Nolavin'ny Fitsarana Avo Momba Ny Lalàm-panorenan'i Portiogaly Ireo Fepetra Fitsitsiana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny krizy any Eoropa.

Nolavin'ny [pt] Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana ao Portiogaly ireo fepetra fitsitsiana noheverin'ny governemanta fa ilaina mba hameno ireo fepetrany mikasika ny lamina ho fanitsiana tetibola mitentina 78 miliara euro, izay mbola manokatra lavaka [amin'ny teny anglisy] eo amin'ny 1.3 miliara euro ao amin'ny tetibola 2013-n'i Portiogaly.

Tamin'ny 05 Aprily ny fitsaràna, izay nandinika ny maha-araka ny lalaàm-panorenana ireo fepetra tamin'ny fangatahan'ny Filoha Cavaco Silva sy ireo antoko mpanohitra rehetra tany am-piandohan'ny volana Janoary 2013, dia nanambara fa nandà ny efatra tamin'ireo fepetra sivy notoherina tao anatin'ny tetibolan'ity taona ity. Notsarainy ho manitsakitsaka ny foto-kevitra nijoroan'ny lalàm-panorenana marindanja sy ny fitsinjaràna tsy miangatra ny ziogan-ketra ireo fanapahana tamin'ny karama sy ny fisotroan-dronono ary koa ny fanenàna ny fialantsasatra noho ny aretina sy ny vola fanampiana ho an'ireo tsy n'asa.

Nampitandrina ny Praiminisitra Pedro Passos Coelho fa ny governemanta dia tsy maintsy hitady fampihenàna tetibola any an-kafa mba hanentsenana ny banga.

Ny 6 aprily 2011 i Portiogaly dia nanokatra ny varavarany ho an'ny “troïka”, izay ahitàna ny Tahirim-Bola Iraisam-pirenena (FMI), ny Banky Foibe Eoropeana (BCE) sy ny Fivondronambe Eoropeana (CE), mba hanilika ny trosam-panjakàna. Tamim-panehoankevitra mivaivay no nandraisan'ny vahoaka Portioge ny didim-pitsaràna, taorian'ny roa taona nizakàna fitsitsiana sy fihemorana ara-toekarena.

Portugal's government defeated a no confidence motion, while the move united all the opposition in parliament against austerity policies and rattled the stock market. Photo by Thomas Meyer copyright Demotix (03/04/2013)

Roa andro nialohan'ny nitsipahan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana ireo fepetram-pitsitsiana, ny governemanta tao Portiogaly dia nivoaka sempotra taminà fitsipaham-pitokisana iray nataon'ny mpanohitra hamelezana azy. Sarin'i Thomas Meyer – fizakàmananaDemotix (03/04/2013)

Mikasika ny tetibolam-panjakana ankehitriny izay mitsingilahila taorian'ny nandinihana ny ampahany ny volana Aprily, Max manoratra ao amin'ny blaogy Informação Incorrecta dia nanamafy [pt]  fa manana safidy roa ny governemanta : miangavy amin'ny troika “ny fanalavàm-potoana mba hahafahana manatratra ny tanjona hanentsina ny banga” izay mety hahatratra 5,5% n'ny PIB amin'ity taona ity, na miangavy ampaham-bola amboniny fanampiny indray :

o chumbo do Tribunal representa talvez a única possibilidade para chamar em causa responsabilidades alheias e invocar uma nova ajuda do FMI-BCE-UE.

Que fique claro: um segundo resgate seria uma tragédia e a esperança é que a troika aceite conceder mais tempo para que Portugal consiga alcançar os objectivos orçamentais. Pessoalmente espero estar enganado. Mas não podemos esquecer que o País tem uma economia em recessão, um desemprego que não baixa (e que aumentará nos próximos tempos), enormes juros que têm de ser pagos, receitas fiscais em queda. E nos cofres não há um tostão.

angamba ny fanitsiana nataon'ny fitsarana mety ho làlan-tokana [ho an'ny governemanta] hametraka anaty adihevitra ny andraikitr'olon-kafa sy hangataka fanampiana iray vaovao avy amin'ny FMI-BCE-UE.

