Madagasikara, Tamin'ny Taonjato Farany Teo

Manankarena ny tantaran’i Afrika saingy matetika mahantra ara-tahirin-kevitra. Mba hanentsenana io lavaka io ao Madagasikara, nanomboka asa fandraketana niomerika mikasika ireo tranga manan-tantarany ny fiaraha-monina sivily

Miaraka amin’ny finiavana hanome voninahitra sy hitahiry ny tantaran’i Madagasikara, pejy roa ao amin’ny facebook no mirakitra ireo sary anarivorivon’ireo tanandehibe sy ny mponina malagasy Madagascar Hier, na Madagasikara Omaly sy  Il était une fois Madagascar, Indray andro hono Madagasikara.

Indro fijery indray mitopy maso miaraka amin’ny sary vitsivitsy navoaka tao amin’ireo pejy ireo izay tsy maneho fotsiny ny lasa vao haingana fa manome aina koa ny hanina taminà vanim-potoana tsotra, izay tsy mbola nampiharihary ny fahantrana sy ny fahasarotan’ny fiainana andavan’andro. Mba hahafahana mijery ireo sary hafa, tsidiho ny pejy facebook-n’ireo tahiry ireo.

Tahirintsarin’Antananarivo, ny renivohitra :

Ny zaridainan’Andohalo :

Jardin Andohalo — at Antananarivo sur Madagascar Hier

Zaridainan’Andohalo ao Antananarivo tamin’ny Madagascar Hier

Anjerimanontolon’Ankatso :

L'Université d'Anakatso à Antananarivo sur Il était une fois Madagascar

Anjerimanontolon'Ankatso ao Antananarivo

Ny tsena tafolanitr’Anjoma

zoma vintage

Ny tsena tafolanitra rhefa Zoma, tao amin'ny  Il était une fois Madagascar

Tahirin-tsarin’ny tananan’i Toamasina, any amin’ny morontsiraka Atsinanana.

Toamasina, rue du commerce

Toamasina, rue du commerce.

Tovovavy Betsimisaraka

 

jeune fille Betsimisaraka

tovovavy Betsimisaraka

 

Tahirin-tsarin’ny tananan’i Mahajanga, any amin’ny morontsiraka Andrefana

Mahajanga , le bord de mer

Mahajanga, ny moron-dranomasina – boulevard Poincaré

Tahirin-tsarin’ny tananan’i Fianarantsoa, atsimon’i Madagasikara

Fianaratsoa

Fianarantsoa, lapan’ny tanàna

Mpandihy Antandroy, atsimon’i Madagasikara

Danseurs Antadroy dans le Sud de Madagascar

Mpandihy Antandroy any atsimon’i Madagasikara

 

Tahirin-tsarin’ny tananan’Antsiranana, Avaratr’i Madagasikara. 

Ny Cap Diégo

 

Antsiranana - Le Cap Diégo

Antsiranana – Ny Cap Diégo

 

Fanehoan’ny gazety Petit Journal mikasika ny ady tamin’ny mpanjanaka tao Madagasikara

Illustration du Petit Journal sur la guerre coloniale à Madagascar

Fanehoan’ny gazety Petit Journal mikasika ny ady tamin’ny mpanjanaka tao Madagasikara

 

Tsara soritana ireo hetsika roa ireo sy ny tetikasa hafa izay miasa ho amin’ny fikajiana ny tantara malagasy. Nomen’ny mpamaky aina tamin’ny alalan’ireo sarin’ny faritra hafa koa ireo pejy ireo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.