Mbola Matroka Ny Fahalalahan-Gazety ao Myanmar Na Misy aza ny Fivoarana

Noderain'ny vondrona maro ho dingana mankamin'ny fahalalan'ny fahalalahan-gazety ao amin'ny firenena ny fanapahan-kevitr'i Myanmar hanafoana ny sampana malaza amin'ny fanaovana sivana. Saingy mbola navoitran'ny mpikatroka mpanara-maso ny fahalalahan-gazety ihany ny fitohizan'ny fampitahorana, fahasarotana ary ny fanafihana nahazo ny mpanao gazety monina ao Myanmar tamin'ny herintaona.

Mety mora voafelaky (tsy ilay felaka malaza fa omena ny mpanao gazety malagasy fa heviny hafa) ny fiampangana isan-karazany ihany ny mpitati-baovao mahaleotena , ohatra , raha manohitrohitra ny mpiasam-birao na olona ambony ao amin'ny governemanta. Tamin'ny 7 Febroary 2013 ny Parlemanta tao Myanmar no nanangana vaomiera mpanadihady iray hamotopototra izay nanoratra bilaogy iray mitondra ny lohateny hoe “Ambonin'ny Lalàna” [my]. Ny lahatsoratra moa dia nosoratan'olona iray nitondra ny solon'anarana hoe “Dr. Sate Phwar” tao amin'ny bilaogy Feon'i Myanmar [my]. Ampangain'ny lahatsoratra ho tsy miraharaha ny lalampanorenana ny mpikambana parlemantera fa manao izay tiany atao ary tsy te-hahalala ihany koa ny fanamarihan'ny filoha. Toy izao ny nosoratany:

Maninona moa raha mametraka ity fanitsiana vaovao ity ao amin'ny lalampanorenana hoe na inona na inona didy mipetraka ao amin'ny lalampanorenana, ny filohan'ny Hluttaw (parlemanta) sy ny namany kosa afa-mifanapa-kevitra amin'ny alalan'ny fandrotsaham-bato ao amin'ny Hluttaw (parlemanta).

Sary navoakan'ny Freedom Media Group (Burma) izay nilaza fa notafihan'ny mpibodo (squatters) tany amin'ny faritra nametrahana azy ireo vaovao ny mpanangom-baovao iray. Miampy eo amin'ny pikantsary ihany koa fa “lazain'ny vaovao sasantsasany fa nataon'ny polisy manokana iny mba hankahalan'ny olona ny squatters.”

Toy izany tamin'ny herintaona, ny gazety tato an-toerana The Voice Weekly izay nampangaina ho manao fanalam-baraka araka ny fitorian'ny minisiteran'ny harena an-kibon'ny tany noho ny fitaterana ny fisian'ny fanodikodinam-bola sy ny fanaovana hosoka tao amin'ny minisitera. Soa ihany fa nanafoana ny fitoriana ny fitoriana ny minisitera tamin'ny fanombohan'ity taona ity.

Vao haingana ihany koa ny mpanao gazety maro no nahazo [my] fampitandremana avy amin'i Google fa mety misy ny fanafihana avy amin'ny “mpanafika karamain'ny fitondrana” mihaodihaody any ambadimbadika any. nalefa ny fampitandremana rehefa nosimbasimbain'ny vondrona antsoina hoe Anonymous Myanmar ny endriky ny pejy facebook-n'ny gazety mahatelo tena toa The Voice Weekly [my] sy Eleven Media Group [my]. Saingy, mandà amin'ny mahatafiditra azy amin'izany fanafihana an-tserasera izany ny governemanta.

Angamba ho setrin'ny fisovohana ny habaky ny fampitam-baovao, dia nisy nanafika ny habaka ofisialin'ny [my] filohan'i Myanmar tamin'ny 5 Febroary 2013 lasa teo, ka ahiana ho piraty mpikambana ao amin'ny vondrona antsoina hoe “Indonesian Fighter Cyber” na “Mpiady an-tserasera Indoneziana” no nanao izany.

Efa mahazatra ihany koa ny mahita vondrom-pankahalàna isan-karazany, hafatra sy sarim-pampielezan-kevitra any amin'ny tambajotra an-tserasera. Nandritra ny rotaka tao Rakhine tamin'ny 2012, dia nivezivezy tamin'ny aterineto ny sarim-pampielezan-kevitra avy amin'ny adaniny sy ankilany mifandrafy.

Mandritra izay fotoana izany i Taw Win Daund nizara ao amin'ny pejy Facebook-ny ny sary iray eritreretiny ho sarin'ireo karamaina hamoaka famoahan-kevitra. Nasiany marika ny sary:

Photo shared by Taw Win Daund

Nindramina hanoratra fanehoan-kevitra sa mpianatra ho miaramila? Sary nozarain'i Taw Win Daund

Mpanoratra karamaina haneho hevitra, fifanindriana amin'ny ady misy eo amin'ny filoha Thein Sein sy ny Vice-senior General Min Aung Hlaing amin'ny alalan'ny fanoratana fanehoan-kevitra amin'ireo lahatsoratry ny Eleven Media, the Voice Weekly ary ny gazety 7 Days News.

Misy ny fijery mifandipatra amin'ny sary. Maneho hevitra i Steven Myo

Ahitana ireo nianatra tany Rosia ihany koa ny mpanoratra.

La Min Aung manohitra tanteraja ny fanombatombanana:

Diso izany, tsy tsara ny mampiasa ny sarin'ny mpianatry ny akademia miaramila handaingàna. Natao hampisara-bazana ny vahoaka sy ny tafika io.

Na dia sarotra aza ny hiteny ny fahamarinany na tsia, dia efa fahita mahazatra ny  hafa-pankahalàna mampiasa tenim-boto ao amin'ny Facebook any Myanmar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.