Aoka hazava fa : ny ho zava-doza ny fanavotana fanindroany ary ny fanantenana dia enga anie hanaiky ny fanalavam-potoana ny troika mba ho afaka hanarina ny tetibolany i Portiogaly. Enga anie aho manokana mba ho diso. Saingy aoka tsy hohadinointsika fa mihemotra ny toekarem-pirenena, tsy misy fihenany ny tahan'ireo tsy an'asa (ary mbola hitombo amin'ny andro manaraka), zanabola midangana be tsy maintsy mbola haloa, fanangonana hetra mitotongana. Ary tsy misy kirobo intsony ny fitehirizam-bola.

Ao amin'ny bilaogy Aventar, Jorge “Fliscorno” dia niaro ny hoe [pt] ny praiminisitra “nahalala hatramin'ny voalohany fa tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ilay tetibola” saingy nampiasa azy io ho toy ny tetikady iray hanatràrana tanjona izy:

Passos Coelho anunciou que precisa de ir buscar a outro lado o dinheiro que previa sacar ilegalmente aos portugueses. (…) Ficou com um pretexto para prosseguir a política que tem levado a cabo desde que foi eleito e completamente em oposição ao que prometeu enquanto oposição e em campanha eleitoral. (…)

O Primeiro-ministro deste país faltou novamente à palavra e anunciou mais cortes na segurança social, saúde, educação e empresas públicas.

Nanambara i Passos Coelho fa tsy maintsy mikaroka vola avy any an-kafa izy izay nokendreny halaina tsy ara-drariny amin'ny Portiogey (…) Nataony ho antony hahafahana manohy ny politika noraisiny hatramin'ny nahalàny azy izany ary mifanohitra tanteraka amin'izay nampanantenainy fony izy mbola mpanohitra sy mbola nanao fampielezankevita. (..)

Ny praiminisitr'ity firenena ity dia tsy nahatàna ny teny nomeny ary nanambara fanatapahana misimisy kokoa amin'ny fiahiana ara-tsosialy, ny fahasalamana, ny fampianarana sy ny orinasam-panjakana.

Izay no “D week, na herinandro fanapahankevitra ho an'ny politika Portiogey”, hoy Tiago Carrasc, mpanao gazety nanoratra tao amin'ny bilaogy The Crisis Republic. Raha ny marina, nanditra ireo andro vitsy nialoha ny fanambarana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana, nametra-pialana ny Minisitry ny Raharaha Parlemantera Miguel Relvas, izay tànan-kavanana mahabe resaka an'ny praiminisitra [angl], ary ny goavan'ny fanoherana, ny Antoko Sosialista, dia nametraka  fitsipaham-pitokisana [amin'ny teny anglisy] ny fitondram-panjakana teo anoloan'ny Antenimiera, izay tsy tafita nony farany.

Saingy araka ny tenin'i Carrasco, “ho avy amin'ny faran'ny herinandro ny tena fitsipaham-pitokisana” miaraka amin'ny fandalinana ny tetibolan'ny taona 2013. Ary naminavina fa “hirodana ny governemantan'ny fiaraha-mitantana”, hevitra izay efa ifampizaràn'ny maro, ahitàna io sendikàn'ny mpiasa, mpanao politika avy amin'ny antoko mpanohitra ary ireo olon-tsotra :

Voalohany indrindra dia satria efa fanindroany izao  [ny governemanta] no miatrika fahadisoana araka ny lalàm-panorenana. Faharoa, mety hiatrika hetsi-bahoaka goavana [sento] izy ireo. Ary farany (ny tena mafonja indrindra) dia efa nisamantsamaka ilay fiaraha-mitantana anatiny miaraka amin'ireo solombavam-bahoakan'ny PP [Antokom-Bahoaka] miandany amin'ny afovoany, matetika tsy manaiky ireo fepetra fanalalahana sy ireo adihevitra mikasika ny fanavaozana ny minisitera.

Miandry ami-pahatoniana ny firodanana ara-politika voalaza i Portiogaly.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny krizy any Eoropa.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.