Nankatòavin'i Orogoay Ny Fanambadian'ny Olona Mitovy Fananahana

Nanjary firenena Amerika Latina faharoa mankatò ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana i Orogoay.

Tamin'ny 10 Aprily 2013, nankatòavin'ireo mpanao lalàna marobe tao amin'ny Kongresy ny lalàna, izay mamaritra ny fanambadiana ho “firaisana maharitra eo amin'ny olon-droa mitovy na tsy mitovy fananahana,” vato 71 amin'ny 92 no nankasitraka izany. Efa nankatoavin'ny Antenimieran-doholona ao amin'ny firenena ihany koa izany volavolan-dalàna izany tamin'ny herinandro lasa.

Miandry hanasonia izany ho ao anatin'ny lalàna ny Filoha Jose Mujica afaka roa herinandro, anisan'ny niaro sy nanohana ity volavolan-dalàna ity izy.

Firenena faha-12 manerantany nankatò ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy i Orogoay ary faharoa ao amin'ny faritra aorian'i Arzantina, izay efa nankatò izany tamin'ny taona 2010.

Nitangorona tao anatiny sy ivelan'ny lapan'ny  antenimiera ireo mpanohana ny lalàna mba hankalaza izany. Mpanao gazety Fabian Cardozo nizara ny sarin'ireo vahoaka marobe faly taorian'ny latsa-bato:

Photo shared by Fabian Cardozo (@facardozo) on Twitter.

Sary nozarain'i Fabian Cardozo (@facardozo) tao amin'ny Twitter.

Hetsika ho amin'ny Fandraisan'anjaran'ny vahoaka, antoko politika avy ao amin'ny antoko ankavia Mandatehezana Malalaka, nizara raki-tsary [es] tao amin'ny Facebook, izay ahitana sary maromaro.

Photo shared by Movimiento de Participación Popular on Facebook.

Sary avy amin'ny Movimiento de Participación Popular tao amin'ny Facebook.

Mpisera Twitter avy amin'ny firenen-kafa niarahaba sy nisaotra an'i Orogoay tamin'ny hetsika, tahaka an'i Pedro Zerolo (@Pedro_Zerolo) avy ao Espaina:

Thank you, Uruguay. 12th country to approve equal marriage. Photo shared by @Pedro_Zerolo on Twitter

Misaotra, Orogoay. Firenena faha-12 nankatò ny fitovian-jo eo amin'ny fanambadiana. Sary nozarain'i @Pedro_Zerolo tao amin'ny Twitter.

Naneho ny fihetseham-pony ihany koa ireo olom-pirenena tamin'ny alalan'ny tenifahatra #matrimonioigualitarioUY (fanambadiana mitovy ao Orogoay) [es].

Mpisera Twitter Orogoay Teodora (@t_odora) [es] nanoratra hoe:

@t_odora: hoy fue de esos días q hay q festejar sin cuestionarse, la lucha da resultados, el trabajo de hormiga vale la pena #matrimonioigualitarioUY

@t_odora: andro iray tokony hanaovana fankalazana androany ka tsy mila manontany hoe nahoana, nitondra vokatra tsara ny tolona, nody ventiny ny rano natsakaina #matrimonioigualitarioUY

Mpanao mozika Alemàna Bernardez (@GodFatter) kosa [es] nilaza hoe:

@GodFatter: A partir de hoy me siento todavía mas orgulloso de ser uruguayo. Uruguay aprueba el #MatrimonioIgualitarioUY Un país cada día mas justo

@GodFatter: Manomboka androany, rehareha ho ahy indray ny maha-Orogoaiana ahy. Nankatò ny #MatrimonioIgualitarioUY i Orogoay. Firenena mandala ny rariny isan'andro.

Mpisera hafa @colowolman [es] nanoratra hoe:

@colowolman: La verdad es que ya era hora que el Parlamento hiciera algo que pueda mejorar esta sociedad #matrimonioigualitariouy

@colowolman: Raha ny marina dia fotoana izao ho an'ny Antenimiera mba hanaovana zavatra hanatsarana ny fiarahamonina #matrimonioigualitariouy

Na dia eo aza ireo fihetseham-po faly tamin'ny aterineto sy teny an-dalambe, tsy ny rehetra tao amin'ny firenena no nankalaza izany. Araka ny tatitra  [es] avy amin'i El Espectador, nilaza ny Fiangonana Katolika ao Orogoay fa ” nihemotra lavitra ny lalàna” izay napetraka ho ‘fanajana sy fiarovana’ fananganana fianakaviana, lalàmpanorenana fototra ho an'ny fiarahamonintsika’

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.