Bangladesh: Global Voices Manameloka Ny Fisamborana Bilaogera

Ny Fiarahamonina Global Voices, ahitana bilogera, mpanoratra ary mpikatroka avy amin'ny firenena mihoatra ny 100 no te-haneho ny ahiahiny amin'ny lalana diavin'ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera amin'izao fotoana izao ao Bangladesh.

Ny Alatsinainy 1 Avrily ny sampana mpîtsongo dia ao amin'ny polisin'i Bangladesh dia nitazona bilaogera telo ao Dhaka: Rasel Parvez, Mashiur Rahman Biplob ary Subrata Adhikari Shuvo. Ny alarobia ny polisy nitazona an'i Asif Mohiuddin, bilaogera hafa ary nanambara ny Minisitra Anatiny (atitany) fa mbola misy bilaogera fito hafa hosamborina ato anatin'ny andro vitsivitsy. Ireo lehilahy ireo moa dia hoampangaina ho maniratsira ny Islam sy ny Mpaminany Mohammad ao amin'ny bilaoginy. Andro vitsivitsy mialoha izao fisamborana izao manko, namoaka fandrahonana ho an'ireo bilaogera sy mpisera Facebook mamoaka fanamarihana mivoaka amin'ny mahazatra momba ny Islam sy ny Mpaminany Mohammad ny vondrona maherisetra Islamista; Bilaogy maro no notampenan'ny mpitondra fanjakana vava noho izay antony izay. Tamin'ny 31 Marsa, nanolotra lisitry ny bilaogera 84 ampangaina ho tsy mino an'Andriamanitra sy manohitra ny Islam tamin'ny vaomiera iray natsangan'ny Minisiteran'ny Atitany ny solontenan'ny mpitondra fivavahana mpandala ny mahazatra.

Three arrested bloggers stand with computers and police in the capital. Image by Rehman Asad. Copyright Demotix (2/4/2013)

Bilaogera telo nosamborina mitsagana anoloan'ny solosaina sy ny polisy ao an-drenivohitra. Saripikan'i Rehman Asad. Copyright Demotix (2/4/2013)

Fanirian'ny Global Voices ny hanameloka izany fihetsika izany sy ny mampahatsiahy ny governemantan'i Bangladesh hiaro ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera:
Ny Andininy 39 (1, 2) amin'ny Toko faha-3 amin'ny lalampanorenan'i [PDF] Bangladesh no miantoka ny “fahalalahan'ny eritreritra sy mieritreritra, ary miteny,” azo atao ao anatin'ny “voafaritry ny lalàna” ihany. Demokrasia parlemantera tsy ara-pivavahana i Bangladesh; raha misy olona milaza ny tenany ho tsy mino an'Andriamanitra, manana zo mitovy amin'ny olom-pirenena hafa izy.

Tamin'ny 2000 i Bangladesh no nanasonia ny Dina Iraisampirenena momba ny Zo ara-tsivily sy ara-politika, izay manamafy ny fizorany mankany amin'ny fahalalahana maneho hevitra araka izay voasoratra ao amin'ny Andininy faha-19 ao amin'ny Dina, izay miantoka ny olona rehetra hanan-jò “hanan-kevitra tsy misy fanelingelenana” sy zo haneho hevitra. Voamarika ao fa izany zo izany dia ahitana ny “fahalalahana mitady, handray ary hizara vaovao sy hevitra isan-karazany, tsy ijerena sisintany…”

Mihevitra izahay fa kely ny tsipika manasaraka ny fanarabiana, tsikera ary ny fanompana fivavahana. Tokony hanana mpanolotsaina [mpisolovava] araka ny lalàna ahafahany miaro tena ireo bilaogera nofonjaina ireo.

Mihevitra ny Fiarahamoninay fa voahitsakitsaka amin'ny tsy rariny ny zon'ireo bilaogera voafonja hiteny malalaka. Ankoatra izay, araka ny efa mieli-patrana fa tsy ho voaaro ny fahalalahana maneho hevitra raha tsy mahatsiaro malalaka hiteny tsy misy tahotra sao faizina ny olona tsirairay, manahy izahay fa voarahona ihany koa ny zon'ireo nampidirina lisitra mainty, tahaka ny atahorany ny famaizana ho avy noho ny heviny amin'izao fotoana izao.

Sahiran-kevitra tanteraka ny Global Voices noho izao rahona mihamainty mampatahotra manaloka ny fahalalahana hiteny ao Bangladesh izao. Miantso ny hamotsorana tsy misy hatak'andro ny bilaogera voafonja izahay ary mandrisika ny mpikambana ao amin'ny governemanta hitazona hatrany ny fiantsorohany ny lalana ao amin'ny firenena sy iraisampirenena eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.