Nandresy Tamin'ny Lalao Fifaninanana Baseball Manerantany Ny Repoblika Dominikana

Faly sy ravoravo ny fon'ireo Dominikana noho ny ezaka vitany tsy mampino nandritra ny fifaninanana Baseball Klasika Manerantany III. Tamin'ny Talata 19 Martsa 2013, nandrombaka ny fandresena farany tamin'ny Lalao Baseball Manerantany 2013 ny ekipa Dominikana, rehefa avy nandresy ny ekipa nasionaly Poerto Rikàna [es] tamin'ny isa 3-0. Tao anatin'ny Lalao  Klasika, sambany nandrombaka ny fifaninanana manerantany ilay ekipa tsy mety resy. Fotoana nialàna tamin'ny sosialy, toekarena ary politika marefo atrehin'ny firenena ankehitriny iny herinandro lasa iny.

Feno olona mankalaza am-pifaliana ny fandresen'ny ekipa ny arabe Dominikana. Na ny Filoha Danilo Medina aza mba nankafy ny zava-bitan'ny ekipa Dominikana. Tao amin'ny Twitter, hoy ny tao amin'ny fiadidian'ny filoha:

@PresidenciaRD: ¡La bandera dominicana ondea por todo lo alto! ¡República Dominicana se corona campeona del Clásico Mundial de Béisbol 2013! #MangúPower

@PresidenciaRD [es]: Mihofahofa ambony ny saina Dominikana! Nahatratra ny faratampony Manerantany ny Repoblika Dominikana tamin'ny Lalao Baseball Klasika 2013! #MangúPower

Na mpankafy,eny fa na dia ireo tsy mpankafy aza dia samy namorona teny filamatra toy ny hoe “Plátano Power” [ karazana akondro sy nahandro miavaka any Karaiba ny plátano] ary tao amin'ny tambajotra sosialy kosa no nahitana ny tenifahatra #ManguPower, milaza foto-tsakafo miavaka iray, manana anjara toerana lehibe eo amin'ny Dominikana tsirairay avy.

The sports webpage En Pelota posted this image, from some fans at the stadium, where the enthusiasm is evident. Republished with authorization.

Habaka misy ny pejin'ny fanatanjahatena En Pelota, sary nalefan'ireo mpankafy sasany tao amin'ny kianja, izay nahitana ny horakoram-pifaliana. Nahazoan-dalana ny sary.

Mpanao sariitatra Cristian Hernández [es], nizara sary tamin'ireo mpanaraka azy ihany koa ary nilaza ny zavatra tsara vitan'ny ekipa:

Naked Dominican lady: "We won, we defeated the United States!"

Ramatoa Dominikana miboridana: “Nandresy izahay, naharesy an'i Etazonia isika!”

Cristian Hernández. Dominicanos en el Clásico Mundial de Beisbol.

Naneho ny heviny momba ity fifaninanana ity ihany koa ireo olo-malaza. Tania Báez, mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra nilaza tamin'ireo mpanaraka azy hoe:

@TaniaBaezHG: Cero Dieta! El MANGU tiene el verdadero POWER!

@TaniaBaezHG [es]: Tsy misy fifadian-kanina! MANGU no TANJAKA tena izy!

Mpanao gazety fata-daza sy mpiserasera Huchi Lora nizara ny hafaliany ihany koa:

@HuchiLora: El plátano power pesa / y en duelo de tú a tú, / el poderoso mangú / hoy se comió la hamburguesa!

@HuchiLora: Lanjan'ny tanjaky ny Plátano/ ary amin'ny fifanandrinan'olon-droa / hery mangú/ lany ny hamburger androany!

Tamin'ny 18 Martsa sy taorian'ny minitra voalohany tsy dia nanaitra teo amin'ny Repoblika Dominikana, raha nahazo ny isa 1-0 i Holandy, nahavita nanenjika isa efatra ny ekipa Dominikana tamin'ny fizarana faha-dimy, ka tsy resy intsony nanomboka teo ka nandresy tamin'ny fifaninanana manontolo. Tamin'ny taona 2009, niaina faharesena tsy nampoizina ny ekipa Dominikana tamin'ny nanintsanan'i Holandy azy tamin'ny fifaninanana, ary avy eo nifandrina tamin'i Kiobà indray. Na ny Ligin'ny Baseball Dominikana aza namoaka izao tamin'ny kaonty Twitter-ny:

@LigaDomCom: Buenos días fanáticos.. Hoy llego el día de la verdad para nuestra selección Dominicana, hoy vida o muerte con Netherlands. #ManguPower

@LigaDomCom [es]: Miarahaba ireo mpankafy… Andron'ny fahamarinana androany ho an'ny ekipantsika Dominikana, andron'ny aina na ny fahafatesana androany ho an'i Holandy. #ManguPower

Filoha-lefitra Margarita Cedeño de Fernández nizara ny hafaliam-pony tao amin'ny kaonty Twitter-ny:

@MargaritaCDF: Qué gran equipo! #ArribaDominicana! #MangúPower imparable! #OrgulloDominicano

@MargaritaCDF [es]: Tena ekipa mahatalanjona #ArribaDominicana! [Alefa Domikana] #MangúPower Tsy mety resy! #OrgulloDominicano [Reharehan'ny Dominikana]

Toy izao ny fandaharam-potoanan'ny ekipa Dominikana tsy mety resy:

8 Martsa: Nandresy an'i Venezoela ny Dominikana (9-3)

9 Martsa: Nandresy an'i Espaina ny Repoblika Dominikana (3-6).

11 Martsa: Nandresy an'i Poerto-Riko ny Repoblika Dominikana (4-2) ary lasa mitarika vondrona C.

12 Martsa: Resy ny Quisqueya rehefa avy nandresy an'i Italia (5-4).

14 Martsa: Resin'ny Repoblika Dominikana i Etazonia (3-1).

16 Martsa: Mbola resy fanindroany indray i Poerto-Riko (2-0).

18 Martsa: Fandresena manoloana an'i Holandy (4-1).

19 Martsa:  Fandresena farany an'i Poerto Riko (3-0)

*Nalaina tao amin'ny pejy Facebookn'ny World Baseball Classic ny sary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.