Mialona Ny Fiverenan'ny Media Tsy Miankina Ao Myanmar Ny Shinoa

Niteraka fialonana sy fangidiam-panahy teo amin'ireo olom-pirenena Shinoa ny fiverenan'ny gazety tsy miankina tao Myanmar taorian'ny tsy fisian'izany gazety izany nandritra ny dimampolo taona mahery. Manontany ireo Shinoa raha mba hanao tahaka izany ihany koa ny fireneny izay hentitra amin'ny fanaraha-maso ny media ao amin'ny firenena.

Taorian'ny vaovao notaterin’ny [zh] gazety Shinoa Beijing Times fa lafo daholo ny gazety tsy miankina efatra tao Myanmar raha vao tonga teny amin'ny toeram-pivarotana vaovao ny 1 Aprily 2013, niteraka adihevitra mafana teo amin'ireo media Shinoa hafa izany, torak'izany ihany koa ny tao amin'ny sehatry ny media sosialy malaza ao Shina.

Craig McIntosh, tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro China Daily, naneho hevitra tao amin'ilay bilaogy madinika malaza Sina Weibo:

Andro lehibe ho an'i Myanmar. Mandray anjara mavitirika amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ireo fahalalahana hafa ny gazety malalaka, tsy mitanila ary marina.

A screenshot of the report about the Myammar's private newspaper China's Guangxi TV (from youku)

Pikan-tsary tamin'ny gazety tsy miankina ao Myanmar. Sary tao amin'ny fahitalavitra Shinoa Guangxi  (avy amin'i youku)

Tonian-dahatsoratra hafa “Guilin Ribao Laona” nanoratra [zh] hoe:

私人报纸一小步,国家民主一大步……

Dingana kely ho an'ireo gazety tsy miankina, dingana lehibe ho an'ny demokrasian'ny firenena.

Na dia izany aza, somary masiaka ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra, izay hita fa diso fanantenana noho ny sivana atao amin'ny media ao Shina. Hoy i “Xianshi Wangtian” nanoratra [zh]:

向缅甸人民祝贺,我国宪法规定中国公民也有自办报刊的权利,不知什么时候中国公民能依法自办报刊,这也是中国梦,何时成真?

Arahabaina ny vahoakan'i Myanmar. Milaza ihany koa ny lalàmpanorenana eto amin'ny firenenay fa manan-jo  hanana gazety tsy miankina ho azy manokana ny olom-pirenena Shinoa, saingy rahoviana vao afaka hizaka izany zo izany ny olom-pirenena Shinoa araka ny voalazan'ny lalàna? Nofinofin'ny Shinoa izany, rahoviana vao ho tanteraka?

Mpisera iray miantso azy hoe “ShanghaiJuice” namaly hoe:

Tsy hoavy eto Shina mihitsy izany.

Ny iray hafa kosa naneho hevitra [zh] am-piesoesoana hoe:

缅甸也快成民主国家了,我国的朋友越来越少了。

Toa mankany amin'ny dingan'ny demokrasia i Myanmar, ka miha-vitsy hatrany ny naman'i Shina.

Mpaneho hevitra iray hafa antsoina hoe “Liushi Buhuo” nilaza [zh] momba izany fihetseham-po izany:

搞了几十年还不如缅甸越南,再过两年可能连古巴都不如,只能跟朝鲜比高下。

Taorian'ny folo taona mahery nisian'ny fanovana sy ny fisokafana, afaka nandresy antsika i Myanmar sy Vietnam, angamba ao anatin'ny roa taona, hihemotra lavitra noho i Kiobà isika, ka Korea Avaratra sisa no mba azo ampitahaina amintsika.

“Hujin Wenyu”, kosa nanoro hevitra [zh] hoe:

既如此,可到缅甸去,办一份中文报纸,如何?

Koa raha izany, maninona raha manangana gazety Shinoa ao Myanmar?

Na dia izany aza, mpisera iray naneho fanantenana, ary nanoratra [zh] hoe:

Angamba toy izany ihany koa ny hoavin'i Shina? Saingy tsy fantatra hoe firy taona na firy am-polo taona no hahatongavan'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.