Mba Ampandroy Ny Filoham-pirenena Ejiptiana!!

Namela fofona i Mohammed Morsi - tao amin'ny Twitter. Nawara Negm, bilaogera sady mpikatroka mafàna fo dia nametraka ny tenifototra  #حموا_الرئيس [ar], izay midika hoe “Mba ampandroy ny Filoha, taorian'ny namakiana tao anaty gazety Libane iray fa hoe nitaraina tao amin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ny tomponandraikitra alemà sasantsasany mikasika ny fofona avy amin'ny vatan'i Morsi.”

Mibitsika izy [ar] hoe:

الرئيس لما راح المانيا بعض المسئولين بلغوا الخارجية المصرية انها لازم تنبه مرسي ان ريحته مش حلوة

@nawaranegm: Raha nitsidika tany Alemana ny Filoha dia nilaza tamin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ejiptiana ny tomponandraikitra sasantsasany mba hampandre an'i Morsi fa tsy tsara mihitsy ny fofona avy aminy.

Naverina nobitsihina in-110 ity bitsika ity, nitarika fifanakalozan-dresaka momba ny…, izay no izy e, ny fofon'ny Filoha.

Araka ny Vaovaon'ny  Al Khabr:

اشتكى رؤساء دول قابلوا الرئيس المصري محمد مرسي أنه ليس نظيفاً وان الرائحة التي تصدر عنه هي كريهة، ولذلك أبلغوا مدير المراسم في القصر الجمهوري ليلفت نظر الرئيس مرسي الى الموضوع.

Filoham-panjakana vitsivitsy izay nifanena tamin'ny filoha Ejipsiana Mohammed Morsi no efa nitaraina fa tsy madio izy ary misy fofona ratsy mivoaka avy aminy. Izany no nilazan'izy ireo tamin'ny mpiandraiki-draharaha ao amin'ny fiadidina ny lapan'ny filoha mba hanaitra ny filoha mikasika io toe-javatra io.

Manolo-kevitra ny filoha i Negm:

هو ممكن يكون بخيل، طب يعني ده فص شبة وليفة وصابونة نابلسي وكلونيا خمس خمسات حتى.. بدل الفضيحة الدولية دي

@nawaranegm: Mety ho mahihitra izy,  saingy farafaha-ratsiny mba afaka mampiasa Shabba (fanafody manala fofona), loofah (spaonjy), savony Nabulsi, na ny ranomanitra 555 ary miala amin'io baraka manerana an'izao tontolo izao io.

Raisin'i Alyaa Gad ilay resaka, amin'ny fanoroana hevitra an'i Morsi mba hampihena ny tenany.

زيادة الوزن والكرش يعطل وظائف الكبد وأهمها قدرته على تخليص الجسم من السموم- اللي ريحتها معفنة- فيسافر عبيرنا المهبب عبر القارات!

@AlyaaGad: Ny fitomboan'ny lanja be loatra sy ny fibontsin'ny kibo dia misy vokany eo amin'ny fiasan'ny aty, indrindra indrindra ny fahafahanay manala ny poizina ao amin'ny tena, izay mamofona maimbo. Izany no mahatonga ny fofony hivoaka ety ivelany.

Mandritra izany fotoana izany, mitohy hatrany ny vazivazy ratsy ao amin'ny Twitter.

Mibitsika i @mazzahi:

صاحي من النوم كسلان ومش قادر اقوم اخد دش الصباح, الظاهر عندي أعراض #مرسي! #حموا_الرئيس وحمووووني :))

@mazzahi: Vao avy niarina teo ampandriana aho ary reraka be hamonjy ny toeram-pidiovana maraina. Ohatran'ny manana ireo soritr'aretin'i Morsi izany aho. Mba ampandroy ny Filoha ary izaho koa!

Manampy i Elham:

حموا_الرئيس الجدع دا اكثر واحد اتهزأ في سبعة شهور ياحرام

@inspiration_k: Mahonena lavitra noho ny olona hafa rangahy io efa ho fito volana mahery izao. Mampalahelo!

Ary i Omar Mitkees manontany hoe :

حموا_الرئيس و لا لسه?

@o_mitkees: Efa nampandroin-dry zareo ve ny filoha sa tsia ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.