Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

Online Banner for the 54th Anniversary of Tibetan National Uprising Day in Hong Kong.

Sorabaventin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tao Hong Kong.

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong, nikarakara fihaonambe tao amin'ny Tsim Sha Tsu ny Walking along with Tibetans (與西藏同行) hanehoany ny firaisankinany miaraka amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny 10 Martsa 2013. Natao hisaonana ireo Tibetana 113 izay nodorana velona hanoherana ny fanenjehan'ny governemanta sinoa tany Tibet teo anelanelan'ny Febroary 2009 sy Febroary 2013 ihany koa io fotoana io.

Milaza ny fanambaràn'ny fihaonambe hoe:

過去一年,中國政府對西藏鎮壓變本加厲,導致藏曆2139年(即2012年)境內藏人自焚抗議事件愈演愈烈。從2009年2月27日至2013年2月25日,共113位藏人自焚,在境內藏地有109位,在境外有4位,包括15位女性,已知其中94人犧牲(境內92人,境外2人)。這些自焚藏人所留下的遺言,和自焚時喊出最後的響亮心聲是:“讓達賴喇嘛尊者返回西藏”、“祈願達賴喇嘛尊者永久住世”、“西藏要自由”、“民族平等”、“西藏獨立”等等。

Tsy mijanona mitombo ny fanenjehan'ny governemanta Shinoa ireo Tibetana, ao anatin'ny tetiandro Tibetana 2139 [izay midika hoe 2012), mihamaro hatrany ireo fanoherana amin'ny alalan'ny fandoroana velona ny tena. Teo anelanelan'ny 27 Febroary 2009 sy 25 Febroary  2013, mitontaly 113 ireo Tibetana nandoro tena velona. Fandoroana tena 109 no nitranga tany Tibet, 4 tany ivelany. 15 amin'izy ireo no vehivavy, 94 amin'izy ireo no maty (92 avy any Tibet ary 2 avy any andafin'ny riaka). Ny teny faran'izy ireo: “Avelao hiverina any Tibet ny Dalai Lama”, “Ho ela velona ny Dalai Lama”, “Afaho i Tibet”, “Fitovian'ny Etika”, “Tibet mahaleo tena” sns…sns.

Exhibition on Tibet human right situation during the assembly. Photo from inmediahk.net (CC: AT-NC)

Fampisehoana mivelatra mikasika ny toerana nisy ny zon'olombelona tany Tibet natao nandritra ilay fihaonambe. Sary avy amin'ny inmediahk.net (CC: AT-NC)

Nitafatafa tamin’ i Dorothy izay mpikarakara ny hetsika nitsidika an'i TIbet in-telo izao hatramin'ny taona vitsy lasa izay, i Marco Mak,  olon-tsotra mpanadihady :

Dorothy 表示被藏民純樸善良的個性所深深感動,遂在回港後致力為西藏發聲,希望令更多人知道藏民每日要面對的如武裝鎮壓、文化清洗和媒體封鎖等嚴重問題。「藏民被迫去到高樓大廈裡生活,他們失去了以往賴以生存的方式。兒童不能學習藏語,令文化滅絕。我認識的藏人正努力保護自己的宗教文化,他們大多很純真。這與香港的物質生活反差很大…」

Nilaza i Dorothy fa nahatohina azy ny ‘fahatsorana sy hatsaram-panahin'ny Tibetana ary te-hisolo vava azy ireo  any Hong Kong izy mba ho maro ny olona hahafantatra ny fiainan'izy ireo andavanandro amin'ny fanenjehana atrehan'ny Tibetana, toy ny fisavana ara-miaramila, ny fanadiovana ara-kolotsaina, sy ny fanivanana ny vaovao: “Voatery tsy maintsy mipetraka amina trano avo be ny Tibetana ary manova ny fomba fiainany. Tsy mahazo mianatra Tibetana ny ankizy ary potehina ny kolotsainy. Tena miezaka mafy mihitsy ilay Tibetana namako ny hiaro ny fivavahany sy ny kolotsainy. Tsy misy pentina ny fon'izy ireo, ary tena hafa miohatra amin'ny fihetsika mankafy fiainana materialy any Hong Kong…”

Nilaza i Hong Ningshan(韓年山), mpitondra teny avy amin'ny Protect Hong Kong Freedom Coalition (Vovonana Fiarovana Ny Fahalalahan'i Hong Kong) fa misy ifandraisany akaiky amin'i Hong Kong ny zavatra nitranga tany Tibet, ary mpandray anjara maro tao amin'ilay fihaonambe no nizara ny fomba fijeriny. Mitatitra ny tenin'i Hong i Marco:

面對西藏現時不公義的情況,香港人不能再沉默。即使西藏和香港的距離很遙遠,但仍然和香港息息相關。因為中共政權自建國以來,不斷剝削人民的自由;西藏人民的宗教自由和基本人權更是接近去蕪存菁。
他更認為當時中共答允給予西藏人民的宗教自由,和港人的雙普選都只是「權宜之計」;實際遙遙無期。因為中共只會以謊言治國,蒙蔽人民。他呼籲港人必須立即醒覺,盡力避免被重蹈覆轍。

Tsy tokony hangina fotsiny amin'ny tsy rariny any Tibet ny vahoaka any Hong Kong. Na dia mifanalavitra ara-jeografika aza ireo toerana roa ireo, mifandray ihany [eo amin'ny anjarany]. Tena nanararaotra ny fahalalaham-bahoaka mihitsy ny Chinese Communist Party (CCP) – Antoko Kaominista Shinoa – hatramin'ny nananganana ny PRC. Ankehitriny, esorina amin'ny Tibetana ny fivavahana malalaka ary koa ny zon'olombelona.
Mihevitra i Hong fa tetikadiny [hampandriana ny Tibetana] fotsiny ny toky amin'ny fivavahana malalaka nampanantenaina ho an'ny Tibetana, mitovy amin'ny fampanantenana nataon'izy ireo ho amin'ny fifidianana malalaka ho an'ny vahoaka any Hong Kong tsinona ny tranga, tena azo inoana marimarina fa tsy ho tanteraka mihitsy izany fampanantenana izany. Mampiasa ny lainga ny CCP hitondràna ny firenena, ary mamitaka ny vahoaka, ary mila mahafantatra ny tantara ny vahoakan'i Hong Kong mba hialàna amin'izany [zavatra nitranga tany Tibet izany  tsy hitranga ihany koa any Hong Kong].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.