Noho Ny Hetsi-panoherana, Lavin'i Taiwan Ny Fidiran'ilay Mpivahiny Mpanohitra Ny Nokleary

Lehilahy Alemana iray izay nilahatra taminà hetsi-panoherana ny nokleary natao roa taona lasa izay [zh], tao Taiwan, no voatàna tao amin'ny seranampiaramanidina iraisampirenen'i Taiwan, sady nolavina ny fahafahany miditra [zh] ao amin'ny firenena, tamin'ny 8 Martsa 2013, andro iray nialoha ny nikarakaran'ireo mpanao hetsi-panoherana hetsika iray goavana hanoherana ny resaka nokleary tao an-toerana.

Daniel Andres Helmdach dia efa voalahatra ao anaty lisitry ny horoahana hiala an'i Taiwan, antony ahiana ho vokatry ny fandraisany anjara taminà hetsika iray nanoherana ny nokleary, tao Kaohsiung ny 30 Aprily 2011 [zh] fony izy mbola tany Taiwan niasa an-tsitrapo ho anà tetikasam-pitahirizana.

Tsy vao voalohany izao i Taiwan no nametraka ny dian-tànany tamin'ny fandraisan'anjaran'ireo vahiny amin'ireo resaka fanoherana ny nokleary ao Taiwan, toerana izay nisedran'ilay asa fananganana ny toby famokarana hery nokleary fahaefatra ny fanakianana henjana noho ny ahiahy momba ny fahatoniana sy fandriampahalemana. Japoney roa avy any Fukushima no nomen'ny biraom-pirenena misahana ny fifindra-monina fampitandremana [zh] avy hatrany taorian'ny nandraisan'izy ireo fitenenana tamin'ny hetsika manohitra ny nokleary tamin'ny 30 Aprily 2011.

Daniel helped to collect rubbish along the coastline of Tainan in 2011. Image from Rui-Kuang Huang's Facebook.

Sary avy amin'i Rui-Kuang Huang.

Yi-Hua Chiang, Praiminisitra, dia niantso ny hanaovana fitsapankevi-bahoaka mikasika ny asa fanorenana ilay toby famokarana hery nokleary amin'ny Aogositra 2013.

Taorian'ny nahafantarany ny fihazonana an'i Helmdach, Rui-Guang Huang, naman'i Helmdach, dia nametraka antso vonjy tao amin'ny pejiny  Facebook:

我們的好朋友今天傍晚入境台灣旅遊,在桃園國際機場被擋在外面不得入境,原因是他兩年前來台灣時,觀察紀錄我們的環境教育活動,結果竟被標記,在未被告知的情形下,此時此刻被擋在機場準備送回德國。

Tonga teto Taiwan mba hizaha tany ny namana tsy foinay io hariva io. Nolavina ny fidirany tao amin'ny Seranampiaramanidina Iraisampirenen'i Tauyuan satria nandray anjara tamin'ny hetsika fanabeazana momba ny tontolo iainana nataontsika teto Taiwan izy roa taona lasa izay. Ny nahazendana anay dia izy no nokinendry ary dia efa omanina horoahana tsy misy fampilazàna mialoha.

Shu-Fen Lin, mpanao lalàna, dia niantso ny lehiben'ny birao misahana ny fifindra-monina sy nangataka tamin'izy ireo hanazava ny fandroahana an'i Daniel. Nilaza [zh] ny birao misahana ny fifindra-monina fa nisy didy navoakan'ny Filankevi-Pilaminam-Pirenena tamin'ny 2010 fa raha manao zavatra tsy voasoratra ao anatin'ny visa nomena azy ny vahiny, holavina mandritra ny telo taona ny fidiran'ilay olona ho any Taiwan.

Helmdach dia mpirotsaka an-tsitrapo niasa tao Taiwan nandritra ny herintaona tamin'ny 2011 tao anatin'ireo fifanaraham-piaraha-miasa nataon'ny International Culture Youth Exchange (ICYE) – fifanakalozana ara-kolontsain'ny tanora erantany, hoy i Rui-Guang Huang nanazava ny endriky ny asa an-tsitrapo nataon'i  Helmdach tamin'izany fotoana :

協助麟洛教會莫拉克風災社區重建工作、參與台南社大海灘廢棄物監測及相關環境關懷行動,在台期間認真學習,並善盡國際志工責任,充分配合服務單位的工作需要,並無任何不當行為。

Nanampy ny tetikasam-pifandraisana tamin'ny fanarenana ny fiangonana Linluo izy taorian'ny Rivomahery Typhoon Morakot ary nanatevina laharana ny asa fanarahamaso ny loto miparitaka eny amin'ny tora-pasika sy mifandray amin'ny asa fikajiana ny natiora. Niasa mafy tao Taiwan izy ary nahavita nanaja ny andraikiny amin'ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo iraisam-pirenena azy. Niara-niasa tamintsika izy ary nanampy antsika hanatanteraka antsakany sy andavany ny tetikasantsika. Tsy nanao zavatra nanafintohina izy.

Taorian'ny loza nokleary nitranga tao Fukushima, Japana, nianatra momba ireo olana mifandraika amin'ny hery nokleary i Daniel sady niara-nilahatra tamin'ireo namany avy ao amin'ny Kolejim-bahoaka tao an-tanànan'i  Tainan nandritra ny hetsi-panoherana ny nokleary [zh] tao Kaohsiung tamin'ny 30 Aprily 2011. Fotoana fohy taorian'ilay hetsika, nisy olon'ny sampan-draharaha miafina tonga nitsidika ilay Kolejim-Bahoaka tao an-tanànan'i Tainan sy ny sampan'ny ICYE tao Tainan, saingy tsy niteny na inona na inona momba ny asa tsy manaraka ny lalàna mety ho nataon'i Daniel ry zareo.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.