Azia Atsimo-Atsinanana: Fihetseham-po Manoloana Ny Fahafatesan'i Margaret Thatcher

Ahitana fandinihana tsara momba ny  ny sombiny amin'ireo fihetseham-po manerana an'i Azia Atsimo-Atsinanana mikasika ny fahafatesan'ny praiminisitra Britanika Margaret Thatcher.

Namoy ny ainy tamin'ny 8 Aprily 2013 teo amin'ny faha-87 taonany i Thatcher noho ny AVC (fijanonan'ny fitempon'ny fo tampoka), vehivavy Britanika mpitarika voalohany sy vehivavy voalohany nitantana firenena lehibe matanjaka Tandrefana. Lasa adihevitra lehibe ny fahombiazan'ny fanovana ara-toekarena sy sosialy napetrany nandritra ny 11 taona naha-teo amin'ny fitondrana azy.

Saingy voalohany indrindra, atombotsika amin'ny valinteny vazivazy tao Thailandy. Fahitalavi-panjakana fantsona 5, nampiseho am-pahadisoana ny sarin'i Meryl Streep, izay tsy i Thatcher velively, ka niteraka safotofoto teo amin'ireo mpijery Thailandey. Niparika manerana ny “cyber” ireo fihetseham-po marobe tamin'ity fahadisoana nampifanjevo ity, ka nahatonga ny fahitalavitra namoaka lahatsoratra fialan-tsiny tao amin'ny pejy Facebookny.

Thailand's state-run TV showing actress Meryl Streep as former UK Prime Minister Margaret Thatcher

Fahitalavi-panjakana ao Thailand nampiseho ny sarin'ilay mpilalao sarimihetsika Meryl Streep tahaka ny praiminisitra Britanika Margaret Thatcher

Saksith Saiyasombut nihevitra fa noho ny fikarohan-tsary haingana tao amin'ny Google no nahatonga ny fahadisoana:

Mazava ho azy, vokatry ny fikarohan-tsary haingana tao amin'ny Google izao ary nandray ny sary tsara indrindra niseho manaraka avy eo. Saingy tsy mahavaha ny fanontaniana izao toe-javatra izao raha farany ho an'ity Fahilavitra ity ny fanaovana fahadisoana (somary mampihomehy) sy mampifangaro ny tarehimarika tena izy amin'ireo mpilalao azy – afaka manantena isika fa amin'ny manaraka, mety hahita fifangaroana eo amin'i Hellen Mirren sy ny Mpanjaka Vavy Elizabeth II na Morgan Freeman afangaro amin'i Nelson Mandela!

Former British Prime Minister Margaret Thatcher. Photo from Wikipedia

Praiminisitra Britanika teo aloha Margaret Thatcher. Sary tao amin'ny Wikipedia

Taminà fanamarihana matotra kokoa, ny fanoharana azy hoe “Ramatoa Hentitra” avy amin'ireo firenena ahitana vehivavy praiminisitra dia nahitana fa toa tsy ampy “toetra hentitra” ny fitantanan'izy ireo tsy tahaka an'i Thatcher had. Chuvit Kamolvisit, Solombavambahoaka Thailandey miantso ny Praiminisitra Thailandey Yingluck Shinawatra, hoe “Ramatoa marionety,” izay mbola tokony hianatra zavatra maro avy amin'ny Ramatoa Hentitra. Noom Maung Non nanoratra hoe:

Nihantsy ady tamin'i Arzantina i Margaret mba hiarovana ireo nosy Maloina (Falklands), izay mbola tena lavitra ny Anglisy. Saingy amin'ny tranga ao [Thailandy], antsika Thailandey ny Khao Praviharn saingy tian'i Yingluck omena ny Kambodjiana izany.

Nandritra izany rehetra izany, tao Filipina, Dave Llorito namoaka lahatsoratra tamin'ny taona 2007 izay nitondra ny lohateny hoe “Gloria Arroyo is no Thatcher” (Tsy Thatcher i Gloria Arroyo), izay manambara fa raha niezaka nanatontosa ny politikan'i Thatcher ny filohan'i Filipina teo aloha, tsy nahomby izy tamin'ny farany satria “tsy nanam-panahy” tahaka ilay Rtoa Hentitra i Arroyo”.

Tao Indonezia, nisaona ny fahalasanan'ity mpitarika lehibe manerantany ity ny rmpanara-baovao iray Jakarta ary naniry ny mba hananan'ny fireneny mpitarika tahaka an'i Thatcher:

…Olona manana ny hasiny tahaka izany, karazam-panahy manjaka izay tsy mba matahotra. Mila sombina fahenjanana isika mba hanafoanana ny kolikoly sy ny tsy mety rehetra eto amin'ity firenena ity.

Tao Singapore kosa, toa tsy mba mahantra karazana mpitantana hentitra. Niaiky mihitsy i Thatcher tamin'ny fitsidihana voalohany nataony tao Singapore tamin'ny taona 1985 fa anisan'ireo mpitarika vitsy ankafiziny amin'ny fandanjany fitantanany i Lee Kwan Yew.

Nanaiky izany ireo Singaporeana sasany. LesMISERABLES kosa nanoratra tao amin'ny Courtyard Cafe fa tsy lehibe tahaka ny zava-bitan'i Thatcher teo amin'izao tontolo izao ny zava-bitan'i Lee Kwan Yew tao Singapore. Sammyman nilaza hoe:

Ahoana no fomba ampitahana ny tsy mety maty amin'ny mora maty tahaka an'i Thatcher?!?

Ny hafa kosa nandà izany. steffychun nilaza hoe:

Samy neo-liberaly izy roa ireo. Saingy mpanao didy jadona i Lee. Tamin'ny fomba malalaka no nandresen'i  Thatcher tamin'ny fifidianana.

Tahaka izany, Johnny333 nilaza hoe:

Tamin'ny fitondran'i LKY (Lee Kuan Yew), tsy mba nisy akory ny tena sendikà marina. Tsy inona akory ny NTUC fa fikambanana PAP hafa (Antokon'ny fitondrana Singapore).

Philolitics nisafidy an'i Thatcher fa tsy Lee

Na dia eo aza ny fankahalako an'i Maggie sy Harry, iza no safidiako?

Mazava ho azy fa tsy ilay mpandràra fihetsiketsehana, fahalalaham-pitenenana sy ny famoriam-bahoaka, izay mifantoka amin'ny fanentanana maloto manohitra ireo mpanao politika mpanohitra ary mampiseho tsy fanajana azy ireo sy ireo izay mitolona ankolaka amin'ny sarangan'ny mpiasa mikarama be noho ny Filoha Obama.

Raha afaka misafidy amin'ireo olona roa ireo aho, dia i Maggie no safidiko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.