Guyana, Cuba: Habemus Papam, Saingy “Fa Iza Moa Izy”?

Feno ny andro feno iny hatramin'ny nivoahan'ny setroka fotsy tamin'ny Lasapely Sixtine manamarika ny nandrasan'ny Katolika manerana ny tany: Habemus Papam [mg]. Araka ny hita miharihary, ny Fihidiana an-trano nataon'ny Kardinaly no nifidianana ny papa Amerikana Latina sady zezoita voalohany indrindra hatramin'izay, angamba ny iray afa-mahatakatra kokoa ny zava-misy iainan'ny finoan'ny firenena andalam-pandrosoana, izay onenan'ny 40%-n'ny Katolika 1,2 miliara manerantany. Any Karaiba, feno ny fanavaozan-tsata momba ny nifidianana ny Papa mbamin'ny rohy mankany amin'ny lahatsoratra milaza ny lasan'ny Papa ny Facebook – saingy bilaogera vitsy dia vitsy no mba tena nahavita nanoratra momba an'i Bergoglio, izay nifidy ny anarana Papa hoe Fransoà.

Demerara Waves avy any Guyana namoaka indray ny hafatry ny Eveka Katolika Romana ao amin'ny firenena, izay nieritreritra fa ny fifidianana an'i Bergoglio “no mety hampifanakaiky kokoa ny elanelana misy eo amin'i Karaiba sy i Vatican”:

‘Rehefa nambara ny anarany ary nivoaka teo an-davarangana ambony izy, mba hiangavy ny olona fotsiny hivavaka ho azy mialoha ny hitsofan-drano azy ireo; namela marika (hajia) avy hatrany izy. Manome feo fa olona mihaino kokoa ny vahoaka izany lehilahy izany, mahalala ny fetra ananany. Hafatra milaza fa izay rehetra ataony sy tokony ataony, dia ho an'ny vahoaka, avy aminy sy ho azy. Te-hiroso ho an'izany Papa izany fotsiny izahay.’

Ankoatra izany, ny bilaogera Kiobana ihany no tahaka ny nanome lanja. El Cafe Cubano namoaka lahatsary ahitana ny kabary voalohan'ny pontifa vaovao, raha nitatitra ny Havana Times fa “Ny Filoha Kiobàna Raul Castro…dia niarahaba ny Kardinaly Arzantina Jorge Mario Bergoglio, voafidy ho Papa faha-266 an'ny Eglizy Katolika sy filohan'ny fanjakana Vatican City”. Nomarihan'ny lahatsoratra ihany koa fa:

Ity no Papa tsy Eoropeana sady Zezoita voalohoany teo amin'ny tantara, eny fa na dia voatsikera ho tsy nihetsika nandritra ny heloka bevava nataon'ny fitondrana jadona tany Arzantina aza izy, sy tamin'ny fanoherany ny mariazin'ny olona roa mitovy fananahana, fanapaha-kevitra noraisin'ny firenena tamin'ny 2010.

Dariela Aquique, vahinin'ny fibilaogevana ao amin'ny Havana Times, nizara ny fomba fijery mahaliana ka nanontany ny fisainana tao ambadiky ny fankalazana nataon'ny Amerikana Latina maro :

Noho ny taonjato maro nitrandrahana sy nanavakavahan'ny firenena vaventy, dia izay dingana rehetra vita mitodika kokoa mankany amin'ny vahoaka Amerikana Latina dia ankalazaina fatratra avy amin'izay fomba  fijery izay.

Tahaka ny miteny amin'izao tontolo izao hoe: “Mitodiha aty aminay, misy izahay!” Izany no mahatonga ny Amerikana Latina — avy amin'ny paroasy na eny fa na dia tsy mpino aza — faly sy mirehareha tamin'ny nifidianana papa avy amin'ity vazantany iray amin'izao tontolo izao ity.

Sambany teo amin'ny tantara no nisy izany Papa Arzantiniana izany, ary izany no mahatonga ny olona hidina eny an-dalambe hifaly. Maro amin'ny mpitarika eto amin'ny Renim-paritra aza no mamoaka ny fahafinaretany nahita izany zava-misy izany ao amin'ny tambajotra sosialy.

Fa mbola manontany ihany aho… Maninona moa izay toerana nahaterahan'ny Papa? Raha  Eoropeana izy, na Latino, na Afrikana eny fa na Aziatika aza, tsy manova na inona na inona izany raha tsy olombelona feno izy.

Notohizany:

Ity lehilahy ity… nanana tantara manokana izay mampanenina ihany: Niara-niasa tamin'ny jadona tao Arzantina izy. Ankoatra izay, misy ny fiampangana fa nanodina ny olona ho any amin'ny mpitondra fanjakana izy ary ao anaty lisitry ny olona nanjavona ireo olona ireo.

Ankoatra izany, nanohitra ny filoha Arzantiniana Cristina Fernandez izy momba ny fifanambadian'ny olona mitovy fananahana, fijoroan-kevitra lazain-dravehivavy [filoha] ho an'ny olona taraiky.

Izany no tsy hahazoako ny fientanentanan'ny Arzantiniana sy ny Amerikana Latina hafa. Manana ny lanjany ny lasa ary tsy misy mahaova ny omaly ho anio. Ny Papa vaovao , araka ny hevitro, dia mbola ho endrik'ilay fiangonana tratra aoriana hafa koa.

Tahaka ny teo alohany ihany izy, izay efa tao amin'ny Tanoran'i Hitler, nampirisihana ny hangina manoloana ny fiampangana fanolanana, ary voamariky ny trangam-panafintohinana maro ny fotoana nitondrany.

Koa raha mihorakoraka am-pifaliana ny Latina hoe: Habemus Papam, Dia manontany aho hoe: Fa iza moa izy?

Ny hajiantsary nampiasaina tamin'ity tsanganana ity dia an'i faithmouse, nampiasaina noho ny an Attribution-NonCommercial 2.0 Generic Creative Commons license. Tsidiho ny rakitsary flickr an'i faithmouse.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.