Fahafahana Vonjimaika Ho An'ilay Mpanao Gazety Indiana Naveen Soorinje.

Nosamborina tamin'ny 7 Novambra 2012 i Naveen Soorinje, mpanao gazety amin'ny fahitalavitra raha namoaka ilay loza niseho momba ny “fitondra-tena” izay nahavoarohirohy ireo mpikambana ao amin'ny ankavia hindoue Jagaran Vedike ho nana herisetra tamin'ireo tanora lehilahy sy vehivavy ao Mangalore, India. Nahazo fahafahana vonjimaika avy amin'ny Fitsarana Ambony Karnataka ihany anefa izy.

Noraisina izany fanapaha-kevitra izany taorian'ny fanentanana mavitrika naharitra efa-bolana nataon'ny fianakaviamben'ny mpanao gazety, vondron'ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpikatroka maro izay nanasokajy ny fisamborana ho toy ny tetikady fampitahorana ataon'ny polisy sy ny governemanta tsy hanafenana ny loza niseho ihany fa hangejana ny fahalalahan'ny media ihany koa.

Soorinje

Pikantsary tao amin'ny pejy Facebook manohana ny fanafahana an'i Naveen Soorinje

Tamin'ny 28 jolay 2012, nahazo fampandrenesana fanafihana akaiky ataon'ny polisy amin'ireo tovolahy sy tovovavy izay manao fety ao amin'ny hotely Mangalore i Naveen Soorinje, mpanao gazety ao amin'ny fahitalavitra Kasturi, ao kannada ka nidina avy hatrany tany amin'ilay toerana niaraka tamin'ny fakantsariny. Araka ny filazany, nangina ilay toerana tamin'ny fahatongavany ary tsy nahitàna mpanafika tao ivelan'ny hotely. Tsy fantany noho izany raha fampandrenesana diso no voarainy na tsia.

Fotoana fohy taty aoriana anefa, mpisetrasetra 30 no nipoitra tampoka tao amin'ilay toerana ary araka ny fomba fitantarany nampiasany ny mpisolo anarana voalohany (fanondroany  ny tenany ihany), niezaka niantso polisy i Soorinje saingy tsy nisy namaly mihitsy. Nalain'i Soorinje sary avy eo ny fanafihana niseho, ary nalefa tao amin'ny fahitalavitra ao an-toerana sy ny fahitalavi-panjakana ilay lahatsary afaka fotoana fohy, ka nahasarika ny sain'ireo mponina tao amin'ny firenena ilay loza mahatsiravina niseho.

Satria maro tamin'ireo mpanafika no hita tamin'ny lahatsary ny tavany (tsy nisaron-tava), nampanantsoin'ny polisy avy eo i Soorinje tamin'ny 7 novambra 2012 ary voampanga ho nandray anjara tamin'ny fanomanana ny fanafihana. Nosamborina izy araka ny voafaritr'ireo fehezan-dalàna famaizana indiana marobe, anisan'izany ny fikambanana mpanao ratsy, famoriam-bahoaka tsy nahazoan-dalana, fidirana an-keriny ao amin'ny tanin'olona, fandraisana anjara amin'ny fikomiam-bahoaka miaraka amin'ny fitaova-piadiana mahafaty ary fampiasan-kery amin'ny vehivavy miampy fikasana hanolana. Voalaza fa nanitsakitsaka ny lalàna mandràra “ny fampahafantarana tsy mendrika ireo vehivavy” ihany koa izy”.

Voalaza ihany koa fa niteraka fahafaham-baraka bebe kokoa teo amin'ireo niharam-boina noho ireo mpihetraketraka ny fangalana sy ny famoahana ilay lahatsary tamin'ny fahitalavitra.

