Brezila: Fifandirana amin'i FIFA Momba ny Varotra Acarajé Mandritra ny Mondialy

(Teny Portiogey avokoa ny rohy)

Niteraka fahatezerana ho an'ny Breziliana ny fanapaha-kevitry ny FIFA handrara ny fivarotana acarajés ao amin'ny kianjan'i Fonte Nova ao Salvador de Bahia mandritra ny mondialy 2014. Notsikerain'ny bilaogera sy ny mpanao gazety fatratra izany fanohintohinana ny sariohatry ny kolontsaina breziliana izany ary nampidina an-dalambe ireo mpivarotra nentin-drazana ny acarajé (zavatra miavaka, amidin'ny baianas, vehivavin'i Bahia).

Avy any Afrika ny acarajé fa lasa sariohatra ara-kolontsain'i Brezila ary efa fomba mandritra ny lalao baolina fandaka rehetra ao Salvador de Bahia. Nisy vondrona Bahianezy avy ao amin'ny Associação das Baianas de Acarajé e Vendedoras de Mingau (Abam) nanao filaharambe nanoloana ny kianjan'i Fonte Nova tamin'ny zoma 5 avrily, andro nanokanana azy indray, ary nanolotra ny antonta-taratasy nanangona-tsonia tamin'i José Vermohler izay nisolo tena ny filoha Dilma Rousseff. Fanirian'ity fikambanana ity ny hahazoan'ny “Baianas” mivezivezy malalaka mandritra ny lalao baolina fandraka satria efa nivarotra acajaré tao an-kianja ihany ry zareo nialoha ny nandraisana fanapaha-kevitra vaovao hiomanana amin'ny Mondialy. Herintaona izay no nanombohan'ny Baianas sy ny FIFA nifanditra ka nanosika ny ABAM hanao fanentanana tao amin'ny habaka Change.org, izay mbola manango-tsonia hatramin'izao. Manazava ny fikambanana :

Nisy drafi-pandaminana navoakan'ny FIFA mandrara ny varo-mandeha ao anatin'ny 2 km manodidina ny kianja hanatontosana ny Mondialy. Manaisotra ny mpivaro-kanina nentin-drazan'i Brezila izany. Tsy voarara ao  an-kianja ny acarajés fa tsy mahazo miditra any ny mpivaro-mandeha !

(CC BY-SA 2.0) Fora do Eixo/ André Costa

“Fora do Eixo”/ André Costa (CC BY-SA 2.0)

Namoaka ny sary etsy ambony ny pejy Facebook Fehezan-tenin'ny Bahianais, izay mahangona mpankasitraka mihoatra ny 260 000. Sary izay nivoaka ihany koa ao amin'ny Flickr ary ahitana izao fanehoa-kevitra manaraka izao: #TsyMilaMcDonaldsaho fa #MilaAcarajéaho, Saiky nahatratra 2000 ny olona nizara azy. Hita ao amin'ny twitter ihany koa ireo paingoteny (hashtag hoy ny teny anglisy) ireo.

Ao amin'ny bilaogin-diteratioran'ny boky cordel (avy amin'ny voambolana “corde” na tady anantonana ireo bokikely) breziliana an'ny profesora, poety sy cordeliste bahianey Antonio Barreto, no nivoahan'ny tononkalo iray izay mitondra ny lohateny hoe “Tadin'ny (Cordel) Amboara : Hamely ny acarajé de Bahia ny FIFA ?” :

(CC BY-SA 2.0) Elói Corrêa/SECOM

(CC BY-SA 2.0) Elói Corrêa/SECOM— Mpivarotra Acarajé.

Tsy mahafantatra angamba ny filohan'ny FIFA ;
Satrika efa hatry ny ela ny acarajé no efa vakoka manan-tantara
Eken'ny IPHAN eto amin'ny fanjakantsika.

Fantatro fa ho mpanohana ny Amboara ny mpanani-bohitra MacDonald,
Tsy mila nahandro maika sokajy fahadimy aho.
Tsy misy dikany izany sandwich avy any ivelany izany.

“Fampihorohoroana ara-kolontsaina”

Niteraka fanafintohinana ny fanesorana ny anaran'ilay  mpilalao malaza tamin'ny taompolo 1950-60 Mané Garrincha amin'ny Kianja Nasionalin'i Brasília. Ny fandresen-dahatry ny FIFA moa dia hoe hetsika amin'ny sehatra iraisampirenena ny Mondialy ka ilaina ny hitazonana ny isian'ny marimaritra iraisana amin'ny fisafidianana ny anran'ny mpilalao football ao an-toerana. Noraisin'ny mpiondana baolina fandaka breziliana ho ompa izany mazava loatra.

Tao amin'ny twitter, @CesarOliveira10 nanambara hoe:

Tsy azo ampiasaina ny anaran'i Mané Garrincha, tsy azo  amidy ny acarajé ! Inona no anaovana ilay Mondialy tsy alehany ity raha tsy azontsika atao ny maneho ny maha-isika antsika !

Ao amin'ny bilaogy Mundo Botafogo natokana ho amin'ny vaninandron'i Mané Garrincha i Rui Moura no nanoratra:

Olo-malaza eo amin'ny sehatra manerantany i Garrincha, mpilalao mahay indrindra amin'ny fotoana rehetra ! Hatramin'ny oviana ny FIFA no nibaiko firenena iray ? Hatramin'ny oviana izy no niditra an-tsehatra amin'ny fisafidianana ny anaran'ny kianja iray ao amin'io firenena io ? Raha nantsoina hoe Pelé io kianja io, mety aminy ve izany ? Hanaiky izany fampihenana ny fiandrianam-pirenena izany ve ny depiote, tena hadalana sy maha-te-hioko !

Zé Reinaldo, mpanao gazety liana amin'ny fijoroana ara-kolontsaina sy ara-tsosialy, no nilaza izao tsikaritra manaraka izao tao amin'ny bilaoginy :

Ny biraokratin'ny FIFA ao anatin'ny tsy fahalalany tanteraka sy miavaka, no mihevitra fa sarotra ho an-dry zareo tsy mpiteny ny fitenin'ity firenena ity ny mihaino izany anarana Mané Garrincha, Maracanã, Mineirão, Itaquerão ary ny anarana hafa atolotry ny olona izany….. hatramin'ny fanombohan'ny taompolo  1920, raha vao nanomboka nilalao football ny taty ka nampiasa ny voambolana anglisy tsy fantapantatra rehetra izao no niezaka ny hampiditra ireo karazam-bolaña ireo tsy nisy tabataba ny Breziliana. Izany no nanaovan-dry zareo ny Football : Futebal, goalkeeper : goleiro, defender : beque, centre midfield : centerralfe, corner : escanteio, penalty : penalidad maxima, ary ny sisa maro hafa.

Xico Sá, mpanao gazety iray, no mampahatsiahy ao amin'ny takilan'i Folha de São Paulo fa maherifo tamin'ny nahafahan'i Brezila tafita amin'ny dingana famaranana roa voalohany i Garrincha, olomanga izay nanaisotra tamin'ny firenena ny fiheveran-tena ho tsinontsinona rehefa eny an-kianja. Heveriny ho fampihorohoroana ara-kolontsaina ny fihetsiky ny FIFA manoloana ny Bahianezy sy ny fahatsiarovana an'i Garrincha.

Ho an'ireo izay tsy naheno an'izany , misy sary sarobidy tsara jerena indray eto :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.