Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

Image by RSF, published with permission for reuse.

Sary an'ny RSF, navoaka teo ambany famelàna ho azo averina ampiasaina.

Napetraka manokana ho fitaovana enti-manohitraenti-manentana ary entina manaparitaka fahalalana ny Aterineto sy ireo tambajotra sosialy, ary koa hivoy ny fampivoarana ny zon'olombelona sy ny lanjan'ny demokrasia. Ny tanjona kendrena amin'io andro io dia ny hiarovana ny zon'olombelona ao anaty aterineto, hanandratana ny fahafahan'ny rehetra miditra anaty Aterineto, sy hampiharihariana ireo fahavalon'ny fisokafan'ny Aterineto — miaraka amin'ireo governemanta izay mihalasa mpanara-maso hatrany ny fomba fampiasan'ny vahoakany ny Aterineto.

Hanamarika ny andro amin'ny famoahana ny tatitra isan-taona fanaony mikasika ireo “Fahavalon'ny Aterineto ” ny Reporters Without Borders amin'ny 12:01am (Oran'i Parisy) ny 12 Martsa. Ny tatitra amin'ity taona ity dia hifantoka amin'ny fanaraha-maso ny Aterineto ary hanoritra, tsy ny fihetsik'ireo governemanta manana fitondrana mpamoritra sy fanaraha-maso ny aterineto irery ihany, fa hamakafaka ihany koa ny anjara asan'ireo mpandray anjara anaty orinasa tafiditra anatin'io faritra io.

Namoaka ity lahatsary [ar] manaraka ity ny Fikambanana Ejiptiana ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra sy Miteny , miantso ireo mafana fo sy mpitoraka bilaogy hitoraka bilaogy, hitoraka bitsika, ary hanaparitaka ny teny momba io andro io:

Fantatsika fa mandray anjara tsy tapaka anatin'ity andro ity ihany koa ireo vondrona hafa. Miangavy anao hametraka tsikera eto, na hitoraka bitsika ao amin'ny @Advox ary hilaza amin'ny vondrom-piarahamonina ny fomba hanomezantska haja ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.