Nolavin'i Soorinje anefa ireo fiampangana azy ireo ary nilaza izy fa ny asany no nataony. Tamin'ny fitantarany amin'ny teny anglisy izay navoaka tao amin'ny The Hoot, hoy izy nanoratra:

Ilay loza mahatsiravina sy manala-baraka no navoakanay sy nampahafantarinay, fa tsy ny sary nasehoanay. Tsy loza vao voalohany na tranga vaovao ao amin'ity tanàna ity ny zava-nitranga tao Mangalore tamin'ny 28 jolay. Efa maro ireo karazana loza tahaka izao izay miseho isan-kerinandro. Tsy vitan'ny manafika ireo izay miaraka amin'ireo tovolahy sy tovovavy manana finoana hafa ireo ‘fondamentalista”, fa ho entiny eny amin'ny tobin'ny polisy ihany koa izy ireo. Tsy maintsy niseho foana io loza io na dia tsy nalaiko sary aza. Nampiseho ny endrika lozabe an'ireo mpanao jadona (fasista) ny lahatsary nalainay ary nitarika ny fisamborana ireo mpihetraketraka valo. Na inona lazaina ary na inona fiampangana hanenjehana ahy, ny fantatro dia nanao ny asako araka ny tokony izy aho dia ny fitatera-baovao, fahafaham-po ho ahy izany na dia itondrako fijaliana aza.

Tamin'ny filazana tsy an-kiato fa tsy nahavita heloka izy fa ny asany amin'ny maha mpitati-baovao no nataony tamin'ny fangalan-tsary (sy famoahana) ny zava-niseho, nanao fanentanana manohitra ny politikam-pitantanana izay mikasa “hanasazy ny mpitondra hafatra” ny fianakaviamben'ny mpanao gazety, ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena, ny mpikatroka ny zon'olombelona ary ny mpiserasera. Ary nanatontosa fanangonan-tsonia ho fitakiana ny famotsorana azy sy ny fanesorana ireo fiampangana rehetra hanenjehana ity mpanao gazety ity izy ireo.

Tamin'ny volana desambra, nolavina ny fangatahany fahafahana vonjimaika, ary mbola niaro tena nisambotra mpanao gazety hafa tonga nanatrika ny loza ny polisy. Na dia izany aza, nihanahazo vahana ny fanentanana sy ny hetsi-panoherana ka nanapa-kevitra hanaisotra ireo fiampangana hanenjehana an'i Soorinje ihany ny governemanta. Vaovao mahafaly ny fanambarana momba ny fahazoany fahafahana vonjimaika ary nihevitra mihitsy aza ity mpitati-baovao ity fa “afaka madiodio” izy.

Nalaza ny Twitter mikasika izany vaovao izany, naneho ny hafaliany ireo mpiserasera Indiana raha nahare fa nahazo fahafahana vonjimaika i Soorinje.

Geeta Seshu (@geetaseshu) : Vaovao mahafaly: nahazo fahafahana vonjimaika avy amin'ny lehiben'ny mpitsara shridhar ao ao amin'ny fitsarana ambony karnataka i Naveen soorinje, ilay nitantara momba ny mangalore.

Dhanya Rajendran (@dhanyarajendran) : Neken'ny Fitsarana Ambony ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an'ilay mpanao gazety Naveen Soorinje ! Nanambitana i Naveen manana namana niady mafy ho amin'ny famotsorana azy

Kamayani (@kracktivist) : HOURRAAAAH VAOVAO TSARA NAHAZO FAHAFAHANA VONJIMAIKA I NAVEEN  🙂 http://fb.me/2cKIIZhHS

Na dia izany aza, mbola ho ela vao ho tapitra ny tolona, mahita ny sasany fa dingana voalohany amin'ny fanentanana hisorohana ny fandrahonana ny fampahalalam-baovao sy hanajana ny fahalalahan'ny media izao.

G. Vishnu (@geevishnu) : Nahazo fahafahana vonjimaika i Naveen Soorinje!!! Kanefa…toa mbola eo am-panombohana ny tolona .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.