Ny Filohan'i Malawi Banda Sy Ny ‘Fitiavan-Tenan'ny’ Mpikambana Parlemantera

Niteraka korontana tao amin'ny parlemanta ny filohan'i Malawi, Joyce Banda, tamin'ny fikirizany fa tsy hahazo vatsin-tsolika goavana [tadiaviny] ny mpikambana ao amin'ny parlemanta, tamin'ny filazany fa tsy manam-bola handoavana izany governemanta.

Nangataka vatsin-tsolika hatramin'ny K10 tapitrisa (manodidina ny $27.778) , notadiaviny hatramin'ny 2009, ny depiote fa tsy nihatsara ny fifandraisan'i Banda tamin'ny mpanao lalàna, raha nifikitra ny depiote maro fa hahazo ny fandraisany anjarany izy ireo. Nangataka vatsin-tsolika hatramin'ny 500 litatra isam-bolana isaky ny depiote ihany koa ry zareo.

President Joyce Banda standing on a podium

Filohan'i Malawi Joyce Banda. Sary avy amin'i Pejy Facebook-n'ny Naman'i Joyce Banda Facebook Page, nahazoana alalana

Nafana dia nafana ny adi-hevitra teo amin'ny Malawita, nifantoka tamin'ny hoe mendrika sa tsia ny hahazo vatsin-tsolika ny depiote raha ratsy ny toe-karen'ny firenena. Miantso ny tsy hiraharahian'ny governemanta izany fangatahana izany ny fikambanana Fiaraha-monim-Pirenena sy ny tsirairay. Manaiky ny fanapahan-kevitra raisin'ny filoha ny bilaogera Pearson Nkhoma sy ny Malawita maromaro ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Karma Mitarika ny Politika any Malawi‘:

Time is nigh to take off the salaries, and the other benefits. We can not afford to be paying our employees more than what we the employers get. We just can not afford such unnatural course of social injustice…the Malawians who employ those employees need to get what the employers get not the other way round; And the employers don't do anything save for introducing unpopular policies like changing the flag bill, injunction bill, the third term bill etc.

Fotoana izao tokony hanesorana ny karama sy ny tombontsoa hafa. Tsy afa-mandoa vola mihoatra noho ny azonay mpampiasa ho an'ny mpiasanay izahay. Tsy mahazaka izany lala-tsy voajanaharin'ny tsy rariny izany izahay… Mila mahazo izay tokony ho anjaran'ny mpampiasa ireo  Malawita izay mampiasa ireo mpampiasa ireo fa tsy ny mifanohitra amin'izany; Ary ny mpampiasa tsy hanao na inona na inona handray ny politika tsy tian'olona tahaka ny lalàna manova saina, lalàm-panerena, lalàn'ny fe-potoana fahatelo sns.

Raha miantso ny hanaovana fitsapa-kevi-bahoaka momba ny fitakian'ny depiote indray i Pearson Nkhoma, ny mpanao gazety Mabvuto Banda miantso azy ireo ho tia tena:

@bvutoB: In my understanding, the MPs have achieved nothing to deserve bonuses, in arrears or not.  As lawmakers, the MPs have just been good at being retrogressive and moving the country in circles. I ask: what can we rationally point as their achievements since 2009?

Amin'ny fahazoako, tsy nahavita na inona na inona ny depiote ka omena tombontsoa, na trosa na tsia. Amin'ny maha-mpanao lalàna azy ireo dia ny fihemorana ihany no hainy sy ny mampihodikodina ny firenena anaty faribolana. Manontany aho; inona no azontsika tondroina ho zava-bitan'izy ireo hatramin'ny 2009?

Mpamaham-bolongana hafa Henry Chizimba mahatsiaro fa tokony hanome habaka ahafahan'ny filoha miaina ihany ny parlemantera. Na dia tsy mpankasitraka ny filoha aza izy, dia nilaza fa mikendry ny hampiongana ny governemanta ireo depiote ireo. Ao amin'ny lahatsoratra milaza izany fivoarana izany ao amin'ny ”Demokrasia an-dalambe ao amin'ny endriny tsara indrindra‘ no namehezany hoe :

If the honorable MPs are serious about serving the people in their constituencies, then let them let the government go this time. Let them give the Banda administration some breathing space hoping that they can pull some economic miracles and be able to pay the recently raised salaries, and more importantly, recover the economy.

