Nanolotra Tatitra Farany Ho An'ny Parlemanta Ny Praiminisitra Shinoa Wen Jiabao

Tamin'ny 5 Martsa 2013, noho ny fandehanan'ny Praiminisitra Wen Jiabao hisotro ronono, namaky ny tatitra momba ny zava-bitan'ny governemanta teo imason'ireo mpitati-baovao sy mpanao lalàna tao amin'ny Efi-trano malalaka ao Beijing nandritra ny fivoriana isan-taoana fanaon'ny parlemanta izy, fotoana farany ahitana azy  mikabary ho an'ny firenena ao amin'ny fahitalavitra.

Ny tatitra lavabe momba ny asan'ny governemanta no nanokafana ny Kongresy Nasionalim-bahoaka (NPC) 2013 tao Shina, mpanao lalàna ambony ao amin'ny firenena no mihaona ao Beijing isan-taona isaky ny fiandohan'ny volana Martsa mba handinika momba ny politikam-panjakana.

Handeha hisotro ronono i Wen Jiabao sy ny Filoha Shinoa Hu Jintao amin'ny fiafaran'ny fivorian'ny NPC ary hamindra ny fahefana ho an'i Xi Jinping sy Li Keqiang, izay notendrena ho filoha mpandimby sy Praiminisitra vaovao ao Shina.

Lava loatra ho an'ny vahoaka ny tatitra momba ny asa vitan'i Wen izay saiky naharitra 100 minitra sy anaty 28 pejy. Tamin'ny sary nalefa taminà ny vavahadin-tseraseram-baovao Shinoa, nahitana lehilahy iray nanoaka ary maro hafa sondrian-torimaso.

Saingy ho an'ny maro, veloma farany ny kabariny tao anatin'izay nitondrany nandritra ny 10 taona izay sy ny anjara biriky nentiny tamin'ity fitondrana ity ho famaranana ny tetezamita naharitra ampolo-taona tao amin'ny firenena. Nanasongadina ny zava-bitan'i Shina tao anatin'izay dimy taona lasa izay ny praiminisitra, anisan'izany ny famahana ny krizy ara-bola iraisam-pirenena, ny fitomboan'ny hari-karena faobe tao amin'ny firenena ary ny fametrahana fifamoivozana mandeha amin'ny zana-bolana.

Na dia izany aza, nampitandrina momba ireo olana mianjady amin'ny fiarahamonina Shinoa ihany koa i Wen, indrindra indrindra mikasika ny teritery mamparefo ny toekarena, eo koa ny loto, ny kolikoly sy ny fahadiovan'ny sakafo. 

Fifangaroana hira sy fanakianantena, miendrika modely ho an'ny politika ambony-ambany ao Shina ilay tatitra momba ny asa — hodinihina sy hankatoavina ny hevitry ny tatitra, kanefa ho sarotra ho an'ireo iraka ny hanohitra izany. Parlemanta mpankatò ny ankamaroany, Kongresy Nasionalim-bahoaka no  hiara-hanapa-kevitra momba izany

Olom-pirenena iray avy ao Beijing nanoratra am-panesoesoana tao amin'ny habaka bilaogy-fohy malaza Shinoa mikasika ny andro nanokafana ny Kongresy:

Wen read a carefully scripted government work report to a sea of reporters and legislators at the 2013 China's National People’s Congress.

Afaka mamaky ny tatitra momba ny asan'ny governemanta ao amin'ny Kongresy Nasionalim-bahoaka 2013 ao Shina isika. Sary avy amin'i Owen.

石桥-CRI:评价任何报告,记住八字真言:求真务实,鼓舞人心!放之四海而皆准,随时错不了。

Mba hanombanana ny tatitra, tokony hahatsiaro teny-valo “mantra” ianao: fahamarinana sy fahombiazana, mandrisika sy manome aingam-panahy! Afaka ampiharina amin'ny toerana rehetra sy amin'ny fotoana rehetra.

Mpisera Twitter Sansumao (@yancaiwm) nitaraina hoe:

@俗猫:@向松祚:政府工作报告:成绩和功劳讲了50分钟(从9:05到9:55)。不足和问题讲了3分钟(从9:55到9:58)。确实是一个伟大的好报告!

@yancaiwm: Tatitr'asan'ny Governemanta: Niresaka momba ny zava-bita sy ny fanampiana rehetra nandritra ny 50 minitra (nanomboka tamin'ny 9:05-9:55). Niresaka momba ny tsy fahampiana sy ny olana rehetra nandritra ny telo minitra (from 9:55-9:58). Tena tatitra goavana tokoa izany!

Lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro Global Times Hu Xijin nanoratra tamin'ireo mpanaraka azy telo tapitrisa ao amin'ny Weibo ho fiarovana ny governemanta:

@胡锡进:很多人抱怨政府说的很好,做的却是另一套。根本原因是这部分人的期待与中国改善的实际能力存在差距。这是很大的问题。舆论的要求是对的,希望中国向发达国家看齐这错了吗?没错。但中国只能一步一步来。客观说,中国已是这个世界上改善最快的国家,但对人民来说,没有 最快,只有更快。纠结着往前走吧。

Maro ireo mitaraina fa mampanantena zavatra ny governemanta, saingy zavatra hafa avy eo no tanterahiny. Ny antony lehibe dia satria misy ny elanelana eo amin'izay andrasan'izany vahoaka izany sy ny fahaizan'i Shina hanatsara ny toe-draharaha. Olana goavana izany, marina ny fitakiana avy amin'ny hevi-bahoaka, saingy diso ho an'i Shina mba hibanjinana ny firenena mandroso? Tsia. Saingy afaka mandray dingana iray hatrany i Shina. Rariny ny filazana fa firenena nahitana fandrosoana haingana teo amin'izao tontolo izao i Shina, saingy ho an'ny vahoaka, tsy maharitra loatra izy ireo. Tokony handroso miandalana sy milamina eny isika. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.