Melohin'ny Fiangonana Katolika Ny Lalàna Fanamombàna Any Panama

Namoaka lalàna izay mamela ny vehivavy 23 taona no miakatra manan-janaka roa na mihoatra hisafidy malalaka ny ho momba ny Antenimieram-Pirenena Mpanao lalàna tamin'ny 23 febroary 2013.

Nanome fanampim-panazavana ny TVN noticias [es] tao amin'ny tranonkalany:

En tanto el proyecto de ley 196 dispone que la esterilización femenina se hará ante una petición voluntaria de la mujer al médico tratante, por recomendación médica, en estado de emancipación, que tenga uno o más hijos, prueba de no embarazo certificada por una institución pública o por solicitud médica, de tutor o de la persona legalmente responsable de la mujer que tenga una enfermedad mental debidamente acreditada.

Manambara ny Làlana laharana-196 fa azo atao ny manamomba ny vehivavy iray raha toa izy manao fangatahana an-tsitrapo malalaka amin'ny dokotera mpitsabo, noho ny antony ara-pahasalamàna, raha toa moa ka hoe kely dia nanambady ilay vehivavy, raha toa izy manan-janaka iray na mihoatra, ary manana porofo milaza fa tsy bevohoka izy izay nomen'ny hopitalim-panjakana, na koa fangatahana ataon'ny mpitaiza azy na izay olona tompon'andraikitra amin'ilay vehivavy amin'ny dokotera  izay manamarina fa tsy salama saina ilay vehivavy.

Niteraka fanehoan-kveitra avy amin'ny Fiangonana Katolika ity lalàna ity, izay antsoina hoe fepetra  [es] “mihoa-pefy” araka ny nambarany tamin'ny alalan'ny arseveka Metropolitana José Domingo Ulloa. Nitaraina ihany koa ity Arseveka ity fa mametraka an'i Panama ho tandindonin'ny loza amin'ny fiafaràna “antitra be” toy ny firenena Eoropeana maro izay nandray fepetra toy izany koa izy ity.

Nanana fihetseham-po mifangaro ny vahoaka Panameana. Amin'ny lafiny iray, misy ireo mihevitra fa safidin'ny vehivavy manokana ny tsy hiteraka intsony ary tsy manana zo ny hanome ny heviny amin'ny karazana lalàna toy itony ny fiangonana, fa ny hafa kosa tohina tamin'ity lalàna famonoana “aina” ity.

Mihevitra i Ernesto Alvarado fa tanora loatra ny 23 taona ho an'ity dingana ity ary mety hanenina amin'ny hevitra noraisiny ireo vehivavy. Nanoratra toy izao i Ernesto ao amin'ny Hora Cero [es]:

El Peligro que percibo es lo referente a la edad de la persona. En España 1 de cada 100 personas que se ha practicado la esterilización con fines anticonceptivos, busca su des esterilización, por las siguientes razones: cambio de pareja, muerte de los hijos, mejora situación médica o social o razones psicológicas.

 Catedral Metropolitana de la Ciudad de Panamá


Katedralin'ny tanàna Metropolitana ao Panama, sary nalaina tao amin'ny Flickr an'i Javier Volcan teo ambany fahazoan-dalana Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Ny loza azoko an-tsaina dia ny amin'ny taonan'ilay olona. Any Espana, 1 amin'ny olona 100 nanao ny fahamombana tamin'ny fitaovana tsy fampiterahana no mitady ny fomba hanalana izany indray noho ireto antony ireto: niova olona niarahana, fahafatesan'ny zaza, nihatsara ny fahasalamana na ny toerana sosialy misy azy, na noho ny antony ara-psikolojia.

Isan'ny olona manohana ny hevitra fa tokony ho vahan'ny Fiangonana Katolika aloha ny olana anatiny alohan'ny anambaràny ny heviny momba ny tsy fiterahana intsony i Yohel Amat (@te_interesa) [es]:

@te_interesa: ¿Q hacen voceros católicos hablando en contra d la esterilización femenina voluntaria, cuando tienen “el rancho ardiendo”? #WTF #Panama

@te_interesa: Inona àry no idiran'ny mpitondratenin'ny Katolika amin'ny tsy hiterahan'ny vehivavy intsony raha ry zareo aza manana ny olany maro? #WTF #Panama

Milaza i Alfonso Grimaldo (@AlfonsoAGP) [es] fa tompon'andraikitra amin'ny fanapahan-keviny heveriny fa tsara ho an'ny tenany ny olona tsirairay :

@AlfonsoAGP: Your body, your choice. Always. (Tu cuerpo, tu elección, siempre.) Ninguno de nosotros aceptaría que nos dijeran como vivir nuestras vidas.

@AlfonsoAGP: Ny vatanao, safidinao. Izay foana. Tsy hisy mihitsy amintsika hanaiky olona hafa hiteny hoe toy izao no tokony hiainanao.

Mangataka ny fiangonana i Xavier (@tortugaconqueso) [es] tsy hametraka an-tery ny heviny amin'ny hafa:

@tortugaconqueso: Mantengan sus visiones retrógradas de lo que debería ser la sociedad dentro de sus templos y lejos de la asamblea, por favor.

@tortugaconqueso:Tazomy ho anao ao anatin'ny tempolinao ny fijerinao mikasika ny tokony hataon'ny fiarahamonina ary alaviro ny vahoaka izany azafady.

Mizarazara ny fomba fijery ary misy aza ireo Kristiana no manaiky ity lalàna vaovao ity, izay mahatonga ny fifangaroana eo amin'ny tena fanehoan-kevitra marin'ny Fiangonana Katolika, hoy i Ana Lorraine J. (@analorrainej) [es] :

@analorrainej: Yo no se uds pero yo veo hasta religiosos a favor de la ley, no entiendo la posición de Ulloa.

@analorrainej: Tsy haiko ianao, fa izaho aloha nahita relijiozy nanaiky ity lalàna ity ka tsy azoko ny fihetsik'i Ulloa.

Mbola miandry ny sonian'ny filoha ilay lalàna, kanefa toa tsinjo fa hoarahana ny tenin'ny Fiangonana Katolika, satria nanome toky ny hiresaka amin'ny Filoha Ricardo Martinell ny Filohan'ny Antenimieram-Pirenena Mpanao Lalàna, mba hanao fanovàna maromaro, araka ny notaterin'i La Critica [es]:

Gálvez indicó que conversaría con el presidente Ricardo Martinelli para ver de qué manera se modificaban algunos temas que son de la objeción de la Iglesia católica.

Nanipika i Gálvez fa hiresaka amin'ny Filoha Ricardo Martinelli ny tenany hijerena ny olana sasantsasany izay lavin'ny Fiangonana Katolika fa tokony asiana fanovàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.