Ejypta : Famaritana ny Fahalalahana Nomerika

AFTEwide

Tamin'ny volana febroary lasa teo, namoaka ny fanadihadiana voalohany [amin'ny teny arabo] momba ny fahalalahana nomerika ny fikambanana miaro ny fahalalahan-kevitra sy fahalalaham-pitenenana  ao Ejypta; lahatsoratra mamariparitra ireo karazana zon'Olombelona sy ny fitsipika aman-dalàna rehetra mifandraika amin'izany no hita amin'ny  boky, tahaka ny fidirana amin'ny (teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana), ny fahalalahan-kevitra sy ny fitenenana, ny tsiambaratelo, ny zo momba ny famoronana, ny fampivelarana  sy ny fanavaozana.

Mikasika ny zo fidirana, miresaka momba ny fidirana amin'ny teknolojia sy ny fampahalalam-baovao ny fanadihadiana  amin'ny ankapobeny, ary manasongadina ny tokony hijerena akaiky ireo fepetra lehibe tahaka ny kalitao sy ny saran'ny fifandraisan-davitra ary ny fampifandraisana izany amin'ny filàn'ny vahoaka. Miresaka ny olana mikasika ny fanomezan-dalana ilaina amin'ny fampandehanana sy fampiasana ny tambajotram-pifandraisan-davitra ihany koa ny fanadihadiana. Raha fehezina, toy izao ny famintinan'ny fanambarana momba ny zo hiditra amin'ny seha-pifandraisana:

Ny zon'ny olona hahazo tombotsoa amin'ny fampiasana ny fifandraisan-davitra sy ny teknolojiam-baovao amin'ny alalan'ny fampihenana ireo sakana, fahalavirana sy ny vidiny ary ny fampifanarahana ireo rafitra amin'ny fampiasan'ny tsirairay izany.

Marobe ny ohatra momba ny fidirana amin'ny seha-pifandraisana, ohatra amin'izany ny zon'ireo sembana hampiasa ny teknolojiam-pifandraisana sy ny zo hiditra amin'ny aterineto ary ny fanomezana ireo fitaovana ilaina, na koa ny zon'ny ankizy avy amin'ny faritra ambanivohitra na faritra mahantra hahazo fampianarana momba ny teknolojia sy ny fampahalalam-baovao.

Mikasika ny fitsipika tsiambaratelo nomerika kosa, miresaka momba ireo olana hatrehin'ny mpiserasera ny fanadihadiana, olana izay na avy amin'ny governemanta na avy aminà orinasa mpanome tolotra na koa viriosy mety hanimba ny tsimbaratelon'ireo mpiserasera. Nofaritana toy izao manaraka izao ny tsiambaratelo nomerika:

Ny zon'ny tsirairay hifanerasera lavitry ny fanarahamaso sy ny zony hiaro ny tsiambaratelon'ireo tahiriny  ao amin'ny aterineto, ary ny fandraràna izay mety ho fifehezana rehetra ataon'ny governemanta amin'ireo vondrona na olona tsirairay. Azo sokajiana ho fanitsakitsahana ny zo momba ny fanajana ny fiainan'olona manokana ny fihetsiky ny governemanta sy ireo orinasa manao fanaraha-maso.

Miresaka momba ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto ihany koa ny fanadihadiana amin'ny boky, torak'izany ihany koa ireo fitaovana nomerika manome sehatra hahafahan'ny tsirairay, ny fikambanana, ny mpampita vaovao, ny media sy ireo sehatra hafa haneho ny heviny sy ny fijeriny. Araka izany, nofaritana toy izao ny fahalalaham-pitenenana amin'ny Aterineto:

Zon'ny tsirairay sy ny fikambanana haneho ny heviny amin'ny fomba itiavany azy amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana ahafahana mifandray sy mifanerasera amin'ny aterineto. Tokony hosokajiana ho fitaovana mpampita ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahana amin'ny ankapobeny ny Aterineto.

Ny fitsipika farany resahin'ny fanadihadiana dia momba ny “ny fahalalahana hampiasa, hampandroso sy hitondra zava-baovao” izay mamelabelatra ireo rindrambaiko malalaka, ny filôzôfiany, ny fiantraikany eo amin'ny fampandrosoana, ny fahalalahana nomerika sy teknolojika.

Misy ihany koa ireo lohahevitra hafa noresahina, momba ireo loharano na votoaty malalaka sy ireo rindrambaiko Open source.

Etsy andaniny, avoitran'ny fanadihadiana amin'ity fizarana ity ihany koa ny Andininy faha-15 tamin'ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny zo ara-toekarena, sosialy ary kolontsaina izay mety hifanohitra amin'ny fihetsiky ny governermanta na ireo orinasa mpamokatra teknolojia. Velabelariny ny momba ny fahazoan-dalana hamoaka malalaka ireo votoaty nomerika, rindrambaiko sy ny manodidina izany.

 

Raha hijery ity lahatsoratra amin'ny teny Arabo, tsindrio eto لتحميل ورقة الحريات الرقمية إضغط هنا

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.