Indonezia: Mbola Ilain'ireo Mpialokaloka Ao Rokatenda Ny Fanampiana

Mbola tsapan'ireo 3.000 mpialokaloka avy any amin'ny Distrikan'i Sikka ny fiantraikan'ilay fipoahana volkanika tao Rokatenda tao amin'ny nosy Flores any East Nusa Tenggara ao Indonezia.

Nipoaka i Rokatenda tamin'ny Febroary lasa teo ary taorian'ilay loza voajanahary, mbola misalasala sy matahotra hatrany ny hiverina any an-tanànany ireo mponina.

Rokatenda artwork by Rara W (@jamduapagi)

Taokanto Rokatendaavy amin'i @jamduapagi, fampiasàna nahazoana alàlana

Tamin'ny alalan'ny lahtsoratra iray nalefany ho an'ny Global Voices, niteny i Mopera Hilde Tanga, avy ao amin'ny Diosezin'i Maumere fa ireo mponina teo akaikin'ny Tendrombohitra Rokatenda dia mbola anaty trano lay any amin'ny Nosy Palu no monina. Na dia efa nihena aza ny fihetsehan'ilay volkano, mbola misy ihany lavenona manify st fipoahana kely madinidinika arahana hovitra.

Nifandamina indray mandeha indray ireo tambajotra Indoneziana ety anaty aterineto mba hiaraka hanao izay hahatomombana ny asa fanampiana avy amin'ny lafivalon'ireo vondronosy.

Navitrika sy tamin'ny famaliana araka ny tokony ho izy no nampitan'ireo vondrom-piarahamonin'ny bilaogera sy ireo mpampiasa ny media sosialy tao amin'ny Twitter sy Facebook ny vaovao rehetra momba ilay fipoahana. Tao amin'ny Twitter dia nampiasa ny tenifototra #Rokatenda sy #KupangBagarak ry zareo. Ny sasany tamin'izy ireo dia nandefa mivantana ihany koa ny vaovao tamin'ny alàlan'ilay tolotra be mpampiasa “Blackberry Messenger”.

Flobamora, vondrom-piarahamonin'ireo bilaogera ao East Nusa Tenggara, dia nanokana ny fotoan'izy ireo sy ny heriny hitaterana ny fivoaram-baovao avy eny an-kianja ary hatramin'ny fanapariahana tsy mitsahatra ireo fanampiana ilain'ireo mpialokaloka fatratra tokoa. Azo vakiana ao amin'ny Fanavaozam-baovao isan'oran'ny Twitter-n'ny Flobamora na ny pejiny Facebook ny fanavaozam-baovao momba an'i Rokatenda.

Christian Dicky Senda, ao amin'ny biloaginy Naked Timur (Timur Miboridana), dia misaintsaina mikasika ny fandraisana anjaran'ireo mpampiasa media sosialy taorian'ny nitrangàn'ilay loza voajanahary :

Bencana yang memicu terjadinya gelombang pengungsi ke kota Maumere dan Kec. Maurole di Kabupaten Ende ini memang harus membutuhkan perhatian kita, ketika pemerintah daerah sendiri terkesan abai dalam hal tanggap darurat, maka kelahiran gerakan baru di media sosial seperti Twitter, Blog dan Facebook saya rasa adalah sebuah keniscayaan baru yang baik. Ini terkait nyawa ribuan orang, tak bisa juga kita berlama-lama atau berdiam diri saja.

[…]

Siapa sangka bahwa dari status Facebook, Twitter, BBM atau menulis kisahnya secara lengkap di blog, orang-orang secara sukarela menyodorkan bantuannya. Di beberapa kota seperti Ambon, Kupang, Soe dan khususnya Ende sebagai kota dengan member Komunitas Blogger NTT terbanyak kemudian mencetuskan aksi-aksi solidaritasnya.

Mila ny fifantohan-tsaintsika ny toe-draharaha mahazo ireo mpialokaloka ao an-tanànan'i “y” sy ny faritra Sobadistrikan'i Maurole any Ende, (rehefa) toa minia tsy te-hahalala mikasika ny vonjy aina tokony hatao amin'ny maha-olona ny governemanta, heveriko manana ny toerany goavana ny hetsika vaovaon'ny Media Sosialy toy ny ao amin'ny Twitter, bilaogy sy Facebook. Aina an'arivony no tafiditra amin'io, tsy afaka ny ho kamo na tsy hihetsika isika.

[…]

Iza no nahalala hoe avy tamin'ny alàlan'ny famoahana tao amin'ny Facebook, Twitter, BBM (Blackberry Messaging), na fanoratana tantara tany anaty bilaogy, dia mety hanohina fon'olona hirotsaka an-tsitrapo na hitondra ny fanampiany? Tany amin'ireo tanàna toa an'i Ambon, Kupang, Soe ary indrindra indrindra Ende, toerana misy ny ankamaroan'ireo mpikambana avy amin'ny vondrom-piarahamonina Flobamora, no niainga ireo hetsika fanehoana firaisankina.

Tany anatin'ny bilaogin-dry zareo, ny vondrom-piarahamonina Flobamora dia nilaza tarehimarika mikasika ireo mponina nisintaka ny tanànany efa hatramin'ny Novambra 2012, fotoana efa ela talohan'ny fipoahana tamin'ny 3 Febroary 2013.

Gunung Rokatenda terletak di sebuah pulau kecil bernama Pulau Palu’e. Pulau ini masuk dalam wilayah administratif Kabupaten Sikka tapi letaknya justru di depan pantai di wilayah Maurole, Kabupaten Ende.

[…]

Ada sekitar 11.000 penduduk di sana dan pengungsi yang tercatat baru 2.000 jiwa saja.

Kenapa ada penduduk yang memilih tidak meninggalkan Palu’e? Karena terikat perasaan dan tradisi.

Any aminà nosy kely iray antsoina hoe Palu'e no misy ny Tendrombohitra Rokatenda. Voafaritra ho isan'ny Distrikan'i Sikka ilay nosikely, kanefa ny toerana misy azy dia miatrika avy hatrany ny torapasik'i Maurole ao amin'ny Distrikan'i Ende

[…]

Misy mponina 11.000 miaina ao ary 2.000 monja no olona voalaza ho nifindra toerana. Nahoana ny maro no nisafidy ny hijanona ao Palu'e? Satria mifamatotra amin'ilay toerana sy ny fomban-drazany ry zareo.

Tsy fanjarian-tsakafo, aretin-tratra, Malaria ary fivalanana no mananontanona an'ireo miaina anaty toeram-pialokalofana vonjimaika. Manoloana ny fahasahiranana amin'ny fahazoana fanampiana noho ny amin'ny maha-olona avy amin'ny governemanta dia nanao fihetsiketsehana tamin'ny Janoary lasa teo ny sasany tamin'ireo mpialokaloka. Tsy dia tsara fiafara  ilay fihetsiketsehana satria tonga tamin'ny fisamborana ny sasany tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana

Ny filazam-baovao mahazatra dia nitatitra fa miaina olana eo amin'ny resaka fampiantranoana ireo mpialokaloka noho ny fanomanana toerana hanaovana fifidianana sy ny tahirin-drano madio fisotro sy ny sakafo zara raha misy.

Ny vaovao mikasika ny resaka fampiantranoana sy ny fanomezana ho an'ireo mpialokaloka dia azo rasina amin'ny fampiasàna ny tnifototra #Geser #Rokatenda, #1mugberas sy #Kupangbagarak ao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.