Rà Mandriaka Sy Bala no Miteny Irery Mialoha Ny Fihaonambem-Pirenena ao Yemen

Nizaka ny vokatry ny fitsidihana tara loatra tao Aden ny filohan'ny Yemenita Abdrabuh Mansur Hadi tamin'ny Alahady hariva 24 Febroary, taorian'ny efatra andro nisian'ny fifandonana mihoson-drà mbola mitohy ankehitriny, izay niseho teo amin'ny polisy sy ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny fahaleovantena tamin'ny [Alakamisy 21 Febroary] izay nahatonga aina nafoy sy naratra marobe. Tsara ny manamarika fa ity no fitsidihana voalohany nataony taminà tanàna ao Yemen, ivelan'ny renivohitra Sanaa, hatramin'ny naha-lasa filoha azy tamin'ny 27 Febroary 2012.

Mpanao gazety Adam Baron naneho hevitra tao amin'ny Twitter:

@adammbaron: tsara marihana? nitsidika an'i Etazonia, Saodita, sy firenena Golfa hafa, sns i hadi, amin'ny maha-filoha azy talohan'ny nitsidihany an'i aden. mbola, fihetsika fetsifetsy. #yemen

Nosamborin'ny polisy ireo mpitarika ny fisintahana iray andro mialoha ny fihetsiketsehana fifanandrinana nokasaina natao ho fankalazana ny tsingerin-taona voalohany nisianà fifidianana tsy notoherina izay nahavoafidy ny filoha Abd Rabbo Mansour Hadi ka namarana ny fitondrana jadon'i Saleh naharitra 33 taona, taorian'ny taona maro nisian'ny fitroarana namoizana ain'olona marobe.

A protester holding a sign that reads in Arabic "unity or death is a bloody slogan and a separatist speech."

Mpanao fihetsiketsehana milanja marika misoratra amin'ny teny Arabo hoe “firaisana na fahafatesana no teny filamatry ny mpandatsa-drà sy ny kabarin'ny separatista.”

Nanambara ny mpanohana sy ny mpanohitra an'i Hadi [olona avy any Atsimo ihany i Hadi], fa hanatontosa fihetsiketsehana fifanandrinana izy ireo amin'ny Alakamisy, ka niteraka tahotra mety hisian'ny fifandonana ao Aden izany. Niantso fihetsiketseham-panohanana an'i Hadi ao amin'ny distrikan'i Khor Maksar ny Antoko Islamista Al Islah (fanovana), izay toerana nokasain'ireo mpisintaka miantso ho amin'ny fahaleovan-tena hanaovana fihetsiketseham-pahaleovantena ihany koa, amin'ny andro iray sy kianja iray ihany.

Alaa Isam nisioka hoe:

@AlaaIsam: Hetsika feno fitandremana ao an-dalamben'i #Aden…Toa tahaka ny hitranga avokoa ireo zavatra ratsy nahiana. Enga anie mba tsy ho izany, hitahy azy ireo ny Tompo. #Yemen #yf

@AlaaIsam:
#Sary mampiseho ny fankalazana nataon'ny Antoko Islah tao #Aden #SouthYemen #Yemen #yf @hrw pic.twitter.com/gn7XddOV7Y

Pro-Hadi rally in Aden organized by Islah party and escorted by security forces

Fihetsiketsehan'ireo mpanohana an'i Hadi tao Aden nokarakarain'ny Antoko Islah ary narahin'ireo mpitandro ny filaminana

Atiaf Alwazir nampitandrina:

@WomanfromYemen
Nitarika sy niteraka toe-javatra manahirana sahady ireo niantso ho amin'ny fihetsiketseham-panohanana an'i Hadi ao #Aden! # Yémen

Nasser Arrabyee nisioka hoe:

@narrabyee: Niteraka ady tao atsimo ny antoko Islah tamin'ny fisisihana hanatontosa fihetsiketsehana tamin'ny 21 Feb, nesorin'ireo mpikambana tsy  handray anjara amin'ny fihaonambem-pirenena ireo avy any atsimo rehetra, Dr Saleh Basura

Hoy izy nanampy:

@narrabyee: Aina nafoy sy olona naratra nandritra ny fifandonana mbola tsy nisy toy izany teo amin'ny Islamista notohanan'ny tafika sy ireo separatista tezitra sy diso fanantenana tao Atsimon'i Yemen, tao Aden.

