Kianja Sa Sekoly: Diso Toerana Ny Laharam-Pahamehana Ao Slovakia

Fony tamin'ny faran'ny 2012 dia an'aliny ireo Slovaky mpampianatra no nanao fitokonana faobe nanerana ny firenena, nitakiana fisondrotan-karama 10 isan-jato, fa tsy nahazo afa-tsy 5 izan-jato ry zareo tamin'izany – miaraka amin'ny fanazavana nataon'ny Minisitry ny Fanabeazana manao hoe  “raha nisy vola tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, mety nahazo hatramin'ny 20 isan-jato ireo mpampianatra.”

Bratislava, Slovakia (Nov. 2012): a teacher is ringing a bell against low pay. Photo by Martina STRMEŇOVÁ, copyright © Demotix (11/26/12).

Bratislava, Slovakia (Nov. 2012): mampaneno lakolosy ny mpampianatra iray hanoherany ny karama vary masaka. Sary avy amin'i Martina STRMEŇOVÁ, fizakà-manana © Demotix (11/26/12).

Volana vitsy taty aoriana, io minisitra io ihany – Dušan Čaplovič – no nanambàra drafitra [sk] handaniana 45 tapitrisa euros (4.5 tapitrisa euros isan-taona mandritra ny folo-taona) amin'ny fananganana kianja iray filalaovana baolina kitra manerana ny firenena, ho ampiasain'ny Ligin'ny Baolina Kitra Slovaky. Io bolongam-bola io, izay tsy mahaefa akory ny fananganana ilay National Football Stadium vaovao ao Bratislava renivohitra, dia kely lavitra noho izay fisondrotana takian'ireo mpampianatra ao anatin'ny taona iray. Nefa kosa, diso fanantenana ireo mpampianatra, tsy noho ny karama vary masaka raisin'izy ireo ihany, fa koa noho ny tsy fahampian'ny kitapom-bolam-panjakana ho an'ny fanabeazana amin'ny ankapobeny.

A banner on a school building in Slovakia reads: "The dignity of a teacher = The future of this country." Photo by Igor Svítok, copyright © Demotix (11/22/12).

Sorabaventy iray teo amin'ny tranoben'ny sekoly iray tao  Slovakia mivaky hoe : “Ny maha-olona ny mpampianatra iray = Ny hoavin'ity firenena ity.” Sary avy amin'i Igor Svítok, fizakà-manana © Demotix (11/22/12).

Maro ao Slovakia no miahiahy fa ny antony ao ambadiky ny fahadisoan-toeran'ny laharam-pahamehana toy izany dia ambara fa noho ny maha-voarohirohy ny antoko eo amin'ny fitondràna amin'ny famatsiam-bola azo avy amin'ireo kliobanà mpilalao baolina kitra sy ny indotrian'ny fanorenana. Ny Minisitry ny Fanabeazana, na izany aza, dia miresaka ilay fananganana kianja ho toy ny fanapahan-kevitra stratejika ho fanohanana ny andian-taranaka tanora ho avy.

Ny lahatsoratry ny SME.sk [sk] mifandrohy amin'itsy ambony dia niteraka fanehoankevitra an-jatony, ary eto ambany ny sasany amin'izy ireny.

Kiixxela:

Tsy misy saina, aza avela hiresaka fanatanjahantena sy ny fahasalaman'ny tanora amintsika akory ry  zareo ireo, satria tsy ho [avela] hanitsaka akory an'ireny kianja/filalaovana ireny ny faladian'ireo manan'aina [tsotra] mandritra ny      androm-piainany [manontolo].

Aqua Viva:

Ho an'iza no ananganantsika an'ireny kianja ireny? Ho an'ireo jiolahimboto izay ho avy ao fotsiny hifandramatra sy hanimba ilay kianja ve? Hitentina hoatrinona ny fanapariahana polisy hiantoka ny fanaraha-maso tsy mitsahatra ny lalao tahaka ireny?

belnea:

Fa fomba ahoana no hankanesantsika any amin'ireo kianja e?  Tapaka ny làlana. [Tamin'ity taona ity dia tena faran'izay ratsy tokoa ireo arabe Slovaky.]

mala pistacia:

Inona no hataon'ireo tsy an'asa [eto Slovakia] mandritra ny andro? Ny maraina, mandeha any amin'ny birao fiasana ry zareo, ny hariva – any aminà lalao baolina kitra.

Timmy_A:

Fanampin'izay, tena tsy misy dikany tanteraka mihitsy  ny hanangana kianja [vaovao iray] eto raha olona zara raha roanjato monja no hita hatrany mamonjy ny kianja tranainy Locomotive Stadium.

ja111:

Nefa ireo kamarady mahatra tsy misy apoakan'ny ‘mafia’ dia nividy […] tarika mpilalao baolina kitra ary amin'izao fotoana ry zalahy tsy manam-bola intsony […] noho izany dia tsy maintsy ny fanjakàna no manefa izany !

Cule de FCB:

Mirodana eny an-tampon-dohan'ny mpianatra sy ny mpampianatra ireo sekoly. Tsy misy asa fanorenana vaovao ilaina ve ? Tsara kokoa ny manome vola ho anà kliobanà baolina kitra tantanan'OLON-TSOTRA ?

provokater128:

Hanolotra vola isika ho anà kianja maro – toerana izay in-20 isan-taona no handehanan'olona 500 eo ho eo hijery baolina. Ary dia migorodana ny sekoly – toerana alehan'ny ankizy 500 mandritra ny 200 andro isan-taona, ary any ny rivotra dia mitsoka azy ireo ao an-dakilasy miditra amin'ireo varavarankely vaky fitaratra – fa tsy olana izany.

Deju:

Ao Slovakia, efa ho 50-60 taona ny varavarankelin'ireo sekoly, ary noho io, mangatsiaka any amin'ireny sekoly ireny sady koa vola be no lany amin'ny fanafanàna. Heveriko fa ilaina ny mamaritra ny laharam-pahamehana. […]

panza09:

hm, inona no mba holazain'ireo sekoly 45 tena simba be manoloana ity 84.000 euros isan-taona …hmmmmmm

Chocholko [ho valiny]:

Mety hoy zareo hoe, “Tena nofy mahafinaritra izy izany.”

iwko:

Mpampianatra ilay vehivavy olon-tiako, nahazo fisondrotana 5 isan-jato izy, saingy sintonin-dry zareo ary amin'ny kajikajy rehetra [amin'ny vatan-karamany] ilay izy avy eo, noho izany 10 isan-jato miiba no azony, olona nahazo diplaoma teny amin'ny anjerimanontolo, miditra amin'ny faha-2 taona iasàny ho mpampianatra teny anglisy ary mitondra 400 euros mody [isam-bolana], ary eny, miainga amin'ny 7 maraina izy handeha hiasa, ary mirava amin'ny 2 tolakandro, ary ny tolakandro izy mandeha mampianatra ihany koa any aminà sekoly iray [tsy miankina] mampianatra tenim-pirenena [mba hahazo vola amboniny].

fff01:

A photo with nice-looking athletes brings more votes to a politican than a photo with a satisfied teacher.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.