Mianatra Ny Ojibwe Miaraka Amin'i Jennifer Bobiwash

Jennnifer Bobiwash dia mpanoratra, mpiantsehatra, ary mpamokatra seho izay ny asany dia mifantoka amin'ny fahalinany momba ny fototra fiaviany: ny Ojibwe.

Ny Ojibwe (fantatra ihany koa amin'ny hoe Chippewa) dia ny foko Amerindiana nameno ny ilany avaratra rehetra tamin'i Etazonia sy Kanadà. Ampahany betsaka ao anatin'ny fianakaviamben'ny fiteny Algonquin, ny Ojibwe no iray amin'ireo vondrona be vahoaka indrindra tamin'ireo foko Amerindiana sisa tavela.

Map of Spoken Ojibwe (from Wikipedia)

Sarintanin'ireo miteny ny Ojibwe (avy ao amin'ny Wikipedia)

Koa satria mitombo ny fahalinany amin'ireo fototra niaviany, nanokatra fantsona YouTube iray i Jennifer, ao izy no mampianatra teny, fehezanteny ary fomba fiteny avy amin'ny tenim-bazimbany. Arakaraky ny anohizany mitrandraka ilay teny, dia ampidiriny ao anatin'ireo fantsony samihafa ireo, hatramin'ny hoe ny “Teny Ojibwe ho an'ny anio”, na “ity Andro Anio ity Tarafina ao Anatin'ny Tantaran'ireo Amerindiana”. Ao anatin'ireo lahatsary izy dia mitazona ny toeran'ilay mpisehatra ” Geraldine Chases-her-Tail “

Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny tetikasany hampianatra ny fiteny Ojibwe amin'ny alàlan'ny Facebook sy twitter dia nitafatafa taminay i Jennifer.

Rising Voices: Inona no nahatonga ny fahalinanao amin'ny handalina bebe kokoa momba ny fiteny Ojibwe?

Rehefa nihalehibe, tsy mba nanam-bintana hoe voahodidin'olona miteny ny Ojibwe aho. Ny renibeko no nahay teny vitsivitsy, ary naka vitsivitsy tamin'ireny aho – izay noheveriko ho teny  “ratsy” fony ankizy – nefa satria aho tsy nilona tao anatin'ilay kolontsaina, dia zavatra tsy niasàko saina be loatra ilay izy. Rehefa nanapa-kevitra aho mikasika izay ho antom-pisian'ny fantsona Youtube-ko, dia hitako fa zanatohatra hafa kokoa ny fantsona manabe raha oharina amin'ny fantsona iray izay manao fampihomehezana fotsiny… Izany àry tsy azoko nohiraina, noho izany tsy nasiana resaka ny fantsona ho an'ny mozika.

RV: Iza no nampianatra anao – ary nahoana ianao no nanapa-kevitra hanely ny feo sy hampianatra ny hafa ?

 Niaraka tamin'ny namako niantsena tao aminà toeram-pivarotana iray aho ary teo ampiandrasana azy dia nijerijery teo amin'ny toerana natokana ho an'ny boky. Eto Los Angeles ny tena, tsy dia misy loatra ny boky mikasika ny  Ojibwe, ka nony nahita rakibolana amin'ny fiteny Ojibwe (izay tsy mbola fahitako hatrizay mihitsy) dia tsy maintsy novidiako ilay izy. Tamin'izany fotoana, namokatra lahatsary iray ho aminà fifaninanana aho ary nihevitra fa ilaiko ny zavatra tahaka izany. Vokany, teraka teo ny Geraldine Chases-her-Tail. Taorian'ny namokarana ilay lahatsary ho amin'ny fifaninanana, nanontany ahy ny namako iray ny amin'izay mbola mety hataon'i Geraldine, izay mbola tsy azoko antoka loatra tamin'izany. Taorian'ny nisaintsainana mikasika izany sy namakiana ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra napetraky ny olona, dia tsapako fa fotoana iray io, ho ahy, hianarako misimisy kokoa momba ny lovako ahy manokana. Ary raha mijery ny lahatsariko ny hafa ka mianatra, dia efa tombony iray izay. Araka izany tsy ny hetaheta hampianatra ny hafa velively no nentiko nanomboka, satria na izaho manokana aza dia mbola nianatra. Saingy hatreto, nahita ahy ny sasany tamin'ireo mpampiasa ny fiteny Ojibwe ary nitondra ny fanampiana avy amin'izy ireo.

RV: Nahoana no mampiasa hatsikana ianao any anatin'ireo lahatsarinao?

…Izaho fotsiny ihany no izaho. Miezaka aho ny mandrisika ny mpijery mba hametraka fanehoankevitra na hamorona lahatsary ho setrin'ny ahy. Antenaiko fa hanandrana hampiasa ilay teny any anaty fehezanteny ireo mpijery ary hampahafantatra ahy ny fomba nampiasan-dry zareo azy. Fomba iray goavana ho an'ireo izay mahay ilay fiteny izany mba hizaràn-dry zareo ny tena fomba marina fampiasa ilay teny, satria na izaho aza mbola mianatra, tsy ho haiko mihitsy na mety na tsia ny fomba nampiasàko ilay fiteny.

RV: Inona avy no fanamby natrehanao tamin'ny fametrahana azy ity?

Ireo fanamby entin'ilay fiteny aloha. Efa nahita ny sasany tamin'ireny teny ireny ve ianao? Betsaka zanatsoratra miasa ao anatiny an!

RV: Mahafantatra olon-kafa mampiasa ny Ojibway ety anaty aterineto ve ianao ? Afaka hiteny ve ianao hoe nanjary ho ohatra iray nanainga ny aingam-panahin'ny hafa? 

Betsaka ireo olona hafa mampiasa ilay fiteny ety anaty aterineto. Antenaiko fa ho afaka ny ho fitaratra iray hakàn'ny hafa aingam-panahy aho.

RV: Fomba ahoana no heverinao hampivoarana bebe kokoa hanomezana aina vao indray ny Ojibway sy hiantohana ny fisiany mandritra ny fotoana maharitra ety anaty aterineto? Manana tetikasa hafa ve re ianao?

Heveriko amin'ny fomba tsotra hoe ireo lahatsariko izay  ety anaty aterineto dia efa vavolombelona iray hiantoka ny fisiany ety anaty aterineto. Vantany vao miparitaka ety anaty aterineto io, dia eo mandrakizay. Ary dia ny fomba hahitan'ny olona azy sisa no resaka, sy ny fankalazàna azy mba hahitàn'ny olona azy. Amin'izao fotoana aho dia miasa manao andianà seho an-tsehatra iray ety anaty tranonkala, antsoina hoe “Collide” izay miresaka mikasika lohahevitra mahazatra ahitàna ny olona, miala ny tontolony ary mikivenjivenjy mizaha iray vaovao, sy ny fanamby atrehany.  Manampy namana sasantsasany aho amin'ny andian-tantara ety anaty tranonkalan-dry zareo mikasika ny masoivoho iray fitadiavana mpiasa an-tselika antsoina hoe “Short Term / Fotoana Fohy” ary manoratra taridàlana iray hafa ho an'ny fanabeazana. Miketrika tetikasa seho an-tsehatra ahy samirery ihany koa aho.

Azonareo arahana ihany koa ireo tetikasa ireo sy ny hafa ao amin'ny twitter an'i Jennifer @Bobiwash ary amin'ny fitsidihana ny bilaoginy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.