@narrabyee: 7 namoy ny ainy & maherin'ny 50 ireo naratra androany nandritra ny fifandonana teo amin'ny Islamista notohanan'ny tafika & separatista Crater& Khormakser tao Aden, atsimon'i Yemen.

Mampiseho ny tafika CFS Yemenita manafika ireo tatsimo nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Fahamendrehana tao Kraiter, Aden ity lahatsary narakitr'i Kala'at al Shomookh (قلعة الشموخ) tao amin'ny  Youtube ity:

Will Picard nisioka hoe:

@YemenPeaceNews: Nilaza ny tatitra ofisialy avy amin'ny Mpanara-maso ny Zon'olombelona ao Atsimo fa 9 ireo namoy ny ainy ary 53 noratrain'ny mpitandro ny filaminana tao #Aden tamin'ny 21 Feb. #Yemen

Morooj Alwazir nanampy hoe:

@Rooj129: Alakamisy nihoso-drà tao #Aden #Yemen sary & famintinana http://www.adentribune.com/?p=676

“Tokony hampitsahatra ny famoretana feno herisetra mahazatra atao amin'ny fahalalahana hivory ny manampahefana Yemenita,” hoy ny filazan'ny Amnesty International taminà fanambarana fampitandremana nivoaka tamin'ny Alarobia lasa teo. Nampiany hoe: “Nanitsakitsaka ny lalàna momba ny zon'olombelona iraisampirenena  ny mpitandro ny filaminana Yemenita tamin'ny fitifirana ireo mpisintaka manao fihetsiketsehana milamina androany tao atsimo, izay niteraka fahafatesan'olona efatra sy naharatrana am-polony tamin'ny Alakamisy.

Vokatr'izany, nidina an-dalambe ireo mpisintaka naratra tamin'ny Asabotsy, nanaka-dalana sy nandoro kodiarana, tao amin'ny distrikan'i Khor Maksar, Mualla, Shaikh Osman sy Dar Saad vao maraimbe tamin'ny Asabotsy, tao anatin'ny antso ho amin'ny famporisihana ny sivily tsy hankatò ka hanao fihetsiketseham-panoherana ny vono olona tamin'ny 21 Febroary, izay mbola nitarika fifandonana vaovao tamin'ny tafika.

Voalaza fa nanafika ny tsenan'ireo tavaratra tao Mukalla ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Asabotsy, ary nandoro birao roa an'ireo Antoko Islamista Al-Islah (Fanovana). Ao an-tanànan'i Sayun, ao amin'ny faritra atsinanan'i Hadramawt, niezaka nampihatra ny tsy fankatoavan'ny sivily ireo mpanao fihetsiketsehana ka voalaza fa nodoran'izy ireo ny mpivarotra iray tao an-tanàna avaratry Yemen, ao Dhamar, naratra mafy ity mpivarotra ity vokatr'izany.

The burning and destruction of Islah party office by separatists in Al-Mukalla.

Fandoroana sy fanimban-javatra nataon'ireo mpisintaka tao amin'ny biraon'ny antoko Islah  tao Al-Mukalla.

Mbola nifanandrina tamin'ny mpitandro ny filaminana indray ireo mpanao fihetsiketsehana ny Alahady tao an-tanàna atsimo atsinanan'i Mukalla rehefa avy nanakan-dalana tamin'ny fandoroana kodiarana sy vato kely. Tao Aden ihany, namoy ny ainy ary naratra ireo mpanao fihetsiketsehana raha nitifitra tao amin'ny arabe midadasika ao akaikin'i Mualla ireo tafika. Nosakanan'ireo mpanao fihetsiketsehana ihany koa ny lalana mifanakaiky ao Mansura, Sheikh Osman sy Dar Saad. Sary mampihoro-koditra ahitana ireo mpanao fihetsiketsehana separatista novonoin'ny tafiky ny governemanta, tahaka ilay mpikatroka sy mpanao gazety Wajdi AlShuaibi izay novonoin'ireo jiolahy nitam-piadiana sy nisaron-tava tao an-trano fonenany teo anatrehan'ny fianakaviana no niparitaka be tamin'ny  Facebook sy Twitter [Tandremo: Mampihoro-koditra ny sary].

