Shina, Nalefa Mivantana Tamin'ny Fahitalavitra Ny Famonoana Ilay Birmana Lehiben'ny Zava-Mahadomelina

Novonoina tamin'ny alàlan'ny fanindromana zava-mahafaty tany Kunming, Shina ny 1 Martsa 2013 teo i Naw Kham, ilay Birmana lehiben'ny jiolahy mpivarotra zava-maha-domelina any amin'ny faritra malaza “Telozoro Volamena” any Atsimo Atsinanan'i Azia. Na dia tsy nalaza loatra aza izy talohan'ny nahafatesany, dia nanjary resabe avy hatrany tany Myanmar ny fiainany taorian'ny namonoana azy

Mpampiasa Facebook vitsivitsy no natahotra tamin'ny fahafantarana fa nalefan'ny tambajotran'ny haino aman-jery Shinoa mivantana tamin'ny fahitalavitra ilay famonoana [ilaina ny fahanginan'ny mpijery].

Soratan'i Khin Khin Oo[my] ny tahony :

Fandefasana amin'ny fahitalavitra ny famonoana ? Tena tsy araka ny maha-olona !

Naw Kham Before Execution

Naw Kham talohan'ny famonoana azy. Dikasary avy amin'ny CCTV News video.

I Than Thar Win, mpihira fanta-daza ao an-toerana, dia nanakiana ihany koa ny fandefasana mivantana tamin'ny fahitalavitra ilay famonoana :

Azo ekena ny manasazy olo-meloka. Fa heveriko fa tsy tokony natao ny fandefasana mivantana ny famonoana  nataon'ny sasany tamin'ireo fahitalavitra Shinoa .

Mbola nampian'i [my] Khin Zarny Htut:

Rehefa meloka dia meloka. Fa amin'ny maha-olona, dia malahelo aho amin'ny famonoana tahaka izao.

Nisy ihany koa ireo nanakiana ny governemanta Myanmar tamin'ny tsy nangatahany fifanakalozana gadra tamin'ny Shina. Izao no nolazain'i La Yeik Cho [my]:

Tokony nangataka famindràna gadra ny governemantantsika. Nahoana no navelany ho eo an-tànan'ny Shinoa ny vintan'i  Naw Kham?

Ny mpampiasa Facebook hafa, i Nay Min Kha, dia nampitaha [my] ny toe-draharaha amin'ny vahiny nanao heloka migadra any Myanmar sy ny gadra Myanmar any amin'ny firenena hafa :

Nafahanay mora foana ireo (vahiny) izay nanao heloka taty Myanmar. Fa tsy mbola nandre aho hoe nisy teratany Myanmar voatàna any amin'ny firenen-kafa natao tahaka izany. Raha ny marina, na dia nanao heloka aza i Naw Kham, dia tokony ho any Myanmar no nanamelohana azy ho faty. […]

Heverin'i [my] Nay Tar Gay fa tokony nafindra any Shina ireo teratany  Shinoa nanao heloka bevava goavana tany Myanmar :

Na inona na inona karazana vesatra, dia tokony hafindra any amin'ny fireneny ireo olo-meloka ary tsaraina araka ny lalàna ao amin'ny fireneny. Tena azo antoka fa nafindran'ny governemanta Myanmar izy (ho any Shina) raha toa ka teratany shinoa.

Etsy andanin'izany, dia tsy hitan'ireo sasany mpiserasera amin'ny aterineto izay maha-samy hafa ny famonoana any Myanmar sy any Shina. Namoaka  lahatsoratra fohy  manazava ny antony maha-marina ny fanapahan-kevitry ny governemanta Myanmar tamin'ny tsy nanaovany fifanarahana famindràna gadra ho an'i Naw Kham i Ei Maung :

Marina fa tsy maintsy miaro ny terataniny ny firenena iray. Eny, na ny fifanarahana tany Vienne aza dia manolo-kevitra mba hamindran'ny firenena ny gadra ho mariky ny fanajàna.

Nefa, hadalàna ny miteny fa tokony ho nangataka ny famindràna ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina ny governemanta ao Myanmar. Fa efa tsy misaina ve ireo olona ireo ? […] Ny tsy famindràna ny mpamono vahoaka na ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina dia tsy misy tsy fanajàna. Manana  ” fiarovana nasionaliny” izy ireo raha ny momba ny fanajàna amin'ireny tranga ireny.[…]

“Aza manao fanapahan-kevitra tsy matotra” satria tsy tianao tsotra izao ny governemanta. Na dia nanao  fangatahana tahaka izany aza ny governemanta Myanmar, dia tsy neken'ny Shina ary ny fitsipahana tahaka izany dia “manimba tsy amin'antony ny fifanarahana”. Nanao izay nety ny Governemanta…

Nambaran'i Winston Compunuts fa tsy misy fifanarahana famindràna gadra eo amin'ny governemanta Myanmar sy ny governemanta Shinoa :

Amin'ny fifanakalozana na famindràna gadra,dia tokony hanao fifanarahana maromaro ny firenena roa. Tsy miantoka afa-tsy ny maha-olona sy ny fidirana amin'ny fisehoan'ny marina ny fifanarahana tany Genève ( na dia miovaova arakaraky ny firenena aza ny famaritana izany). Tsy maintsy nisy talohan'ny fisamborana ny fifanarahana momba ny famindràna gadra. Araka ny fahafantarako azy, dia tsy nisy fifanarahana tahaka izany teo amin'ireo firenena roa ireo, Shina sy Birmania. Heveriko fa manana ny rariny ny governemanta Birmane tamin'ny TSY nanarahany izany satria tsy dia misy vokany loatra izany ary nahoana no laniana amin'ny zavatra tsy azo antoka ny volan'ny hetra? Misy tranga indraindray, izay na dia ny firenena matanjaka tahaka an'i Etazonia aza tsy mahavonjy ny terataniny na mampody azy ireny mba hanefa ny saziny.

Nanjary naresaka be ilay fanazavana fohy  nataon'i Hkam Awng momba an'i Naw Kham :

Nanjary olona nokarohina tany Myanmar, Laos ary Thailand izy rehefa avy nametraka ny làlam-barotry ny zava-mahadomeliny avy any Myanmar mankany Laos, avy eo mankany Thailand, Vietnam, Hong Kong ary Shina. […] Farany ,tsy tantin'ireo firenena efatra (Myanmar, Laos, Thailand ary Shina) intsony ny zavatra nataony rehefa avy nanodina sambo Shinoa iray, namono ireo tantsambo ary nanary ny fatin'izy ireo tany anaty renirano.  […] Mba hahafahana miara-miasa  amin'ny fivarotana zava-mahadomelina, dia nanao sonia ny fifanarahana  Ady amin'ny varotra an-tsokosoko zava-mahadomelina maha-lasa adala sy ireo zava-mahadomelina manakorontana ny atidoha  nataon'ny Firenena Mikambana ny 1988 ny firenena tsirairay saingy navahan'i Myanmar ilay ampahany mikasika ny fanakalozana olo-meloka. Izany no antony nahatonga ny governemanta Myanmar tsy hamindra mihitsy an'i Khun Sa sy ireo lehibenà ‘Wa’ sasany nampangain'i Etazonia.[…] Na izany aza, tsy momba ny sazy fara-tampony sy ny fanamelohana ho faty aho.

Tamin'ny 2 Martsa 2013, nandrakotra ny pejin'ny Facebook-n'ny  masoivohon'ny Shina any Myanmar tamin'ny fandefasana hafatra  R.I.P ho an'i  Naw Kham ireo mpisera anaty aterineto avy any Myanmar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.