Myanmar: Fanentanana ‘Vonjeo ny Valantsika’

Te hamindra toerana ny Valan-javaboahary Yangon, izay isan'ny marika namantarana ny tanàna hatramin'ny 1906 ny governemantan'i Myanmar. Ny tena marina dia biby eo amin'ny 450 eo no efa nafindra any amin'ny valan-javaboahary hafa any Nay Pyi Taw, renivohitra vaovaon'ny firenena. Niaro ny heviny ny Ministra Soe Thein fa efa loza mandindona ho an'ny fahasalaman'ny vahoaka eo an-tanàna ilay vala. Nanampy ihany koa izy fa azo afindra any amin'ny Valan-javaboahary Nasionaly Hlaw Kar izay any ivelan'i Yangon ity vala ity.

Nandefa fanentanana tamin'ny aterineto ireo mpampiasa aterineto mba hanakanana ity famindran-toerana ity. Nampatsiahy ny manam-pahefana i Mahar Kyaung, izay naneho ny sary “Vonjeo ny Valantsika” tao amin'ny facebook, fa atao eny ampovoan-tanàna ihany koa ny valan-javaboahary any amin'ireo firenena hafa:

Ao ampovoan-tanàna izao no misy ny valan-javaboaharin'i Saigon any Vietnam izay nisokatra tamin'ny 1864. Sahala amin'izany ihany koa, hita ao tanànan'i Jakarta izao ny valan-javaboahary Ragunan izay nisokatra tamin'ny 1864. Tena ao amin'ny tanàna mihitsy koa izao ny valan-javaboaharin'i Manila izay nisokatra tamin'ny 1959 tany Filipina.

Ny tena antony marina (raha ny henoko) dia hoe mitetika ny hamboatra hotely eo amin'ny toeran'ilay valan-javaboahari'i Yangon izy ireo.[…]

Photo - Ma Har Kyaung Facebook Page

Sary – Pejy Facebook Ma Har Kyaung

Ka dia notanisainy avy ao ny antony hanoherany ity soso-kevitra ity:

Satria valan-javaboahary manan-tantara ity valan-javaboahary amin'izao fotoana izao ity;
Satria famatsiam-bola avy amin'ny vahoaka no nananganana azy;
Satria mbola ho fandanindaniam-poana ny tetibolam-pirenena io noho ny filàna manavao ny Hlaw Kar Park;

Satria manahirankirana ihany ny hoe hivoaka ny tanàna ho an'ireo namana sy ny havana tonga hitsidika ny Yangon rehefa avy mitsidika ny Shwedagon Pagoda (Naotin'ny mpanoratra: tena akaikin'ny Shwedagon Pagoda ny valan'ny Yangon ary matetika ireo avy amin'ny tanàna kely sy vohitra kely ireo no mijery ny vala rehefa avy ao amin'ny Shwedagon Pagoda);

Satria aho nahafantatra ny hevitr'ilay jeneraly teo aloha (Ministra Soe Thein) izay te hahazo tombontsoa amin'ny famindràna ny vala.

Raha mbola tian'izy ireo ihany ny hamindra toerana ny vala ho any Hlaw Kar, dia tokony halefantsika hamangy ny tranon'i U Soe Thein ny nenintoantsika tonga hitsidika ny Yangon raha te hitsidika ny vala izy ireo.

Toa sahala amin'ny maro ny mpampiasa aterineto no miombon-kevitra aminy.  Naneho [my] ny alahelony i Naing Lin Ngwehis:

Efa an-dalana indray ny hetsiky ny mafàna fo hampiatoana ity tetikasa ity.

Nanoratra [my] feno fanarabiana i Yan Naung Soe :

Mivavaka amin'i Bodà aho ary enga anie hankasitraka ihany koa ireo andriamanitra hafa. Enga anie izy ireo (ministra) tsy hanana hevitra ny hamindra toerana ny Shwedagon Pagoda.

Manontany [my] i Ko Gyi Kyaw raha mitaraina mikasika ny vala ny mponina:

Lazaina hoe tsy mahasalama izy ity (ny vala), nisy mponina manodidina teo angaha nanohitra azy ity? Ianareo (Ministra) aza tsy mbola teraka akory tamin'ny fotoana nananganana ny vala.

Nizara [my] ny hadisoam-panantenany i Zin Mar Lwin:

Matetika izy ireo no mihevitra fa fandrosoana ny mamindra zavatra any an-kafa. Mampalahelo.

Nanainga [my] ny manampahefana ny hanajanona ny fakàna tombontsoa tsy ara-dalàna i Yar Zar Di Yar Zar:

Leo an'ity fanapotehan-javatra mitranga eto amin'ny firenena amin'izao fotoana ity. (Ianareo dia) tokony efa faly amin'ny harena efa voaangona.

Maro tamin'ireo mpampiasa Facebook izay efa nahita ny lahatsoratra no nametraka indray ny fanontaniana “Indray?”, “Inona indray no tadiavin'izy ireo amin'ity indray maka ity?” sns.

Satria moa tantanan'ny mpandraharaha matanjaka Tay Za an'ny Htoo Trading ny vala amin'izao fotoana izao, dia nilaza ny orinasa fa dia hanaraka ny baikon'ny fitondram-panjakana izy ireo mikasika ny olana eo amin'ilay famindran-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.