Nifidy An'i Morsi ny mponina Ejiptiana Satria …

Tao amin'ny Twitter, nanenina avokoa ireo mponina Ejiptiana izay nifidy an'i Mohamed Morsi tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Ejiptiana tamin'ny 24 Jona – ary mazava tsara ny nenin'izy ireo tao anaty tenifototra vaovao iray izay mivaky hoe: nifidy an'i Morsi aho satria ..

Niteraka fanesoana mifangaro sangisangy io tenifototra [ar] io #انا_انتخبت_مرسي_عشان . Nandresy an'i Ahmed Shafik, praiministr'i  Hosni Mubarak farany teo i Morsi, mpilatsaka hofidiana avy amin'ny Firahalahiana Silamo, tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena. Nametra-pialana i Ahmed Shafik 32 taona taorian'ny hetsi-panoherana izay naharitra 18 andro nokarakarain'ny vahoaka rehetra teo amin'ny firenena hanoherana ny fifehezany.

Volana vitsy monja teo ambany fifehezany, dia niverina nidina an-dalam-be ny vahoaka Ejiptiana nangataka ny fialàny. Ary toy ny tamin'ny fitondran'i  Mubarak, dia niteraka korontana sy herisetra ny hetsi-panoherana satria nifanandrina ny mpanohitra sy ny mpitandro ny filaminana.

Nilaza i Sara Hassan [ar] hoe:

#انا_انتخبت_مرسي_عشان أموت شهيد

@saram7assan2010: Nifidy an'i Morsi aho satria afaka ny ho faty maritiora

Nanambara i Ahmed Arafi hoe:

#انا_انتخبت_مرسي_عشان انتخبوك يا #مرسي علشان يضربوا نفسهم بـ أجدع جزمة

@AhmedArafi: Nifidy anao izy ireo ry  Morsi satria te hifampively amin'ny kirarony ry zareo

Nanampy izany i Mohamed Salah ka nanao hoe:

#انا_انتخبت_مرسي_عشان انا راجل ابن كلب

@7agog: Nifidy an'i Morsi aho satria lehilahy iray zanaka lahin’ ny alika aho

Ary nananihany i Mohamed Youssef:

#انا_انتخبت_مرسي_عشان لأنه روش وستايل وبيتكلم انجليش لانجويتش كويس أوي ده غير انه الانسان الوحيد اللي شاف طائر النهضه المبارك !

@yousufian: Nifidy an'i Morsi aho satria manana ny fomba fiasany izy ary mahafolaka tsara ny fiteny anglisy, izy irery no nahita ny fiarenan'ilay voronkely naratra

Nanamarika i Alyaa Gad:

#انا_انتخبت_مرسي_عشان يحل لنا مشكلة الانفجار السكاني عن طريق خطة خمسية لمضاعفة حوادث القطارات والطرق وانهيار العمارات وقطع خلف الجميع.

@AlyaaGad: Nifidy an'i Morsi aho satria hamaha ny olana eo amin'ny fiakaran'ny tahan'ny fahaterahana ao Ejipta izy, tafiditra ao anatin'izany ny drafitra dimy taona mba hampitomboana ny lozam-damasinina sy ny an-dalambe ary koa ny firodanan'ireo tranobe. Ataony hitondra takaitra ihany koa ireo vahaka Ejiptiana.

Nandritra izany, niala andraikitra noho ny nifidianana an'i Morsi i @SaLaMonty_ ka nilaza izy hoe:

#انا_انتخبت_مرسي_عشان والمصحف ما عملتها .. دانا ايدى تنقطع ولا يغطسوها فى بلاعة ولا انى انتخب البغل ده .. الحمد لله كنت #مبطلون

@SaLaMonty_: Mianiana eo anatrehan'Andriamanitra aho fa tsy nifidy an'i Morsi. Ho tapahako ny tanako mba tsy hahafahako mifidy an'io ampondra io. Misaotra an'Andriamanitra aho fa nataony Mubtilun (vahoaka izay mandrotsaka vato fotsy)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.