At this juncture, the article rests its case but is quick to point out that the honorable MPs’ MK10million demands is both ludicrous and selfish, and at worst, unMalawian. Most sadly, the demand smacks of street democracy at its best.

Raha tena matotra amin'ny fanompoana ny vahoaka sy ny fari-pifidianany ireo depiote hajaina ireo, avelao ry zareo hamela ny governemanta handeha amin'ity indray mitoraka ity. Avelao ry zareo hanome toerana ahafahan'ny fitondrana Banda miaina [misento kely] raha antenaina fa mety hahavita fahagagana ara-toekarena ry zareo ary afaka mandoa ny karama nampakarina, ary ny tena zava-dehibe dia ny ahafahany manarina ny toe-karena.

Amin'izao toe-draharaha izao, mametraka ny tranga ny lahatsoratra saingy maika hanasongadina fa sady mampihomehy no feno fitiavan-tena ny fangatahan'ny depiote hajaina MK 10 tapitrisa, ary ny tena ratsy idrindra dia tsy maha-Malawita. Ny tena mampalahelo, ny fangatahana dia mampitodika amin'ny demokrasia an-dalambe ao amin'ny endriny tsara indrindra

Ny lahatsoratr'i Kondwani Munthali tamin'ny 2011, fony izy nanaraka ny fanolorana ny tetibolam-pirenena ho ahitana tahirin-kevitra sarobidy momba ny ‘karama sy ny tombontsoa’ farany indrindra. Nasongadin'ny lahatsoratra ny elanelan-karama misy eo amin'ny mpiasam-panjakana sy ny depiote. Raha mety ho nisy ny fiovana eo amin'ny lafiny karama tao anatin'ny 18 volana farany, dia mety ho tsy misy lanjany loatra ilay fiovana. Ny fandresen-dahatr'i Munthali:

In essence, the gap between the MP in terms of allowances and entry grade in public service annually is around K3.2 million whilst the ordinary Civil Servant will have to pay for increased minibus fares (spare parts going up), rentals (withholding tax) domestic (meat, offals, water, salt) and with the likely hood of companies downsizing as new taxes adding to low production due to poor electricity and water supply, lack of fuel and shortages of foreign exchange will slow down the economy….

But as poor as they are, the majority whom (an estimated 5 million of the population) live on K300 per day have to continue contributing to the “new found economic freedom” while The President, Ministers and Members of Parliament drive in brand new 4X4 worth K20 million on the market, earn tax breaks for personal vehicles, earn K4 million in allowances annually and more importantly continue to preach prudence to the poor people.

Amin'ny ankapobeny, manodidina ny K3,2 tapitrisa ny elanelan'ny tombontsoa sy ny vola miditra isan-taona nefa ny mpiasam-panjakana tsotra mbola mandoa ny saran'ny minibus miha-miakatra (fiakaran'ny kojakoja),   fanofan-trano (hetra alaina amin'ny karama) ny lany isan'andro (hena, rano, sira) ary miaraka amin'ny orinasa maro mampihena ny mpiasa ao aminy satria mampihisatra ny toe-karena ny fametrahana hetra vaovao mampihena ny famokarana noho ny faharatsian'ny herinaratrasy ny fitsinjaran-drano, tsy fisian'ny solika sy ny devizy (vola vahiny)….

Fa na dia mahantra aza izy ireo, ny ankamaroan'ireo (mponina heverina ho miisa 5 tapitrisa) mandray K300 isan'andro dia tsy maintsy mandray anjara amin'ny «fahalalahana ara-toekarena hita indray» nefa ny Filoha sy ny Mpikambana Parlemantera mitondra fiara tsy mataho-dalana mitentina K20 tapitrisa eny an-tsera, tsy mandoa hetra amin'ny fiara manokana, mahazo tombontsoa K4 tapitrisa isan-taona ary ny lehibe indrindra dia miteny amin'ny mahantra hitandrina [hifehy kibo

Eo am-panarenana ny toe-karen'i Malawi. Hita ho manao izay mety indrindra hahatrarana ireo tara-pandrosoana maro ny fitondrana, saingy manomboka misy fiantraikany ny tsy fisian'ny voamaina nandritra ny volana maromaro, ka mahatonga ny Malawita maro mihevitra fa diso toerana, eny feno fitiavan-tena aza ny fikatian'ny depiote.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.