Thailand: Fandresen'ny Mpanohitra Tsy Nampoizina ao Bangkok Tamin'ny Fifidianana Governora

Voafidy indray ho governoran'i Bangkok i Sukhumbhand Paribatra avy amin'ny mpanohitra Antoko Demokraty na dia eo aza ny fitsapa-kevitra nivoaka nanombana ny fahareseny amin'ny fifidianana.

Bangkok Pundit namoaka ny fanadihadiana santatra ambavarano momba ny tarehintsoratra tamin'ny fifidianana :

E. This is also the closest election in terms of narrowest margin (180,000 vs 292,402 in 2004) or % (6.5% vs 12.3% in 2004).

F. The vote for independents drops to less than 300,000 votes or 11.28%. As is happening nationally, Thailand is becoming more of a two-party system.

E. Ity ihany koa no fifidianana akaiky indrindra mifampitana akaiky ny mpifaninana ( 180.000 vs 292.402 tamin'ny 2004) na (eo amin'ny isan-jato 6,5% vs 12,3% tamin'ny 2004).

F. Nidina ho ambanin'ny 300.000 na 11,28% ny vato azon'ny tsy miankina. Tahaka izay hita taratra eo amin'ny sehatra nasionaly, mihamanakaiky hatrany ny rafitra antoko roa i Thailand.

Bangkok Governor Sukhumbhand Paribatra holding a press conference. Photo by Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (3/3/2013)

Governoran'i Bangkok Sukhumbhand Paribatra manao valan-dresaka. Saripikan'i Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (3/3/2013)

Bangkok Governor Sukhumbhand Paribatra beside former Thailand Prime Minister Abhisit Vejjajiva. Photo by Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (3/3/2013)

Governoran'i Bangkok Sukhumbhand Paribatra eo anilan'ny Praiminisitr'i Thailand teo aloha Abhisit Vejjajiva. Saripikan'i Piti A Sahakorn, Copyright @Demotix (3/3/2013)

Tamin'ny alalan'ny fampiasana tenifahatra #bkkvote no nahitana ny fanehoan-kevitry ny mpiserasera Thailandey sasantsasany

@Tinapotjanank If I were a bangkokian, I would vote for Suharit (no.17) anyway congrats to Sukhumbhand, four more (boring) years…

Raha Bangkokiana aho dia nifidy an'i Suharit (no.17) fa miarahaba an'i Sukhumbhand hitondra efa-taona (mampanoaka) indray…

@tulsathit Oh, before I go, the much-taunted Sukhumbhand seems to have broken Samak Sundaravej's record as the biggest vote gatherer.

Oh, mialoha kely ny andehanako, ilay nogidragidraina am-bava indrindra Sukhumbhand no hita taratra nanamontsana ny vato nahavory olona be indrindra azon'i Samak Sundaravej

@veen_NT Historical Bangkok voter turnout at 64% – good job Bangkokians, do try harder next time.

Fandraisana anjara manantantara amin'ny fifidianana ao Bangkok manodidina ny 64% – asa tsara ry Bangkok, ataovy tsara kokoa amin'ny manaraka.

‏@Saksith If I'm not mistaken, Bangkok and one other province are the only ones where the Governor is elected, the rest appointed.

Raha tsy diso aho, dia Bangkok sy faritany iray hafa ihany no ahitana Governora voafidy, ny an'ny hafa notendrena.

Praj Kiatpongsan mijery ny tao amin'ny foiben-toeran'ny antoko resy:

The atmosphere at the Pheu Thai party headquarters on Petchburi Road turned bitter as some supporters of Pongsapat angrily punched a TV screen, screamed profanity and pointed their fingers at the face of MR Sukhumbhand Partibatra, who was addressing a victory speech live from the Democrat Party headquarters.

Narikivy ny toe-draharaha tao amin'ny foiben'ny antoko Pheu Thai tao amin'ny lalana  Petchburi raha nanatsatotsatoka Efijerin'ny TV ny mpanohana an'i Pongsapat, mihiakiaka teny tsy maotona ary manondrotondro ny tavan'Atoa  Sukhumbhand Partibatra izay manao kabarim-pandresena mivantana avy any amin'ny foiben'ny Antoko Demokraty.

Mandrisika ny sampan-draharaha mpanao fitsapa-kevitra hijery indray ny [fomba fiasany sy ny] teknika i Suthichai Yoon :

Various polling agencies must now conduct some serious soul-searching and to revise their polling techniques which have now been proven seriously flawed. It would take quite a while before any trust in all those well-known polls could be restored. And they must admit that it's unfair and unprofessional to blame it all on the respondents who have been accused of the pollsters of having “lied” to the volunteers seeking their views.

Bangkokians have spoken, and loudly so…with almost 64% voter turnout, much higher than the last election despite the downpours in certain constituencies this afternoon

Tokony handini-tena lalina sy hijery ny teknikam-panadihadiana fanaony izay voaporofo fa ahitana fahabangana manahirana ireo sampan-draharaham-pitsapa-kevitra isan-karazany. Mbola hisy fotoana maharitra indray vao mety hiverina ny fitokisana ireo orinasam-pitsapa-kevitra malaza ireo. Ary tokony eken-dry zareo fa tsy rariny sy tsy matihanina ny mibedy ireo nameno ny heviny izay lazain'ny mpitsapa hevitra ho “mandainga” amin'ireo mpanolo-tena nanontany ny fijerin'izy ireo.

Efa niteny ny BangKokiana, ary niteny mafy… tamin'ny alalan'ny fandraisana anjaran'ny mpifidy manakaiky ny 64%, mbola ambony noho ny tamin'ny fifidianana farany na dia avy aza ny orana tany amin'ny fari-pifidianana sasany tamin'ny tolakandro

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.