Fanamboarana Ireo Paompy Mitete Ho Fikajiana Ny Rano Any Inde

Mety ho nahazo mari-pankasitrahana noho ny asasorany sy ny asatanany ny mpanoratra sy mpanao sary hosodoko Aabid Surti, fa sady nametraka ny dian-tongony taminà sehatra iray hafa ihany koa izy: ny fitehirizana rano. Nandritra ireo fito taona lasa izay, nandany ny Alahadiny mitety ireo trano any Mumbai ilay lehilahy 77 taona, ary manamboatra maimaim-poana ireo paompy mitete.

Amin'izao fotoana ny “The Alternative”, vohikala mipetraka any Bangalore mikatsaka ny hitantara sy hanohana ny fivoarana ara-tsosialy any Inde, dia manatanteraka hetsika fanentanana momba ny fitehirizana maharitra ny rano antsoina hoe Catch Every Drop “Tatazo Ny Tete Rehetra milatsaka” (#catcheverydrop). Ao amin'ny “The Alternative”, mampahafantatra ny asan‘i Aabid Surti amintsika i Kirti:

Tsy tahaka ny rehetra ny fankalazan'ity lehilahy 77 taona ity ny Alahadiny, misafidy tranobe any amin'ny Arabe Mira lavitry ny tànanan'i Mumbai izy ary, miaraka amin'ny “plombier” sy ny mpirotsaka an-tsitrapo iray ao anatin'ny fiara tarihana, mikaroka paompy mitete hamboarina. Maimaim-poana. Ny valisoa azony? “Ranobe voatahiry. Ary indraindray, fanasana hisakafo,” hoy izy amim-pahatsorana. Olona iray ihany no mpiasa ao amin'ny fikambanana tsy miankin’ i Surti, Drop Dead, dia ny tenany.

Aabid Surti, by Aalif Surti (CC BY-NC 3.0).

Aabid Surti, nalaina tao amin'ny bilaogin'i Aalif Surti (CC BY-NC 3.0).

Nitantara ny antony niandohan’ izany rehetra izany ny zanakalahin'i Aabid Surti, Aalif Surti (@SuperAalif):

“Namaky tafatafa iray nifanaovana tamin'ny filohan'ny ONU teo aloha Boutros Boutros Ghali aho,” hoy i Aabid mahatsiaro, “izay nilaza fa amin'ny 2025 dia mahery ny 40 ireo firenena ahiana ho iharan'ny krizin'ny rano. Tadidiko ny fahazazako tany ambanitanàna miady ho anà rano iray gamela. Fantatro fa ny ny tsy fahampian-drano dia midika ho ny faran'ny ain'ny sivilizasiona iray.” Nanodidina izany fotoana izany, tamin'ny 2007, nipetraka tanatin'ny tranonà namana iray izy ary nahatsikartra paompy mitete. Nanelingelina azy izany. Rehefa nomarihany izany, tahaka ny olona hafa, nesorin'ilay namany narahina tsy fivakian-doha ilay izy: lafo loatra sy tsy dia nety ny miantso “plombier” ho anà asa bitika tahaka izany – na ireo “plombier” aza nidrikina tsy ho tonga ho anà fanoloana vitrana (joint) ela niasana fotsiny. Andro vitsy taty aoriana, nahita salan'isa izy tao anatin'ny gazety: ny paompy iray izay manary rano isaky ny iray segondra dia mandany rano aman'arivo litatra maro anatin'ny iray volana. Nampitsiry hevitra izany. Hitondra “plombier” isam-baravarana izy ary hanamboatra paompy maimaimpoana – tranobe iray isaky ny faran'ny herinandro.

Mazava ho azy fa nisy ireo olana teo amin'ny saran'izany asa izany:

Amin'ny maha-mpanakanto azy, nahazo fahavitriana mihoatra noho ny vola izy ary ny olana voalohany tamin'izany dia ny vola enti-miasa. “Nefa,” hoy izy, “raha manana fisainana mendrika ianao, mikolokolo izany ny natiora.” anatin'ny andro vitsivits, naharay hafatra izy fa nomena fankasitrahana Rs.1.00.000 ($2.000) avy amin'ny Hindi Sahitya Sansthan noho ny fandraisany anjara tanatin'ny literatiora Hindi [fankasitrahana avy amin'ny governemantan'i Uttar Pradesh]. Ary indray Alahady maraina tamin'ny 2007, ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Rano, niaraka taminà “plombier” iray izy hamaha ny olan'ireo mpifanolobodirindrina aminy. Natombony tamin'ny fanoloana ny vitrana miendrika peratra O vita avy amin'ny caoutchouc efa tranainy ho vaovao, fividianana fitaovana vaovao eny amin'ny fivarotana ambongadiny. Nantsoniny hoe “Drop Dead” ny fikambanana izay ahitàna azy irery ary namorona teny filamatra izy: tehirizo ny tete rehetra… na matesa ny tete. Isaky ny Alahady, ny ekipan'ny Drop Dead – izay ahitana an'i Aabid tenany, Riyaaz ilay “plombier” ary Tejal  vehivavy mpirotsaka an-tsitrapo – dia misafidy ireo efitry ny tranobe, izay nahazoany alalana avy amin'ireo orinasa misahana ny fampiantranoana, ary manomboka ny asany. Andro iray alohan'izay, nizara taratasy kely manazava ny tanjon'izy ireo i Tejal ary nametraka peta-drindrina any amin'ireo fanakadrihana, na “ascenseur” sy ireo efitra fidirana ao amin'ilay tranobe, manaparitaka ny fanairana mikasika ny krizy goavana ateraky ny rano. Ary ny Alahady hariva, manome toky izy ireo fa maina tanteraka ireo tranobe. Tamin'ny faran'ity taona  voalohany ity, nitsidika trano 1533 teo ho eo izy ireo ary nanamboatra paompy teo amin'ny 400 teo. Nanomboka niparitaka tsikelikely ny vaovao.

Tsy manampy amin'ny fikajiana ny rano irery ihany io tetikasa io, fa mampahery ihany koa ny vondrom-piaraha-monina:

Raha mampaneno fanairana iray hafa i Aabid mandritra ny Alahady iray hafa any amin'ny Arabe Mira, fito taona tao anatin'ny asany nataony samirery, hoy izy: “Afaka manatanteraka tetikasa fikajiana ny rano any amin'ny toerana misy azy manokana ny tsirairay. Izany no hatsaran'ity sehatra ity. Tsy mila vola fanohanana na birao loatra izany. Ary ny tena manan-danja, mamerina ny fahefana ho eo am-pelatànantsika izany.”

Midera ny ezak'i Abid i Pappu (@bhanchik) ao amin'ny Twitter:

@bhanchik: miondrika eo anatrehan'Atoa Aabid Surti ny loha rehetra noho ny asany nataony samirery hikajiana ny rano anatin'izao fotoan-tsarotra izay mahamaina ny distrika 11 izao. Mifohaza.

Ankehitriny dia tian'i Aabid Surti hasiana hetsika sahala amin'izany any amin'ireo faritra hafa ao Inde, mba hitehirizana rano  be indrindra araka izay tratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.