Karaiba: Ho An'Ireo Mpitoraka Bilaogy Ny Andron'ny Mpifankatia

Mihevitra ve ianao fa mahafantatra ny atao hoe fitiavana? Nampiasa ny Andron'ny Mpifankatia ho fomba hahafantarana izany ny mpitoraka bilaogy vitsivitsy avy any amin'ny faritra…

Avy any Jamaika, nitanisa tononkalon'i Rumi i Nadine Tomlinson hanafanana ny tontolo andro, raha namerina namoaka lahatsoratra avy amin'ny taona fankalazana tao amin'ny bilaoginy ny Havana Times, izay nanome topi-maso ny amin'ny fomba fankalazana ny 14 Febroary any Kiobà.

Ny Babalu, bilaogin'ny Kiobàna any am-pielezana, etsy an-kilany manova ireo fankalazana amin'ny alalan'ny fanomezana fitiavana mpanao didi-jadona vitsivitsy sy fitsikerana ny fomba fankalazan'ny teratany avy ao Nouvelle-Zélande ny “rivo-piravoravoana bohemiana mahafinaritra ao amin'ny Fanjakana Castro”.

Ireo lahatsoratra hafa avy any amin'ny vondrom-piarahamonim-paritra, isan'izany ny sosokevitry ny chookooloonks (fiantsoana ny ankizy kely any Trinidad) mikasika ny hanaovana asa tànana mandritra ny Andron'ny Mpifankatia “ho an'ireo ankizy manana reny *tena* tsy mahay asa tànana mihitsy”, raha ny any amin'ny tanindrazan'ireo chookooloonks kosa, i Trinidad sy Tobago namoaka sarinà dokam-barotra iray tanaty gazety i Wuzdescene, izay heveriny fa tsara tokoa ho an'ny Andron'ny Mpifankatia. Mivaky toy izao io lahatsoratra io:

VARO-BOBA ao Tabanca!

Nahoana ianao no hividy sokolà ho an'olona mety handao anao raha afaka mividy solosaina hitoetra eo anilanao?

(Ny Tabanca, araka ny “Cote ci Cote la“, ilay Rakibolan'i Trinidad sy Tobago, dia fomba fiteny ao an-toerana ho an'ny “fihetsehampo tsapan'ny olona iray rehefa injay tapitra hatreo ny tantaram-pitiavana iray”.)

Manerana ireo Tany Virijinin'i Etazonia, mitoraka bilaogy momba ny fankalazana isan-taona faha iraika ambinifolon'ny “Fankalazana ny Fitiavana” , ny News of St. John:

Tamin'ny herintaona, mpifankatia 72 no namerina ny voadin'izy ireo tany amin'ny lanonana amoron-dranomasina nokarakarain'ilay minisitra tsy manavaka finoana, Anne Marie Porter.

Misy lahatsoratra tena mifanaraka tsara amin'ny zava-misy avy amin'ny Fampahalalam-baovao mahazatra ao Bahamas, izay manome torohevitra ho an'ireo lehilahy hambabo vehivavy “na dia banky rompitra sy tsy manan-kevitra aza ianao”, ary iray hafa avy amin'ny Notes From A Small Rock ao Barbades, izay manoratra momba ireo “andry iankinan'ny fitiavana sy ny fanambadiana” – fara-faharatsiny araka ny voalazan'ny pastora Barbadiana iray:

Ny andry voalohany dia ny vola. Eny, ny vola. Mila vola ianao. Mila vola aho. Alicia, tsy maintsy manaiky ianao fa i Keshorn no mitantana ny fomba ampiasàna ny vola. Tsy maintsy matoky ny fahendrena ianao…ekeo izany raha tsy izany minoa ahy, hifarana ny fanambadianao alohan'ny hahafahanao miteny mofo macaroni.

Manana andry faharoa ny tempoly goavan'ny fanambadiana dia ny fifandraisana. Mahita tanora vitsivitsy aho manambady ary dia tsy hainy akory ny fomba hifampiresahan'ny roa tonta. Variana mandefa mailaka sy mandany andro eo amin'ny Facebook na manoratra simaiso.

Ny andry fahatelo mitàna ny tafontranon'ny fanambadiana dia ny firaisana ara-nofo. Tokony hanana firaisana ara-nofo tsara sy manara-potoana ny lehilahy sy ny vehivavy. Tokony afaka namantatra ny teboka G-any ianao hatreto. Raha tsy nahavita ny entimodinao ianao, matokia ahy ry namako: hisy olona hanao izany eo amin'ny toeranao.

Ny andry fahefatra izay tsy maintsy horaharahianareo ry Alicia, sy Keshorn, dia ny Andriamanitra Tokana sady Iray.

Mirary anao hanao fetin'ny Mpifankatia sambatra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.