Minisitra Saodiana Mandrahona An-tserasera Mpisera Twitter Iray

Voatonona ho nandrahona ny hitory mpisera Twitter iray – noho ny fanompana azy tao amin'ny sehatry ny fibilaogena bitika ny Minisitry ny Fampahalalam-Baovao sy ny Kolontsaina Saodiana Abdelaziz Khoja.

Nisy mpisera iray manana ny anarana @Esaeed1 nisioka toy izao tamin'ny minisitra [ar]:

يا وزير الاعلام كلنا نعرف انك صورة او بالاصح ريموت كنترول في يد اصحاب المال والسلطة رجاءاً لا نريد منك فرد للعضلات مستقبلاً

@Esaeed1: Minisitry ny Fampahalalam-Baovao, fantatray rehetra fa ianao ny dindo na ny marina kokoa Fibaikoan-Davitra eo am-pelatanan'ny manambola sy ny fahefana. Miangavy anao tsy hanenja-tsandry amin'ny manaraka.

Ary dia nisy kaonty Twitter iray (tsy voamarina) tamin'ny anaran'ny minisitra namaly:


@Esaeed1حقيقة من الممكن أن أقاضيك على كلامك اذا كنت شجاعا اكتب اسمك بصراحه

@abdlazizkhoja: Raha ny marina afa-mitory anao tamin'izay nolazainao aho. Mahasahia soraty ny tena anaranao

Namaly i Fahad Al Dahhas:

تقاضيه على رأي يا وزير..انا كنت عارف ان الوزراء عندنا شخبط شخابيط و الحين تأكدت..قاضي نفسك قبل أن تقاضى أمام الله

@FahadAl_Dahhas: Hitory azy noho ny heviny ianao. Efa fantatro fa fako ny minisitsika ary resy lahatra aho ankehitriny. Torio ny tenanao mialoha ny itorianao ny hafa

Ary namaly ny minisitra:

سيدي أسلوبه وتهجمه واتهامه لي بما لا يليق هو الذي دفعني لذلك اذا كان هذا الأسلوب يرضيك للحوار أنا اقبل حكمك

@abdlazizkhoja: Ny fanaony, ny fomba namelezany ahy ary ny fomba iampangany ahy amin'izay tsy mety no nitarika ahy hanao izany. Raha mety aminao izany fomba firesaka izany dia ekeko ny fanapaha-kevitrao.

Mahaliana ny mahita fifanakalozan-kafatra toy izany eo amin'ny mpiserasera sy ny manampahefana ao amin'ny firenena nalahatry ny  Reporters sans Frontieres ho Fahavalon'ny Internet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.