Sarah Jamal nisioka hoe:

@Sarah_Sanaa: Namonjy an'i Aden sy Hadramout i Shabwa tamin'ny tsy fankasitrahan'ny sivily ka mitaky fanoloana tsy misy hatak'andro ny governoran'i Aden #Yemen

@Sarah_Sanaa: Anaty afo ny atsimo rehetra. Tifirin'ireo mpitandro ny filaminana ny mpanao fihetsiketsehana ao Aden, Hadramout ary amin'izao fotoana izao Shabwa&governemanta. ary ny fahanginan'ny filoha #Yemen

Mandahatra fiara mifono vy ao Al-Mansoora, ao Aden ny tafiky ny governemanta mba hamoretana ny tsy fankatòavan'ny sivily

Fihetsiketsehana anaty firaisankina miaraka amin'i Aden ary hisy ny hetsika fanamelohana ireo karazana herisetra izay hatao ao Sanaa androany [Feb 26].

 

Sarah Jamal nisioka hoe:

@Sarah_Sanaa:
rahampitso amin'ny 10 maraina, diabe ao Sanaa ho fanoherana ny herisetran'ny mpitandro ny filaminana & ireo karazana herisetra ao atsimo, ary ho fanohanana ny zava-mihatra ny ao Atsimo # Yémen 

A protester holding a placard that reads in Arabic "He who is killing in the south wants the geography and does not want the unity"

Mpanao fihetsiketsehana milanja sora-baventy mivaky amin'ny teny Arabo hoe “Ny  jeografia fa tsy ny firaisana no tadiavin'izay mamono olona ao atsimo amin'izao fotoana”

Efa imbetsaka nahemotra ny fotoana voalohany amin'ny fihaonambem-pirenena, izay tokony efa natomboka tamin'ny tapaky ny volana Novambra, indrindra noho ny tsy fifankazahoana eo amin'ireo tatsimo. Nahemotra amin'ny 18 Martsa izany ankehitriny, mbola taorian'ilay tranga nihoso-drà farany teo tao Aden sy ny fitomboan'ny isan'ny namoy ny ainy tao amin'ny faritany atsimo, maro ireo miahiahy fa mety mbola hiseho izany araka ny efa fantatra.

Nanameloka ny fampiasana herisetra tamin'ny anaran'ny firaisana CCYRC ny lehiben'ny Komity Teknika mpandrindra ny Fihaonambem-pirenena, Ahmed bin Mubarak, hoy izy nisioka:

#NDC S Dr. AhmedBinMubarak: Tsy azontsika ihodivirana ny fisarahana saingy afaka manamafy ny firaisana amin'ny fametrahana tetezana fifampitokisana isika fa tsy amin'ny teny filamatra #Yemen #Aden

@CCYRC: Filankevi-piarovana ny Fihaonambem-pirenena & mpikambana ao amin'ny CCYRC Dr. AhmedBinMubarak, tsy fantatro inona no tombotsoan'ny famonoana ireo Yemenita milamina & amin'ny anaran'ny revolisiona #Yemen #Aden

Summer Nasser nisioka hoe:

@SummerNasser: #Yemen: Satria efa manakaiky ny datin'ny “Fihaonambem-pirenena” amiin'ny 18 Martsa isika, mety hisy ny ady ao Aden.

Hoy izy nandrisika:

@SummerNasser: Milamìna fotsiny ry tatsimo. Raha vao mampiasa fitaovam-piadiana amin'ireo izay mampahory anareo ianareo, ho andro hanenenanareo izany! #Aden #Yemen

Mai Saleh nisioka hoe:

@A4Mai: Izay mitranga amin'izao fotoana izao ao Aden no famonoana izay rehetra mety ahafahana mahita vahaolana milamina ary tsy lazaina intsony ny fandraisan'anjaran'ny tatsimo ammin'ny Fihaonambem-pirenena #Yemen

Mohammed Jarhum nisioka hoe:

@moejarhum: Nilaza ny lehilahy manantsaina iray fa tsy amin'ny hery no hanaovana fampisarahana na fampitambarana #Yemen #Aden

Nahakely ny herijika isian'ny Fihaonambem-pirenena ny bala sy ny ra mandriaka miteny irery izay nosafidian'ny governemanta ao Aden. Ary mampanahy indrindra eo ankilan'ny fifandonana sy ny ra mandriaka miseho lany amin'izao fotoana ny kabarim-pankahalàna misy eo amin'ny roa tonta mifanditra ao Yemen, izay asongadin'ireo fampahalalam-baovao sy ireo lahatsoratra ao amin'ny tambajotra sosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.