por parte de organizaciones criminales, o de autoridades estatales o federales.

No pueden confiar en la primer página que salga diciendo que siguen los pasos de VxT, solo pueden confiar con el tiempo, evaluando lo que se indica y con que razón pueden estar haciendo esas indicaciones en el modo que lo hacen. En la experiencia que he tenido en el año y meses de administrar la página, me he encontrado que las redes sociales son un campo de batalla en el que los usuarios principales tienen algún tipo de interes o rol en esta misma guerra…

Aoka ho fantatrao fa misy ny olona vitsy mety ho liana tokoa amin'ny fisoloana vava araka ny ataon'ny sasany, tsy misy idiran'ny tombontsoany na fiarahana amin'ny jiolahy na governemanta – isam-panjakana na federaly. Tsy afa-mino ianao amin'ny pejy voalohany hitanao fa manaraka ny dingana ataon'i VxT (Valor por Tamaulipas) izany.

Matoky ihany ianao rehefa afaka elaela, manombatombana izay voalaza sy ny antony ambadiky ny fomba filazany azy. Tao anatin'ny herintaona sy tapany nitantanako ity pejy ity, hitako fa kianjan'ady andraisan'izay manana tombontsoa na anjara toerana amin'izany ady izany ny tambajotra sosialy.

[…]

Yo no digo que no colaboren con otras redes de SDR, pero por Dios sean conscientes de lo que hacen, utilicen cuentas genéricas, y no hagan caso que VxT mandó decir tal cosa. Ya se deben de imaginar la cantidad de personas e intereses que hay por replicar lo que se ha logrado aquí.

No se como explicarlo pero en mi caso específico si ganó una batalla, pero me la ganó a mi no a la sociedad, me ganó a mi y a mi familia, sin embargo no le ganó a las 200,000 personas que confiaron y los miles que hicieron colaboraciones a pesar del temor. No puedo seguir en esta trinchera por diversas razones, que creo no es necesario explicarlas….creo he dado todo lo que podía y ya empieza a ser notoria mi incapacidad para administrar la página, los reportes, los riesgos, etc.

Tsy miteny aho hoe tsy tokony hiara-miasa amin'ny tambajotran'ny SDR hafa ianao, fa tahian'Andriamanitra ianao fantaro tsara ny zavatra ataonao, mampiasà kaonty tsotra ary aza mino fa nanome izao na ity hafatra ity i VxT. Azonao atao sary an-tsaina ny isan'ny olona sy tombontsoa izay te-hanamaro izay nahombiazanay tamin'ny fanaovana azy.

Tsy haiko ny manazava azy, saingy nandresy tamin'ny ady amin'ny kianja izay ilalaovako ireo fikambana-jiolahy, na nandresy aza io dia nandresy ahy fa tsy ny fiaraha-monina, nandresy ahy sy ny fianakaviako, fa tsy ireo olona 200.000 natoky [ahy] sy ireo an'arivony izay niara-niasa tamiko na dia teo aza ny tahotra. Tsy ao anatin'izany hady izany intsony aho noho ny antony maro izay heveriko fa tsy ilaina ny manazava azy….Mino aho fa nanome ny zavatra rehetra azoko natao ary efa hita miharihary fa tsy afa-mitantara ny pejy aho, ny tatitra, ny risika, sns.

Tsy vao sambany no nisy fandraisana an-tanana andraisan'ny daholobe anjara tahaka izao mitatitra ny herisetra vokatry ny varotra rongony izay zary nangina noho ny tahotra fandrao tratra. Vao haingana izay i Ruy Salgado, mpanoratra ao amin'ny bilaogy malaza el5antuario.org no nanjavona tsy hitan'ny olona ary tsy nametraka votoaty intsony tao amin'ny habaka.  Tao anatin'ny hafatra maharitra adiny telo no nanazavany fa tsy tsy afa-miditra amin'ny antsipirihany amin'ny zavatra nahazo azy tao anatin'ny 42 andro nanginany izy taorian'ny nanjavonany “satria tsy misy ny fiarovana dia mba tsy hanjò ahy indray izay efa nahazo ahy ary tsy azoko atao ny hampidi-doza ny fianakaviako” saingy nilaza ny “fanerena hanjavona” noho ny nahatonga an'i meksika ho “firenena tsy nahomby anjakan'ny rongony” izy.

Nahatonga ny orinasam-baovao mahazatra hampihena ny tatitra momba ny herisetra ateraky ny trafikan-drongony izany gidragidra izany; Nanombana ny komity fiarovana ny mpanao gazety fa 16 ny mpanao gazety nisy namono hatramin'ny 2006, ary ny ankamaroany noho ny fitantarana momba ny asan-jiolahy mifandraka amin'ny trafikan-drongony sy ny kolikoly. Ka lasa ny mpiseraseran'ny tambajotra sosialy sy ny olom-pirenena no manentina izany fahanginana izany ka mitatitra izay hitan-dry zareo sy henon-dry zareo any amin'ny misy azy any, ary izany no mahatonga ny olona lasa malaza toa an'i VxT sy Ruy Salgado lasa lasibatra vaovaon'ireo fikambanan-jiolahy mpivaro-drongony ireo. Hanohy hitatitra momba ny fandrahonana araka ny fandrosony ny Global Voices Advocacy. manasa ny mpamaky izay manam-baovao na fampahafantarana momba ity raharaha ity izahay hameno ny toerana natokana ho an'ny fanehoan-kevitra, amin'ny Twitter, na amin'ny alalan'ny imailaka.

Tatitra faramparany nataon'ny GVA sy ny GV momba ny herisetra misy ifandraisany amin'ny trafikan-drongony ao Meksika:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.